You are here

Vaovao

 

Tamin'ny alalan'ny pejy facebook-n'ny Federasiona Taranja Tsipy Kanetibe no nampitan'izy ireo ny fisaorana antsika zanak'i Madagasikara atý am-pielezana (Italia, France, Monaco, Deutschland) tamin'ny nanohanantsika sy nankaherezantsika azy ireo tamin'iny World Championship Petanque natao teto Roma tamin'ny 18 ka hatramin'ny 21 septambra lasa teo iny.

Ry namana diaspora malagasy ao Italie, Allemagne, France,

Amin’ny anaran’ny Fédération Malagasy Sport Boules - FSBM sy ny delegasiona malagasy manontolo niatrika ny fifaninanana izay ho tompondaka eran-tany ny taranja tsipy kanetibe 2025 tao Rome Italie, dia maneho fankasitrahana sy fisaorana feno fitiavana ho anareo izahay, noho ny fanohanana tsy nisy toy izany nataonareo nandritra ny fifaninanana maneran-tany tao Rome Italie izay naharitra efatra andro.

Nandritra ireo efatra andro feno fifaninanana sy fientanentanana ireo, dia teo foana ianareo naneho fanohanana, naneho hafaliana, ary nampahery ny atleta tsirairay avy. Ny fanohanana sy ny hafanam-ponareo dia niteraka herim-po sy faharisihana ho anay rehetra.

Mankasitraka izahay tamin’ny hatsaram-panahy nasehonareo tamin'ireo fanomezana, ireo sakafo nomaninareo, ireo fitiavana, ireo fahavononana hanohana anay.

Saingy mihoatra lavitra noho izany rehetra izany, ny fitiavan-tanindrazana, ny firaisam-po nentinareo no tena nanohina anay. Tsy hita pesipesenina ny soatoavina nentinareo sy ny fanampiana natolotrareo.

Misaotra tamin’ny fandraisana sy fanomezan-tànana. Misaotra tamin’ny fanoloran-tena sy ny fitiavana. Ianareo no fianakaviana sy hery nanohana anay.

Tsy ho adinoinay mihitsy ity fifaninanana ity, tsy noho ny vokatra azo ihany, fa indrindra noho ianareo sy ny hafanam-ponareo.

Misaotra indrindra tamin’ny fiarahana.

Ankitsim-po sy ankafanam-po lehibe indrindra no isaoranay anareo rehetra.

Ny delegasiona FSBM

 

Chère diaspora Malagasy d'Italie, d'Allemagne, de France,

Au nom de la Fédération Sport Boules Malagasy - FSBM et de toute la délégation malagasy pour le championnat du monde de pétanque 2025 à Rome Italie, nous tenons à vous adresser nos remerciements les plus sincères et les plus chaleureux pour le soutien exceptionnel que vous nous avez témoigné tout au long de ce championnat du monde de pétanque 2025.

Pendant les quatre jours intenses de compétition, vous avez été présents à nos côtés, du premier au dernier moment. Vos encouragements constants, votre énergie communicative, vos sourires et vos chants ont résonné dans les gradins et dans nos cœurs. Vous avez porté nos athlètes, moralement et humainement, et cela a fait toute la différence.

Nous avons été touchés au plus profond par votre générosité. Les cadeaux offerts, les repas partagés, les collations préparées avec soin, et tous ces gestes simples mais si pleins d’amour nous ont rappelé que, même loin de la terre natale, l’esprit de solidarité, d’amitié et de fraternité reste plus vivant que jamais.

Au-delà du soutien matériel, c’est surtout l’amour de la patrie, la chaleur humaine, et le sens du service que vous avez manifestés qui nous ont le plus marqués. Votre présence à nos côtés a été un véritable pilier. Ce que vous avez accompli pour nous, en toute discrétion mais avec tant de cœur, est inestimable.

