You are here

Vaovao

Mampilaza ny malagasy rehetra izahay fa ny faha-50 taonan'ny Fahaleovantenan'ny MADAGASIKARA dia hankalazaina ao CRAZY DANCE LISSONE via
monza 7
(Milan) izany fetim-pirenena izany, manomboka amin'ny fito ora hariva (19h00)
ary
mitohy mandra-maraina.

Ny fandraisana anjara dia 5 euro isan'olona ary mitondra
tsakitsaky sy zava-pisotro izay tiana ;

Izay latsaky ny 15 taona dia tsy mandoa fidirana.

Ny fanazavana fanampiny dia azo angatahana amin'ny : tel 339 819 53 97.

Tonga amin'ny andiany faha-19 izao ny "Festa dei Popoli" izay nomena
ny lohahevitra hoe "Roma, una tenda per l'incontro". Efa
efa-taona izao no nandraisan'i Madagasikara anjara amin'izany amin'ny alalan'ny Ankohonana katolika.

Dia eo
ambany alokaloky ny bazilika San Giovanni in Laterano indray izany isika
mianakavy ny alahady 16 mey 2010 izao no hifamotoana amin'ireo vahoaka
marobe avy amin'ny vazan-tany efatra hankalaza ity andiany 2010 ity.

Toa
izao ny fandaharam- potoana :

- Sivy  ora (09h) ny fanokafana: toy
ny fitsidihana ny stand, ny kilalao maro isan-karazany sy ny
fifanakalozan-kevitra isan-karazany.
- Amin'ny roa ambin'ny folo ora (12h) ny
fanombohan'ny lamesa ao @ Basilika S. Giovanni in Laterano, ka
iangaviana
isika mba ho tonga antsasak'adiny mialoha.
- Amin'ny iray ora (13h), fanandramana
ireo karazan-tsakafo nentin-drazan'ny firenena izay mandray anjara
@'izany.
- Amin'ny telo ora (15h), manomboka ny
fampisehoana ireo vakoka izay maha-izy ny firenena tsirairay avy.
- Amin'ny enina hariva (18h) fisarihana
ny loteria miaraka.
 
Ireo ny fandaharana handraisan-tsika anjara dia:
- Ny stand, i Mr Rado no
tompon'andraikitra
- Hira "Fiadanana" mandritry ny
lamesa, i P.Nicolas no tompon'andraikitra
- Dihy malagasy ny hariva izay
hiandraiketan'i Mr. Deszo
Tongava maro ary mifampilazà

Mamangy anareo ao amin'ny Tompo! Ho aminareo anie ny Fiadanany!
Ampandrenesina
isika Malagasy sy namana ary havana rehetra ao amin'ny Tompo eto Italia
fa nodimandry halina teto Roma, teo am-pandidiana azy i P. Hajatiana

Rolland, ocd
na Karma, 36 taona, pretra tamin'ny taona 2003. Avy any
Arivonimamo ny fiaviany.
Mianatra Baiboly ary efa 3 taona eto izy
izao, ary mitana
andraikitra ao amin'ny Paroasy Santa Teresa, Corso Italia dia izao
nindaosin'ny fahafatesana izao ka hody any amin'Ilay Nanao antsika.
Tokony
efa hamarana amin'ity taona ity ny Maitrise ataony ny tenany.
Mirary
faherezana ho an'ny rehetra, indrindra ireo rahalahy Karma manontolo.

Mbola
miandry ny fandaminana rehetra sy ny programa
.Hatokantsika ho azy ny Sorona Masina amin'ny
alahady 02 may ho avy izao
,amin'ny
10 ora tsy diso, eto amin'ny via del Seminario, 120
.

http://www.victoire-rasoamanarivo.it/forum/message/m4bd93fb4be81a  )

Veloma
vetivety ao amin'ny Tompo!

