You are here

Vaovao

Faly manasa antsika hikorana indray ny FRA.MA (Fraternità Malgascia) amin'ny 18 jiona ho avy izao, manomboka amin'ny 3 ora tolakandro ka hatramin'ny 11 ora sy sasany alina. Ny toerana dia eny amin'ny efa falehantsika mahazatra : via Gabriele degli Espositi, 93 (Selva Nera - Casalotti).

Fandraisana anjara : 10 €

Mifampilazà dia tongava maro fa tsinjaka bevata miaraka amin'i Françoise ity !

Raha mila fanazavana fanampiny dia afaka miantso ny 3393321906 na 327 3636729 na 0774 798088.

An-kafaliana no iantsoana antsika Malagasy rehetra manerana an'i Italia mba hiaraka hiala voly kely ny tontoloandron'ny alahady 1er mey izao.

Samia mitondra sakafo hiaraha-mizara, indrindra koa hena manta ho atonontsika rehefa tolaka iny ny andro.

Toy ny fanaontsika manko dia mba mitsangatsangana isika rehefa toa izao saingy amin'ity dia tsy handeha lavitra isika fa eto an-tanàna, amin'ny tranobe iombonana  ihany : afaka mihira, mandihy, milalao karatra, mitafasiry sns.

Koa manantena hifankahita aminareo rehetra izany, ny avy eto Roma sy ny manodidina sy ianareo avy any amin'ny faritany : ao amin'ny masoivoho, via Riccardo Zandonai, 84 ny fotoana manomboka amin'ny 11 ora antoandro  ka hatramin'ny 8 ora alina eo ho eo. 

Mifampilazà

Raha mila fanazavana fanampiny dia antsoy i Andry : 3471432921 na e-mail : andry@tetezanaonlus.org

Araka ny fanambarana azo avy any amin'ny masoivohon'i Madagasikara dia hisy ny fanavaozana passeport ho an'ireo izay manana passeport lany daty amin'ity taona 2016 ity. Ka amin'ny 20-21-22 mey izao no hanaovana izany ao amin'ny masoivoho araka ny filazana eto ambany sy araka ny voalaza ao amin'ny site-n'ny ambassade www.ambamad-roma.it 

http://www.malagasy.it/downloads/document/get/formulairepasseport.pdf

Araka ny nampitaina taty aminay dia mikarakara Lundi de Pâques ny fikambanana TeFi (Terak'i Fianarantsoa) ka any Subiaco no hanaovana izany izay anasàna ny malagasy rehetra eto Roma sy ny manodidina. Ny toerana dia ao akaikin'ny Fiangonana San Francesco (Via San Francesco)

Misy Bus Cotral miala eo Ponte Mammolo amin'ny 9 ora sy sasany sy amin'ny 11 ora. Ary ny fiverenana dia misy bus miala avy any Subiaco manomboka amin'ny 3 ora sy sasany. Ny frais amin'ny bus dia 3,90 Euro
Fanazavana fanampiny: Tel: 3312134989 (M. Stène)
Dia any mihaona izany

Ny zoma 4 martsa teo no natao teny amin’ny foiben’ny Fikambanana Mais Onlus ny fihaonana "Da Malgasci in Madagascar a Malgasci in Italia", nampahafantarana antsika Malagasy eto Italia. Azo atao hoe andiany faharoa izy io, raha tamin’ny volana jiona tamin’ny taon-dasa no efa nisy ny voalohany. Ny fikambanana Tetezana Onlus sy ny mpikarakara ny vohikala Malagasy eto Italia hatrany no isan’ny namolavola azy ity, ary natao teo ambany fiahian’ny Consiglio Regionale del Lazio sy ny Masoivohon’i Madagasikara eto Roma.

Andro fiasana no nanaovana azy ity ka somary nanahirana ny maro ny tonga teny an-toerana satria samy sahirana amin’ny asa fivelomana sy ny adidy aman’andraikitra avy ny tsirairay, fa isaorana indrindra ireo nanao ezaka lehibe tamin’ny fanomanana sy fandraisana anjara ary fanotronana fa tsy nitsanga-menatra isika. Fisaorana no atolotra anareo rehetra, kanefa singanina manokana fa vovonana iadian'ny lohany ny Ray am-panahy, mompera Pierre Emile Rakotoarisoa, avy amin’ny Ankohonana katolika Victoire Rasoamanarivo, ary ny solotenam-panjakana avy ao amin’ny Masoivoho eto Roma, izay notarihin’andriamatoa Dama Rakotondrasedo, Mpiandraiki-draharaha, a.i (mpisolo toerana), ankehitriny.  

Ankoatran’ny firesadresahana momba ny fiampiainantsika Malagasy eto Italia dia nandray fitenenana tao koa i Guilio Querini, mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo sady mpanoratra, nampahafantatra ny asa-sorany “Sotto il cielo del Madagascar”.