Merci pour votre accueil, votre engagement et pour avoir représenté si fièrement nos valeurs communes. Vous avez été une famille pour nous, une force invisible mais bien réelle. Grâce à vous, cette compétition restera gravée dans nos mémoires non seulement pour ses résultats, mais surtout pour l’amour et la solidarité que nous y avons trouvés.

Avec toute notre gratitude et notre profonde reconnaissance,

La délégation FSBM

 

 

 

Amin'ny fo feno alahelo no hampandrenesana antsika fa nodimandry alina i dadatoa Dany Rajaobelina, izay maro dia maro amintsika no mahay azy eto Roma, indrindra tamin'ireny vazivaziny nampitsiky sy naha-latsaky ny hehy antsika rehefa misy fihaonana ireny.

Mbola eo am-pandaminana ny fianakaviana ka holazaina eto ihany ny fandaharam-potoana rehetra.

Maneho fiombonana alahelo aminareo mianakavy izahay ry totoa Léa, Faniry mianakavy, Antsa mivady, Ifaliana mianakavy, ny fianakaviana ao Ciampino. Ary mankahery ny fianakaviana manontolo.

Misaotra dadatoa Dany tamin'izay natolotrao anay teto. Tsy ho hadinonay ny vitanao sy io endrikao mpananihany anay io.

Vita ny hazakazakao ka milamìna ao amin'ny torimasonao mandrakizay.

 

 

 

 

 

Ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina Malagasy eto Roma dia manasa antsika hiaraka hiombom-bavaka amin'ny alahady 24 Martsa ho avy izao ho fahatsiarovana ny zava-nitranga tamin'ny 29 martsa 1947, 
hanomboka amin'ny 3 ora tolakandro ka hatramin'ny 5 ora sy sasany hariva ao amin'ny eglizin' i San Macuto, via del Seminario 120.

 

Indro ampitaina amintsika ny fanasana ho anareo any Milano sy ny manodidina ny amin'ny fankalazana ny faha-63 taona nahazoana ny Fahaleovantena, izay hatao  ny 24 jona 2023 manomboka amin'ny 7 ora sy sasany hariva (ore 19.30) ka hatramin'ny 2 ora maraina (ore 2.00) ao amin'ny viale delle Industrie 17 - Settala (MI).

Samy mitondra sakafo sy zava-pisotro fa ny fidirana kosa dia 15 euro. Ilaina ny famandrihan-toerana alohan'ny 10 jona ho avy izao amin'ireo laharana finday amin'ny peta-drindrina. 

Ampitampitao dia tongava maro !

 

Hoy ny Tompo maniraka : "Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra." (Marka 16:15)

Araka izany dia manasa anareo izahay Antoko mpihira ato amin'ny Fiangonana Protestanta Malagasy eto Roma ho tonga amin'ny Fitoriana an-kira izay ataonay ny

alahady 12 Febroary 2023 ho avy izao, manomboka amin'ny 2 ora tolak'andro tsy diso
ao amin'ny  via Maurizio Quadrio, 23 (Monteverde)

Hisy ny fotoam-bavaka arahina fandraisana fanasan'ny Tompo mialoha ny fotoana iarahana amin'ny Mpanompon' Andriamanitra Pastora Tahina Rahandrifenosoa [Marka 16:15 - Pst Tahina]

Manantena anareo ho tonga maro izahay. Sitrakay raha mba ilazanareo koa ireo tsy nahare ity fanasana ity. Mankasitraka.

 

Am-pitiavana be no hanasan'ny Fikambanana "Fraternità Malgascia" antsika rehetra hiaraka hanao veloma ny taona 2022 sy handray am-pifaliana ny taona vaovao 2023 miaraka amin'i Elodie, sy Anderson Jaojoby ary Charline Mboty izay efa samy tao amin'ny tarika Jaojoby.

eny amin'ny via Attiglio Begnini, 7 eto Roma (mifanatrika amin'ny Palazzo Terna) 
ny 31 desambra 2022 manomboka amin'ny 9 ora alina (ore 21).

