You are here

Vaovao

Hotontosaina any Venezia amin'ny 12 sy 13 jiona ho avy izao ny "Giornate del Madagascar 5" - Sestier Santa Croce 1730 (VE) - ka hanasana antsika rehetra.

Marihina manokana eto ihany koa fa ny harivan'ny zoma 12 jiona dia hisy ilay sarimihetsika "Island of Lemurs, Madagascar" ao amin'ny Cinema Giorgione, Cannaregio 2612.

Manasa antsika havana sy tapaka tsy vaky volo rehetra ho tonga hiara-hankalaza ny faha-55 taonan'ny Fahaleovantenan'i Madagasikara izay hatao ao Lecco MaggianicoVia CarloGomez n. 3 ny Asabotsy 27 Jiona 2015 amin'ny 6 ora hariva. Mirary ny fitambaran'i Malagasy hatrany nohon'ny fitiavana ny tany niaviana izay mamy foana.
Toy ny fanaontsika, iangaviana ny tsirairay hitondra sakafo sy zava-pisotro hiarahana.

Ny fandaharam-potoana dia toy izao:
- amin'ny 6 ora sy sasany hariva: manomboka ny «Karaoke»;
- amin'ny 7 ora sy sasany: fiaraha-misakafo;
- amin'ny 9 ora: fampisehoana hataon'ireo mpihira sy mpanakanto Malagasy monina aty Italie;
- amin'ny 10 sy sasany mandra-maraina: dihy izay hohafanain'ny Dj manam-pahaizana GIANNI na Dj JHO miaraka amin'i Michael.

Mba ho fandraisana anjara amin'ny hofan'ny trano dia hangatahana ny olon-dehibe rehetra mba hanolotra 10 € ery amin'ny fidirana.

P.S.: mba hahafahan'ny tompon'andraikitra (DJ Gianni) miomana dia iangaviana izay te-handray anjara amin'ny «karaoke» rehetra mba hanome sahady dieny izao amin'ny alalan'ny message facebook amin'ny G.T.M. ny lohatenin'ny hira tiany hokaloina.

Misy laharana finday azo antsoina ihany koa: 3277939148(Georges) sy 335 8382871 na 0121 91163 (Louise).

Tongava maro ary ara-potoana. Misaotra antsika rehetra.
Am-pitiavana be dia be!

Ireo Mpitantana ny Fikambanana «Gasy Tsy Manavaka – G.T.M.»

Fanasana ho antsika malagasy rehetra avy amin'ny 

Slow Food Ciampino e Morena, Seniores Italia Lazio, ary ny Cooperativa agricola Capodarco 

izay mikarakara "Hetsika ara-kolotsaina sy ara-pamokarana" ny sabotsy 30 mey 2015, manomboka amin'ny 4 ora tolakandro, izay atao ao amin'ny "Agricoltura Capodarco" (Via del Grottino - Grottaferrata – Roma) izany moa dia mikasika ny sakafo malagasy sy ny zavamaniry any amintsika ka nampitondrainy ny lohahevitra hoe:

 Sapori malgasci: cultura culinaria presentata dalla comunità del Madagascar di Roma. 

Ao aorian'ny dinidinika dia hisy ny fiaraha-misakafo malagasy sy korana miaraka amin'ny KAMEMA 

Ny fandraisana anjara dia 15euro ( entina hampandrosoana ny tontolo ambanivohitra  amin'ny tetikasa izay atao any Madagasikara)

Manantena antsika ho tonga maro !

Ity izany ny fampilazana amintsika fa Andriamatoa Solofo RANDRIANANTOANDRO no misolo an-dRamatoa Josiane RATSIMBAZAFY eo amin'ny Fiandraiketan-draharaha, ad interim, ao amin'ny masoivohontsika eto Roma.

KIDODO 2015

Mifampilazà dia tongava maro e !

KIDODO 2015

Mifampilazà dia tongava maro e !

Momba ny fanisana ny isantsika Malagasy eto Italia ity ka ampitampitao azafady (Tsindrio ny sary raha toa ka tsy mazava ny soratra).

Ny alahady 17 mey ho avy izao indray izany no hifamotoanantsika eny amin'ny Piazza San Giovani in Laterano toy ny isan-taona. "Chiesa senza frontiera" ny lohahevitra entin'ny Festa dei Popoli amin'ity andiany ity.

Mandray anjara feno hatrany i Madagasikara, noho ny Ankohonana katolika malagasy anatin'ny fivondronan'ny "chiesa etnica" ao amin'ny diosezin'i Roma. 