Ary teo am-pamaranana, mialoha ny fialana hetaheta sy sakafo malagasy natao ody am-bavafo dia nahaliana ireo vahiny ny fanazavana nentin’i Hervé Donatien, mpamorona  ny tarika artistika KA.ME.MA (Kanto sy Mevan’i Madagasikara) : “zava-dehibe amin’ny Malagasy, hoy izy, ny Fireneny na efa mahatsiaro milamina aza ny fiainany aty an-tanin’olona aty hany ka mitodika amin'ny Fireneny hatrany izy, toy ny firaiketam-pon’ny zanaka amin’ny reniny satria ny Firenena amin’ny teny malagasy dia avy amin’ny foto-teny hoe Reny.”

Mamerina fankasitrahana hatrany antsika rehetra, na ny tonga na ny naniry ho avy saingy voatanan’ny adidy isan-tsokajiny. Manantena anareo hatrany eo aoriananay amin’izay ezaka mbola hataonay hampahafantatra an’i Madagasikara.

Ny sary vitsivitsy dia efa nalahatra ATO

Ny zoma 4 martsa teo
no natao teny amin’ny foiben’ny Fikambanana Mais Onlus ny fihaonana "Da Malgasci in Madagascar a Malgasci in Italia", nampahafantarana antsika Malagasy eto Italia. Azo atao hoe andiany faharoa izy io, raha
tamin’ny volana jiona tamin’ny taon-dasa no efa nisy ny voalohany. Ny fikambanana Tetezana Onlus sy ny mpikarakara
ny vohikala Malagasy eto Italia hatrany no isan’ny namolavola azy ity, ary natao teo ambany fiahian’ny Consiglio Regionale del Lazio sy ny
Masoivohon’i Madagasikara eto Roma.

Andro fiasana no
nanaovana azy ity ka somary nanahirana ny maro ny tonga teny an-toerana satria samy
sahirana amin’ny asa fivelomana sy ny adidy aman’andraikitra avy ny tsirairay, fa
isaorana indrindra ireo nanao ezaka lehibe tamin’ny fanomanana sy fandraisana
anjara ary fanotronana fa tsy nitsanga-menatra isika. Fisaorana no atolotra anareo rehetra, kanefa singanina manokana fa vovonana iadian'ny lohany ny Ray am-panahy, mompera Pierre Emile Rakotoarisoa, avy
amin’ny Ankohonana katolika Victoire Rasoamanarivo, ary ny solotenam-panjakana avy ao amin’ny Masoivoho eto Roma, izay
notarihin’andriamatoa Dama Rakotondrasedo, Mpiandraiki-draharaha, a.i (mpisolo
toerana), ankehitriny.  

Ankoatran’ny
firesadresahana momba ny fiampiainantsika Malagasy eto Italia dia nandray fitenenana tao koa i Guilio Querini, mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo sady
mpanoratra, nampahafantatra ny asa-sorany “Sotto il cielo del Madagascar”.

Ary teo am-pamaranana,
mialoha ny fialana hetaheta sy sakafo malagasy natao ody am-bavafo dia nahaliana
ireo vahiny ny fanazavana nentin’i Hervé Donatien, mpamorona  ny tarika artistika KA.ME.MA (Kanto sy Mevan’i
Madagasikara) : “zava-dehibe amin’ny Malagasy, hoy izy, ny Fireneny na efa
mahatsiaro milamina aza ny fiainany aty an-tanin’olona aty hany ka mitodika amin'ny Fireneny hatrany izy, toy ny firaiketam-pon’ny
zanaka amin’ny reniny satria ny Firenena amin’ny teny malagasy dia avy amin’ny foto-teny
hoe Reny.”

Mamerina
fankasitrahana hatrany antsika rehetra, na ny tonga na ny naniry ho avy saingy
voatanan’ny adidy isan-tsokajiny. Manantena anareo hatrany eo aoriananay amin’izay
ezaka mbola hataonay hampahafantatra an’i Madagasikara.

Ny sary vitsivitsy dia efa nalahatra ATO

Ny fikambanan-drelijiozy Maestre Pie Venerini eto Roma dia manasa antsika mianakavy hanotrona ny takarivam-pikoranana karakarainy miaraka amin'ny Fikambanana "Una Goccia per il Madagascar", ny alahady 7 febroary ho avy izao manomboka amin'ny 5 ora sy sasany hariva ka hatramin'ny 8 ora alina eny amin'ny via Giuseppe Gioacchino Belli, 31 (ambadiky ny Piazza Cavour, metro Lepanto).

Fotoana hifampizarana hafaliana io ka tongava maro, ilazao ny rehetra !