Saram-pidirana : 25 euros. Ny laharana finday hahazoana fanazavana fanampiny dia efa misoratra amin'io peta-drindrina io avokoa.

Ilazao izay tsy mbola nahare dia tongava maro.

 

Sambany tokoa isika eto Italie vao nandray anjara tamin'itony Fifidianana izay Ampelasoa zanak'i Madagasikara atý am-pielezana itony, hetsika izay karakarain'ny "Association Dera France". Tamin'ny asabotsy 17 septambra teo no nanatontosana izany, ary narahana fampisehoana nataon'io Big MJ.

Andriambavilanitra 5 no nandray anjara ka i Éléonore Gadini no nandrombaka ny satro-boninahitra sy handeha hisolo tena ireo ampelasoantsika any amin'ny dingana rehetra manaraka.

Koa am-pifaliana no iarahabana azy ary mirary soa ho azy satria tsy hoe fifaninanana amin'ny hatsaran-tarehy sy bika fotsiny moa izy ity fa misy adidy koa iandraiketana rehefa tonga amin'io toerana io. 

#alefaÉléonore !

[Sary vitsivitsy ato amin'ny TAHIRINTSARY.]

Ny sary vitsivitsy ho fahatsiarovana dia efa nalahatra  ATO

***********************

Ny zanaka aman-jafiny sy ny fianakaviana manontolo
dia maneho fisaorana sy fankasitrahana feno tamin’ireo fanehoam-pitiavana sy fiaraha-miory nasehonareo
havana, tapaka sy namana, mpianakavin’ny finoana sy ireo rehetra tonga nidodododo,
naneho tokoa fa tompony niara-nizaka ny fahoriana ianareo
tamin’ny namoizan’izy ireo ny hava-malalany :

Neny Dokotera Juliette RASOARIVONY

Nahatsiaro tena tsy irery ny fianakaviana, fa nanana tokoa nanana anareo nanotrona sy nanohana tamin’ny fomba maro samihafa,
na teny amin’ny “Camera mortuaria”, na nandritra ny fanompoam-pivavahana sy fotoana manokana nampaherezana ny fianakaviana.

Ilay Andriananitra manan-karem-pahasoavana anie hamaly fitia anareo,
ary ialàna tsiny indrindra ho an’ireo tsy tratra antso noho ny hafenoan-dranomaso be loatra.

 

 

 

Manjombona vao miandoha taona indray ny lanitrantsika eto Roma fa namoy an'i neny Juliette, renin'i Lova sy Andry, isika omaly talata 25 janoary tolakandro.

Maro no mahalala azy satria reny teo anivon'ny diaspora foana izy nandritra izay fotoana rehetra izay, reny tao amin'ny Fiangonana Protestanta eto Roma ary efa filohan'ny Fiombonan' ny Fiangonana Kristianina Malagasy atý Italia.

Misimisy ihany koa ianareo no nahalala azy fony izy dokotera mpitsabo teny Mahitsy satria nony nisotro ronono izy vao tonga namonjy azy mianadahy zanany tatý.

Araka ny fandaminana dia ny zoma 28 janoary 2022 ho avy izao no hiondrehantsika farany eo anoloan'ny vatany mangatsiaka sy hanomezantsika voninahitra azy ao amin'ny Camera mortuaria, in via di Santo Stefano Rotondo 5, presso l'Ospedale dell'Addolorata, San Giovanni.  Adiny iray ihany no fotoana ananantsika amin'izany : manomboka amin'ny 11 ora maraina satria amin'ny 12 ora kosa no hidiana ny vata ary ho aterina eny amin'ny Crematorio, Cimitero Flaminio eny Prima Porta, Roma.

Ny alahady 30 janoary amin'ny 2 ora sy sasany tolakandro (ore 14.30) kosa, ao amin'ny fiangonana protestanta - Chiesa valdese - via IV novembre, 107 ny fotoam-bavaka hiombonantsika fo sy fanahy amin'ny fianakaviana. Ary mandritra izany no hanatanterahantsika ny adidy farany amin'i neny araka ny fomba malagasy.

