You are here

Vaovao

Ao anatin'ny fiaraha-miasa amin'ny Tetezana Madà, ny fikambanana Seniores ITALIA (Partner per lo Sviluppo Onlus) dia mikarakara fety fiaraha-mientana hanampiana ara-bola ny tetikasa "Ny bokiko no tokiko, arovako fa lovako".

Io tetikasa io dia mikasika indrindra ilay tranomboky mandehandeha (Bibliotèque mobile), isay mitondra boky mifindrafindra toerana mba hahafahan'ny ankizy eny amin'ny faritra mahantra mahazo ny anjarany amin'ny famakiana boky. 

Ny fotoana dia ny asabotsy 7 jiona amin'ny 4 ora tolakandro

Ao amin'ny “Villa Santa Rita” 

Via Tommaso Arcidiacono n°200 

Zona Fonte Meravigliosa/Vigna Murata

Ny fandraisana anjara dia 5 Euro.

Hafanain'ny Tarika KAMEMA

http://seniores-sedelazio.weebly.com/

Tel. : 06 4819540/ 06 4819541 

e-mail: info@senioresitalia.it

Hatao etsy amin'ny Piazza di San Giovani in Laterano amin'ny alahady 18 mey ho avy izao indray izany ny andiany faha-23 amin'ny Festa dei Popoli. 

Efa an-taona maromaro no nandraisan'i Madagasikara anjara tamin'izy ity, ary mbola tsy diso anjara ihany isika amin'ity indray mitoraka ity ka manasa antsika rehetra hifamotoana eny toy ny mahazatra manomboka amin'ny lamesa amin'ny 12 ora antoandro ao amin'ny bazilikan'i San Giovanni ka ny anjara litorjiantsika malagasy amin'ity taona ity dia ny ranombavaky ny mpino amin'ny tenintsika.

Miandry antsika ao amin'ny tranohevan'i Madagasikara ary ny Ankohonana katolika Victoire Rasoamanarivo izay nandray ny andraikitra amin'ity taona ity rehefa avy nanao izany ny Fikambanana Tetezana onlus tamin'ny taona 2012 ary ny mpikarakara ny vohikala Malagasy eto Italia tamin'ny 2013 ary hanentanana ny isan-tsokajiny amin'ireo taona manaraka satria antsika Malagasy iray manontolo izy io na dia ny Ankohonana katolika aza no misahana azy mivantana noho izy ity hetsika karakarain'ny Misionera Scalabriniani sy  ny Diosezin'i Roma izay miahy ihany koa ny paroasy katolikan'ireo hafa firenena monina eto.

Ny isan'ny nahafaly amin'ity taona ity koa dia ny fiverenantsika eny ambony lampihazo rehefa somary nandao sehatra isika teo alohaloha teo. Misaotra sahady ireo tanoran'ny Fikambanana "Fraternità Malgascia" hitondra avo ny vakoka malagasy.

Koa manentana ny rehetra ho tonga marobe fa andro fihaonana sy hiarahana mifaly ary hanehoantsika ny mahamalagasy antsika io. 

Ampatsiahivina fa afaka mitondra sakafo izay te hifampizara izany, afaka mividy sakafon'ireo firenena hafa ihany koa izay mirary tokoa ny vidiny.

Ny Fikambanana ara-kolotsaina "Mondo Gondwana" ao Brescia, izay ahitana solontenan'i Madagasikara, dia manasa ny rehetra, indrindra isika any amin'ny tapany avaratr'i Italie amin'ny andro iray atokan'izy ireo hanandratana ny kolotsaina sy taozavatr'ireo firenena mitambatra ao amin'ny Fikambanana dia i Mexique, Madagascar, Bangladesh ary Bielorussie.

Izany dia hatao ny sabotsy 10 mey ho avy izao manomboka amin'ny 10 ora maraina ka hatramin'ny 7 ora hariva ao amin'ny Centro Sociale, ao Toscolano Maderno (BS).

Mifampilazà ary tongava maro

PS : Toscolano Maderno dia ao amin'ny Provincia di Brescia, 40 Km avy ao amin'ny "Lago di Garda".

(Via Gardesana, Direzione  Limone e Riva Del Garda.
......Gardone Riviera - Salò - Toscolano Maderno - Gargnano - Limone)

Ampitampitao ho an'ny rehetra fa ny sabotsy 24 mey 2014, hanomboka amin'ny 9 ora alina dia hisy korana sy fampisehoana hahitana an'i WAWA izay  karakarain'ny Fikambanana "Gasy Tsy Manavaka"  ao via Sesia 10, Rozzano (Milano).

Iangaviana izay ho avy mba hampandre mialoha amin'ny laharana : 339 88 20 892

Ny Antoko Mpihira Victoire Rasoamanarivo Roma

Ho fanohanana ny Ankohonana Katolika Victoire Rasoamanarivo eto Roma
dia manasa anao hanatrika ny

Antsam-panahy arahin-tsakitsaky ny

alahadin'ny sampakazo 13 aprily 2014
amin'ny 2 ora sy sasany tolakandro
.
ao amin'ny Istituto Sacro Cuore, Via di Val Tellina 97, Roma.

Hanotrona azy amin'izany ny tarika KA.ME.MA (Kanto sy Mevan'i Madagasikara) sy ny Antoko Mpihira avy ao amin'ny Fiangonana Protestanta.

Fandraisana anjara 5 Euros

Misaotra antsika ary maniry ny fanohanantsika.