Ho an'ireo izay tsy afaka ho tonga kosa dia misy hafatra ho antsika ity avy amin'i Sr Alphonsine :

Cari amici!

vi mandiamo questi inviti,  chi non può venire potete partecipare ugualmente  versando i vostri partecipazione tramiti BANCA OPPURE POSTA

BANCA: IBAN IT 57 P 0200803298 0000400332223
POSTA: C/C n. 15231004
Causale: MISSIONI MAESTRE PIE  VENERINI (MADAGASCAR)

I biglietti della lotteria potete prendere il giorno 7 febbraio oppure alle suore a Casa Madre oppure chiamatemi cosi conservo quello che volete. Il mio numero è 3341238239

Sr Alfonsina e tutto il gruppo
A presto!

Faly miarahaba antsika rehetra havana indray e ! 
Indro alefa aminareo ny fanasana ho an'ny fetin'ny ankohonatsika amin'ny alahady 25 oktobra 2015 ho avy izao, araka ny efa voalaza tany am-piangonana tamin'ny alahady lasa teo.

Toerana: Via dei Crispoliti 25 (Metro B, Pietralata, paroasin'i P. Alain)

Fahatongavana amin'nby 10 ora, Lamesa amin'ny 11 ora.

Samia mitondra sakafo sy zava-pisotro. 

Ialàna tsiny ny fahataran'ny filazana an-tsoratra eto e !

Aza hadino, toy ny mahazatra ny mampita avy hatrany ny hafatra rehefa avy mamaky azy ! 
Hararaoty ny fahakingan'ny fitaovana efa misy sy ampiasaintsika isan'andro.

Am-pifaliana tokoa ny hiarahabana sy handraisan-tànana an'i Edith Jaomazava, Andriambavilanitry ny lavanila, nandray ny mari-pankasitrahana "Donne che ce l'hanno fatta" tao Milano omaly sabotsy 26 septambra 2015. Mirary azy hisondrotra hatrany hatrany eo amin'ny sehatra ilofosany.

Misaotra ireo tonga nanotrona azy, ary manolotra fisaorana manokana an'i zoky Dama Rakotondrasedo, Raiamandreny ao amin'ny Masoivoho sy i Isabella De Maddalena, namana akaiky an''i Edith nanolotra ny sary zaraina amintsika.

Dia mampatsiahy sy manentana antsika hatrany koa ho avy amin'ilay Andro natokana ho an'ny lavanilan'i Madagasikara amin'ny 3 oktobra ho avy izao araky ny vaovao efa napetraka ATO.

Sary fahatsiarovana : Edith  notolorana mari-pankasitrahana tao Milan.

Ny Fikambanana Malagasy Miray (MA.MI) ao Torino dia manasa ny rehetra amin'ny fihaonana ara-koltoraly, karakarain'ny paroasy San Luca ao Torino, ary handraisan'izy ireo anjara mba hampahafantarany an'i Madagasikara, ny alahady 11 oktobra ho avy izao, manomboka amin'ny 4 ora tolakandro araka ity fanasana ity.

Isaorana koa isika ho avy hanotrona mba hanao fitafiana maneho ny maha-malagasy antsika.
Ankasitrahana ny famandrihana amin'ny adiresy malagasimiray.turin@libero.it  alohan'ny 2 oktobra.

Tongava maro miaraka amin'ny havana sy namana rehetra.

Toy izao ny hafatra nampitaina taminay ka samia mandray ny tandrifiny azy.

"Ampitaina aminareo Malagasy am-pielezana any Italie ny Fankasitrahana avy amin'ny Governemanta malagasy noho ny hetsika izay nataonareo nandritra ny "Expo Milan 2015".  Grazie." 

Tsy hoe tapitra tamin'ny 13 aogositra teo iny akory ny fampahafantarana an'i Madagasikara eny amin'ny Expo 2015 any Milan. Mbola afaka mitsidika ny tranohevantsika hatrany isika hatramin'ny faran'ny volana oktobra.

Ary satria momba ny sakafo no tena fotokevitr'ity hetsika lehibe ity, dia tsy ho diso anjara amin'izany ary ny lavanila, izay isan'ny harena ireharehantsika malagasy. 

Koa entanina indray isika rehetra hanotrona ny fampirantiana sy atrik'asa "Vaniglia bourbon del Madagascar" izay ho tontosain'i Edith Jaomazava, Andriambavilanitry ny lavanila eto Italie, amin'ny  sabotsy 3 oktobra ho avy izao amin'ny 4 ora tolakandro, ao amin'ny tranohevan'ny "Slowfood" (farany atsinanana amin'ny Decumano). Izany dia hiarahany amin'ny "scuola di cucina internazionale IFSE" sy ny zaza rehetra ao amin'ny Expo amin'io andro io : hiaraka hanamboatra sy hanandrana ny glasy vita amin'ny lavanila avy any Madagasikara...

Manasa ary e, taomy ny tapaka sy namana na vahiny na tompon-tany ! 

Takelaka