Miombona alahelo ary mankahery tanteraka ny fianakaviana manontolo amin'izao fotoana mangidy izao. Neny niombonantsika izy ka tsy anareo irery ny alahelo sy ny fahoriana fa antsika mianakavy.

Ho maivana aminao ny tany ry neny ! Tongava soa eo anilan'ilay Ray izay notompoinao hatrany tetý cryingcrying

Tsy hay ny tsy haneho fisaorana feno fankatelemana antsika rehetra vory lanona omaly 12  desambra 2021 tao amin'ny efitrano malalaky  ny masoivohontsika eto Roma, niara-nisaotra an’i zoky Suzelin Ratohiarijaona mivady tamin’izay rehetra vitany ho antsika zanak’i Madagasikara am-pielezana atý Italia ary nanolotra ny veloma mandram-pihaona ho azy ireo amin’izao zareo hitodi-doha an-tanindrazana izao rehefa nahavita ny adidy nampiandraiketina azy teto. Na tsy afaka tonga aza aho fa mbola anatin’ny gripa be dia faly tokoa naheno ny akony fa afa-po daholo isika rehetra.

Mankasitraka ny fahatongavanareo, na ny avy any amin’ny faritany lavitra na ny eto an-tanàna, sy ianareo tena nanam-paniriana ny ho avy saingy noho ny antony samihafa dia tsy afaka, fa raha nanomana aza izahay ka tsy namaly ny antso ianareo dia tsisy varany ihany.

Iny no tanteraka dia ny fifandrimbonantsika mianakavy ka mba avelao aho hanonona anarana vitsivitsy tamin’ireo nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka tokoa teo amin’ny lafiny rehetra :

- Satria mba tsy hanahiranana loatra antsika amin’ny fivezivezena dia nisy vitsivitsy nanolotra ny enti-manana tamin’ny nanaovana ny tsenan-tsakafontsika : Kiki Louis Limousine mianakavy, Lala sy Gianni any Milano, Roger Rasolomalala mianakavy, ny Fikambanana Tetezana onlus, ny Antoko Mpihiran’ny fiangonana protestanta malagasy eto Roma, Stène Rakotovao mianakavy,

- Dina Rakotoarisoa sy Ando Riantsoa ary ny ekipan’ny “Kal’Gasy” iray manontolo izay nitana ny familiana ny tao an-dakozia rehefa vita ny tsena,

- Radonavalona teo amin’ny famolavolana ny mofomamy nanamarihantsika fa tena mamy ny fiarahana tamin-dr’i zoky nandritra izay taona vitsivitsy izay,

- Ny teo amin’ny lafiny teknika nampafana iny lanonantsika iny : Hervé sy Ladiny teo amin’ny jiro sy zava-maneno ary ny fanentanana sy ny kenokenona tamin’ny sary sy hira,

- Ramatoa Mpiandraiki-draharaha ao amin’ny masoivoho nanokatra ny varavaran’ny “Tranobe iombonana” ka nahafahantsika nananteraka izany rehetra izany anio,

- Ianareo nifandimby tamin'ny lahateny feno fitiavana, nisolo vava anay rehetra,

- Ary indrindra indrindra isika rehetra rehetra faly nitotorebika tamin’ny hira sy dihy ho mariky ny fifaliana sy firaisampontsika, sady tsy nitondra tanam-polo fa mbola nivatsy izay zakanareo hatrany na sakafo na zava-pisotro niaraha-nizara tao.

Misaotra fa voatemitra haja sy voninahitra ny fiarahamonintsika. Mionera be ny laninareo rehetra ary afaha hasasarana ny rehetra.

Iny no tontosa dia Fitiavana daholo. Fitiavana namaliana ny Fitiavana nasehon’i zoky ho antsika teto, fa tena zoky be toa ray, tena zoky Raiamandreny tokoa izy mivady tamintsika.