Manantena antsika ho tonga maro, amin'ny fitafy malagasy mahazatra antsika. Efa miranty ny maraina ny tranohevantsika ka miandry antsika ao ny mpiandraikitra.

Amin'ny 12 ora kosa ny lamesa lehibe ao amin'ny bazilika ka "Ranombavaka" roa amin'ny teny malagasy no anjarantsika.

Ny tolakandro dia ny "Terak'i Fianarantsoa" (Te.Fi) no hanandratra avo ny vakodrazantsika eny ambony lampihazo ka tandremo sao tara kidodo.

Misy hatrany ny sakafo karakarain'ireo firenena hafa izay amidy mirary eny an-toerana, fa isika koa afaka mitondra hatrany ny masaka hifampizarantsika eo ambany alokaloky ny bazilika - fomba izay mbola tsy hita ny maharatsy azy.

Ilazao ny rehetra, ampitampitao ny vaovao, tongava maro  hiala voly sy haneho ny maha-malagasy antsika.

Tongava daholo hiara-hisoma amin' i Françoise Vitasoa, hotronin'i Sylvestre sy ireo namana mozisianina avy any Frantsa, tarihin'i Lalin sy Guste amin'ny 16 mey 2015 amin'ny 9 ora alina eny amin'ny via Nomentana 678 (Fonte Nuova) - ROMA

Faly miarahaba anareo Malagasy mpiray tanindrazana, monina eto Italie izahay tarika KAMEMA (KAnto sy MEvan’i MAdagasikara).

Voninahitra
sy hafaliana lehibe ho anay ny manasa anareo rehetra ny alahady 12
avrily 2015 ho avy izao.  Hiaka-tsehatra voalohany amin’io daty io
mantsy ny tarika KAMEMA, na dia efa nandray anjara mavitrika tamin’ireo
fety sy hetsika isan-karazany mandritra ny taona maromaro.

Hankalaza
an'Andriamanitra, hankalaza tsingerin-taona fahadimy, hitondra ny
Kantosy Meva an-kira, hamela hafatra ary hihaona aminao namana, havana
sy mpankafy, niara-namindra hatramin'izay … Ireo no antonyhihaonantsika
amin’io daty tsy manam-paharoa io.

Isaoranay sahady ianao
tamin’izay rehetra efa nataonao ho an’ny KAMEMA hatramin’izay nijoroany
izay (22 aogositra 2010). Sitraka enti-matory ireny ka hovaliana sy
hotsarovana ombieny ombieny.

Miandry anao ho tonga aryizahay ary manantena ny fandraisanao anjara amin'ny lafiny rehetra !

Miomana dieny izao, mariho ny daty sy ny toerana mbamin'izay hoentinao miombom-po sy miombom-pety aminay !

ASAO NY NAMANAO HIARA-MANKAFY NY KANTO MALAGASY AMINTSIKA !

Zavatra tsara ho fantarina sy hotadidiana:

Daty sy ora: Alahady 12 avrily 2015, amin’ny 4 ora tolakandro

Toerana: sala convegni Oratorio salesiano, Parrocchia Santa Maria della Speranza

Via Francesco Cocco Ortu, 19 Roma

Ireo fitaovam-pifamoivoizana azonao raisina:

  • Termini : mandray 90 ary miala eo amin’ny Piazza Ateneo salesiano
  • Piazza Venezia: mandray 80 ary miala eo amin’ny Piazza Ateneo salesiano
  • Metro B dir. Conca d’Oro:miala eo Conca d’Oro

Avy eo 93 na 80 ary miala eo amin’ny Piazza Ateneo salesiano

Fandraisana anjara:

Fanasana voaray manokana: 20 €

Olondehibe: 10 €

Ankizy: 5 €

Hisy fiarahana miala hetaheta mahafinaritra atolotray aorian’nyconcert

Miandry anareo izahay KAMEMA arymanantena mafy ny fandraisanareo anjara !

Randrianomenjanahary Hervé Donatien, amin’nyanaran’ny KAMEMA

Hiaka-tsehatra voalohany ny traika KAMEMA.

Hankalaza an'Andriamanitra, hankalaza tsingerin-taona fahadimy, hitondra ny Kanto sy Meva an-kira, hamela hafatra ary hihaona aminao namana, havana sy mpankafy, niara-namindra hatramin'izay ... !
Miandry anao ho tonga izahay ary manantena ny fandraisanao anjara amin'ny lafiny rehetra !

ASAO NY NAMANAO HIARA-MANKAFY AMINTSIKA !

Takelaka