Fifandraisana: Rick 3396134409—Hery 3387442412

Il Coro Cattolico Malgascio Victoire Rasoamanarivo

per contribuire allo sviluppo della Cappellania Cattolica Malgascia a Roma
è lieto di invitarvi  al suo

Concerto di canti spirituali seguito da un rinfresco

La domenica di Palma 13 aprile 2014
alle ore 14.30
.
presso l’Istituto Sacro Cuore, Via di Val Tellina 97, Roma.

Ad accompagnarlo ci saranno anche il Gruppo KA.ME.MA (Kanto sy Mevan'i Madagasikara) e il Coro della comunità Protestante Malgascia.

Quota di partecipazione : 5 Euro

Vi ringraziamo in anticipo per il vostro supporto .

Am-pifaliana no hanasan'ny Fikambanana Fraternità Malgascia antsika hiara-hikorana eny amin'ny Selva Nera/Casalotti, via Gabriele degli Esposti 93, amin'ny alatsinain'ny Paka, araka ity fanasana eto ity.

Mifampilazà dia tongava maro.

Ireo izay maniry handray anjara amin'ny lalao kitra MONDIALIDO fanao isan-taona eto Roma dia hiangaviana mba ho tonga eny amin'ny Campo sportivo, via lago santo 23, amin'ny alahady 16 martsa izao amin'ny 3 ora  tolakandro tsy diso. Aorian'ny fanazaran-tena dia hisy fivoriana ho an'izay mazoto.
Izay mila fanazavana fanampiny dia afaka miantso an' i Hermann : 347-3271729
Ampitampitao !

Ho antsika eto Roma sy ny manodidina, 

hisy fialamboly hanasana antsika ity amin'ny alatsinain'ny Paka 2014 ity.

Izany dia hatao eny amin'ny pizzeria Re Grano eny Vitinia, via Lago Santo, 23.

Amin'ny 9 ora sy sasany maraina no hifamotoanana eny. Samia mivatsy sakafo sy tsakitsaky isankarazany, zavapisotro, hatramin'ny sakafo hariva mihitsy aza satria ny masoandro maty no hampalahelo eny. Afaka mitondra hena manta koa izay terem-panahy satria afaka manao barbecue.

Maro ny fialamboly azo atao amin'izany : lalao baolina kitra, volley ball, tennis. Misy toerana malalaka ho an'ny zaza madinika. Ao koa ny karaoke sy ny fandihizana efa mahazatra antsika manomboka ny tolakandro.

Ny fahatongavana eny dia Train Roma-Ostia raisina etsy amin'ny piazzale Ostiense na metro San Paolo na metro Magliana (direzione Ostia). Fiantsoanana hidinana dia Vitinia, ary avy eo misy bus mitondra miakatra eny via Lago Santo.

Izay mila fanazavana fanampiny dia afaka miantso an'i Hermann : 347-3271729 na i Misa : 380-3642453 na koa i Rado : 320-8890508.

Ampitampitao dia tongava maro

Amin'ny Finoana ny Fitsanganana amin'ny maty no hampandrenesana antsika fa nody any amin'ny Ray ny alatsinainy 3 febroary 2014 ny mpanompony

Charles RAJAOBELINA

Hoy :

- ny vadiny : Jeanne Rajaobelina

- ny zanany : Luciano Rajaobelina mivady sy ny zanany, Alessandro Torzoni mivady sy ny zanany. Toky Rajaobelina mivady sy ny zanany.

ary ny fianakaviana manontolo.

Ny fiondrehana amin'ny vatany mangatsiaka dia ao amin'ny Cappelle della Croce Bianca ao Arezzo.

Ny fanaovam-beloma azy farany dia ny alarobia 5 febroary amin'ny 3 ora tolakandro (15h) ao amin'ny eglizin'i Md Giuseppe Artigiano ao Arezzo.

Misaotra amin'ny vavaka ho an'ny fialantsasatry ny fanahiny.

Amin'ny alahady 12 janoary 2014 no atao ny fifampiarahaban'ny Malagasy rehetra eto Roma nahatratra ny taona ka eny amin'ny fiangonana Santa Maria Ausiliatrice no anaovana izany. (Piazza Santa Maria Ausiliatrice 54 - via Tuscolana). Hanomboka amin'ny 11 ora sy sasany ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana.

Hisy ny fifampizaràna sakafo sy korana kely toy ny mahazatra. Marihina fa samy mba mitondra sakafo izay zakany koa amin'io.

Ny fomba hahatongavana eny amin'io toerana io, raha mandray Bus 85 eo Piazza Venezia dia miala eo anoloan'ny fiangonana mihitsy. Raha mandeha Metro A dia miala eo Furio Camillo na Colli Albani

Mappa: http://goo.gl/maps/efmwM

Ny Malagasy monina eto Roma sy ny manodidina na anaty fikambanana na tsia dia hiaraka hilanonana ao amin'ny ambassade malagasy hitsena ny taona vaovao. Tsy misy mikarakara manokana fa samy efa nandray sy mandray izay vitany sy izay tandrify azy. Ao ny manomana ny mozika, ao ny hanentana, ao ny nanomana sy nanadio ny trano, ny rehetra kosa dia samy hitondra ny sakafo sy tsakitsaky ary zava-pisotro sahaza azy izay hifampizarana.

Fetim-pianakaviana hiarahana sy hanehoana ny fiombonana aty an-tany lavitra aty.
Koa tongava raha resy lahatry ny fihavanana.
Samy ho tratry ny taona e.

Ny toerana dia ao amin'ny Masoivohon'i Madagasikara eto Roma ao amin'ny Via Zandonai 84/A (Roma)

Hanomboka amin'ny 8 ora sy sasany alina ny fotoana. Mifampilazà.

Takelaka