Sitrakay sy telinay izay vitanareo ry zoky Suzelin sy zoky Hery ary tsy ho voavalinay fa Andriamanitra no hamaly izany aminareo. Mirary ny soa indrindra amin’izay adidy manaraka iandraiketanareo manomboka izao. Tongava soa an-tanindrazana ary samia velon’aina hifankahita soa hatrany ! Eto foana izahay ka aza misalasala mampandre raha sendra mandalo tanà-nahabe e !

 

Andry sy ny mpiketrika rehetra.

 

Ny sary sy horonana dia efa milahatra : ATO

 

Taorian’ny fifanintsanana voalohany sy faharoa natao tamin’ny telo volana lasa, dia tafita tamin’ny lalao famaranana ny Campionato Regionale Estivo - Esordiente B Maschio - eo amin’ny taranja Lomano, i Tsiorintsoa Lorenzo RATSIMANANDA, 11 taona, teraka teto Roma. Tamin’ny 29 jona lasa teo, teny amin’ny Stadium Pietralata (Roma) no nanaovana izany ary fifaninanana telo no nandraisany anjara ka nandrombahany medaly 3 :

  • medaly volafotsy 2 tamin’ny 100 metri Stile Libero sy 50 metri Stile Libero (crawl).
  • medaly volamena 1 tamin’ny 50 metri Farfalla (papillon).

Ankoatra izay dia nomontsaniny ihany koa ireo zava-bita tsara indrindra efa nisy. Vitany tanatin’ny :

  • 28”70 … ny 50 metri Stile Libero,
  •  32”00 … ny 50 metri Farfalla 
  • 1’05”00 … ny 100 metri Stile Libero

Grande e #alefaLorenzo ! Mitozoa dia misondrotà avo hatrany. Izahay koa mirehareha manana anareo ankizy sy tanora mitondra avo ny anarantsika malagasy.

Ampatsiahivina fa efa nisolo tena antsika Malagasy eto Italia tany amin’ny RNS tany Lyon koa i Lorenzo sy i Harena anabaviny tamin’ny taona 2018 ary nitondra medaly 3 nody tatý izy mianadahy : alimo ny an’i Harena teo amin’ny sokajy “Jeunes” ary volafotsy sy volamena ny an’i Lorenzo teo amin’ny sokajy “Pirina” tamin’izany.

 

Dia mba ampitampitampitao ho an'ny besinimaro azafady.

 

 

 

Manentana antsika Malagasy aty Italia ny masoivohon'i Madagasikara eto Roma mba handraisantsika anjara feno amin'ilay Fihaonamben'ny Malagasy aty am-pielezana, andiany faharoa, izay hatao amin'ny volana aogositra 2020 ao Antananarivo.

Ampitao ny hafatra ho an'izay tsy mahita ity.

Ny Masoivohon’i Madagasikara eto Italia dia mampita amin’ny teratany malagasy rehetra monina eto Italia fa manomboka ny FANAVAOZANA PASIPAORO ANDIANY VOALOHANY ho an’ireo pasipaoro NOMENA TAORIAN’NY TAONA 2014

Ireto avy ireo antotan-taratasy ilaina amin’izany ary afaka aterina mivantana eto amin’ny Biraon’ny Masoivoho eto Roma, manomboka ny 15 janoary 2020 ka hatramin’ny 02 febroary 2020 amin’ny 12 ora atoandro.

Marihina fa ny fanavaozana ny PASIPAORO IZAY NOMENA TAORIAN’NY 2014 IRERY IHANY no voakasik’ity filazana ity, hoampitain’ny Masoivoho miandalana amintsika ny momba ireo tranga hafa tsy voakasik’ity fampitam-baovao ity.

Amin'ny fo feno alahelo no ampandrenesana antsika fa lasa namonjy iny habakabaka iny omaly alahady 29 desambra 2019 ny namantsika Amédé RAKOTOARISON.

Hisy fotoam-bavaka hatao ho fialan-tsasatry ny fanahiny ny alarobia 1 janoary 2020 amin'ny 3 ora tolakandro ao amin'ny foiben'ny masoivoho, via Riccardo Zandonai 84. Aorian'izay no hanefana ny adidy farany aminy araka ny fomba malagasy, dia ny rambon-damban'ny maty sy fao-dranomaso ho an'ny fianakaviana.

Maneho fiaraha-miory tanteraka isika ary manolotra ny teny fampaherezana. Ho maivana ny diany, hahazo fiadanana ny fanahiny. 

"Tsy maty tanteraka izay nodimandry ho an'ireo tiany sy tia azy, hoy i Arsène Houssaye. Toy ny masoandro mody erý am-paratazan'ny ranomasimbe izy ka manohy  manapariaka hazavana midorehitra raha toa mitodika any aminy."

Jereo eto ny tahirintsary

​Laroim-bahona indray ny fiarahamonintsika zanaka am-pielezana atý Italia fa nandao antsika tampoka tamin'ny alahady 25 aogositra teo i dada Manoelina RATSIMANANDA, rain'i Rado sy Hery ary Mahefa.

Ny fianakaviana eto Roma dia manolotra fisaorana anareo rehetra niantso sy tonga nidodododo niombona alahelo ary nankahery azy ireo vao nahare ny fahalasanany.

Ny fiondrehana farany eo aminy sy ny fotoam-bavaka iarahantsika manolotra ho fialan-tsasatry ny fanahiny dia hatao rahampitso alakamisy 29 aogositra 2019 amin'ny 7 ora hariva ao amin'ny via Libero Tubino 2, Ciampino (ao amin-dr'i Mahefa) satria ny zoma maraina no hiala ao an-trano ka hoentina eny amin'ny seranam-piaramanidina ny nofo mangatsiakany hiandry ny fiaingany hody any an-tanindrazana.

Mirary fiononana feno sy mankahery indrindra an'i neny Noëline, vady navelany, sy izy telo mirahalahy zanany, ireo zafikeliny ary ny fianakaviana manontolo. Ho maivana ny dian'i dada hamonjy iny habakabaka iny.

Ity no sary ahatsiarovantsika azy sy ny tsikitsikiny sy ny hirahira niarahana taminy tao amin'ny foiben'ny masoivoho nandritra ilay korana ho fisaorana an'i zoky Dama mivady tamin'ny 10 aogositra lasa teo. 

 

Manolotra avy hatrany ny fialan-tsiny tanteraka amin'ireo tsy tratr'antso tamin'ity korana kely ity izay natao hisaorana ny Zoky Raiamandrenintsika, andriamatoa Dama Rakotondrasedo mivady, satria amin'ny naha "surprise" azy dia tsy afaka natao resaka imasom-bahoaka ilay izy tao amin'ny facebook izay sehatra iray tena manamora ny fampitam-baovao, na tamina vondrona mailaka satria izy mivady dia samy mandray hafatra amin'ireny.

Voatery nanoratana tsirairay izay tratra, nilazana hoe tongava ao amin'ny ambassade daholo amin'ny sabotsy 10 aogositra fa hiaraka hisaotra sy hanao veloma mandra-pihaona an'i Zoky Dama mivady isika izay hody any an-tanindrazana tsy ho ela intsony rehefa nahatontosa ny adidiny, niahy antsika teto Italia nandritra ny 15 taona. Ny fanafatrafarana mba samy hitazona tsiambaratelo moa dia totoafo mihitsy.

Ny alahady maraina dia efa nanoratra i zoky Dama niangavy hoe : "ampitao amin'ny rehetra ny fisaorana sy fankatelemena." 

Izahay mpiketrika koa dia misaotra anareo rehetra, indrindra izy mirahavavy zanak'izy ireo izay tena tompon-kevitra tamin'ity hetsika ity. Misaotra nahatana tsiambaratelo, nampitampita ny hafatra.
Misaotra anareo rehetra tonga, na ny teto Roma na ny avy any amin'ny faritra, sady tena mari-potoana daholo tokoa, tonga aloha be mihitsy aza satria efa folo hafatra hoe mila tonga alohany isika fa isika no handray azy.

Misaotra tamin'ny anjara birikin'ny tsirairay nahatontosana iny fotoana nahafinaritra loatra iny. Raha tsy namaly ny antso manko ianareo dia ho herim-po very maina ilay ketrika. Ny hafatrareo naniry ho tonga saingy tsy afaka noho  ny antony samihafa dia efa nampitaina tamin'izy mivady ihany koa.

Tam-pitiavana daholo no nanaovanareo ireny. Heni-kafaliana sy ampoka fitiavana izy mivady, ho tantely anondrahany ny ronono hosotroiny rehefa tonga soa any Madagasikara.

Dia mirary soa ry izy mivady. Ny vitanareo taminay tsy ho voavalinay fa rehefa mandalo tanàna ianareo dia vonona foana izahay hamatsy tantely. 
Arrivederci e grazie, ma veramente GRAZIE per tutto heart

 

Ny sary rehetra dia efa milahatra ao amin'ny tahirintsary : Fisaorana an'i zoky Dama mivady.

 

 

Rondro Volantsoa

 

 

 

Feno 15 taona tamin'ny volana mey ny nanosorona ho mpisoron'ny Avo an'i mompera Alain Velomaroson ka ny alahady 16  jiona teo, tao amin'ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo eto Roma, no nisafidianany hankalazana izany niaraka tamin'ireo namana sy tapaka sy ireo relijiozy rahalahiny sy anabaviny ao amin'ny Tompo.

Nifanandrify rahateo tamin'ny Fetin'ny Trinite Masina io andro io - ary tsy tanatin'ny kajy akory izany, hoy izy, fony izy nandinika ny daty hanaovana azy niaraka tamin'ny ray am-panahy mpiadidy ny Ankohonana - kanjo moa dia mainka  nanome lanja sy hevitra mafonja ilay andro lehibe. 

Isaorana tanteraka azy ny nanekeny hizara izany hafaliana sy fahasoavana izany tamintsika, na tamin'ny Sorona Masina nanomezana voninahitra an'Andriamanitra tamin'ny Fitahiany ka nahatratrarana ity fotoan-dehibe ity, na tamin'ny koranam-pianakaviana tsotra nefa feno hafanana sy fitiavana. Fenofeno tokoa ny fo nanotrona azy ary voarakitra anaty horonantsary izany mba ho fahatsiarovana mamy tsy ho hadino. 

Izy koa moa dia manolotra fisaorana ny rehetra niaraka niombom-po sy fanahy taminy, na ny lavitra na ny akaiky, na ny afaka nanotrona na ny nanam-paniriana ho avy saingy tsy afaka noho ny adidy aman-draharaha avy tsy maintsy niantsorohana.

Dia atolotra azy ny firariantsoa mba homen'Andriamanitra tanjaka sy fahasalamana hatrany ho entina manompo ao an-tsahaNy ao mandritra ny 15 taona manaraka sy ireo 15 rehetra mbola ho avy.

Hombam-pahasoavana hatrany !

 

(Ny sary vitsivitsy dia azo jerena ihany koa ato amin'ny : TAHIRINTSARY.)

 

 

 

 

Ny sabotsy 29 jiona 2019 manomboka amin'ny 5 ora hariva no  hanasana antsika rehetra amin'ny fankalazana ny fetim-pirenena ao amin'ny foiben'ny masoivoho, via Riccardo Zandonai 84, Roma.

 

Hanamarihana ny fahafolo taona nijoroan'ny Fikambanana "Malagasy Miray" sy ny faha-59 taona nahazoan'i Madagasikara ny fahaleovantena no hanatontosana ny "Giornata del Madagascar" fanao isan-taona any Torino ka hanasana antsika rehetra ny sabotsy 29 jiona 2019.

 

Takelaka