P. Benirina, sj

(fony izy nampisalotra ny akanjo maha-diakra azy an'i Fr Sandy - taona 2008)

Ny Fikambanan'i Jesoa sy ny "Collegio Internazionale del Gesù" ary ny "Collegio San Roberto Bellarmino",

dia faly manasa ny rehetra hanotrona ny fanosorana ho Diakra an'i:

Francesco Citarda (Italia)

Tomasz Fiedler (Polona)

Marc-Stephan Giese (Alemaina)

Eduard Lòpez Hortelano (Espana)

Luis Arturo Macias Medina (Meksika)

Alan Modric (Kroazia)

Krysztof Nowak (Polona)

Jean de Dieu Rakotoarison (Madagascar)

Antònio de Magalhaes Sant'Ana (Portogalo)

Felix Schaich (Alemaina)

Nicolas Steeves (Frantsa)

José Christophe Zakavelo (Madagascar)

izay atao ny talata 6 aprily 2010 amin'ny 4 ora tolakandro ao amin'ny Chiesa di Gesù, Roma.

Ny Sorona masina lehibe dia hotarihin'i S.E Mgr Luis Francisco LADARIA, arsevekan'iThibica.

Noho ny fanentanan’ny Dossier Statistico Immigrazione
Caritas/Migrantes 
niaraka tamin’ny Provincia di Roma, Camera di Commercio di Roma, ireo fikambanana  “Fraternità malgascia”, “Zanak’i Gasikara”
ary “Tetezana”, ary ny  fiombonan’ny
mpivavaka katolika sy protestanta
, dia tontosa tamin’ny alakamisy 28
janoary 2010 teo ny Fihaonana natokana hampahafantarana ny vokatry ny
fikarohana natao momba ireo Malagasy monina eto Roma sy any amin’ny faritany .

Nahavelom-bolo ny Fihaonana raha ny habetsahan’ny olona tonga nanatrika,  150 teo no ho eo (Malagasy ny an-tsasany), sy
ny hafonjan’ny hevitra nentin’ireo mpandray anjara nandray fitenenana nandritra
ny adiny roa mahery kely.

Ny solontenan’ny Caritas diocesana di Roma, Enrico Feroci, talen’ny MSR teny am-piandohana no
nanamafy ny lanjan’ny  “fifanakalozan-kevitra ara-koltoraly” (dialogo
interculturale)
 eo amin’ireo mpiavy
sy ny firenena mampiantrano.

Avy amin’ny  Ministeran’ny Atitany, dia D.ssa Mariagrazia Colosimo no naneho ny fahavononan’ny  tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny ministera  hihaona mivantana amin’ireo vondrom-bahoaka
tsy mbola fantatr’izy ireo ; nanome fanazavana sy torolàlana  ihany koa izy ny amin’ny fomba hahazoana
fanampiana atolotry ny Tetibola Eoropeana natokana ho mba hahatsara tombina ireo
mpifindra-monina

Bruno Fusciardi,  izay
nanatontosa ny fikarohana momba ireo Malagasy kosa no nanazava fohifohy toa
izao ny vokatry ny fanadihadiana :  maro
an’isa ny vehivavy (mihoatra ny 70%), maro ireo tanora (latsaka ny 40 taona),  ambony ny faripahaizan’ny ankamaroan’ireo
tanora malagasy  eto kanefa  manao asa  sy mandray karama tsy mifanentana amin’izany izy ireo (ny maripahaizana
malagasy rahateo tsy eken’ny Fampianarana italianina),  Ankoatra izay dia hita taratra  tamin’ny fanadihadiana koa fa manan-danja eo
amin’ny Malagasy ny “Aina” sy ny “Fihavanana” (Atolotra eto ihany ny vokatra
feno tamin’izany fanadihadiana izany)

Massimo Guidotti, nisolo tena ny  Assessore alle Politiche Sociali della Provincia di Roma, no
nampahafantatra ny tetikasan’ny  “Provincia
di Roma” momba ny fifindra-monina sy  izay
hahatafa tombina tsara ireo mpiavy, na eo amin’ny lafiny ara-koltoraly izany na
eo amin’ny lafiny ara-toe-karena, ka ohatra noraisiny tamin’izany ny vokatsoa
nateraky ny  tetikasa “Impresa Senza
Frontiere” vao haingana izay , natao hanampiana ny mpifindra-monina amin’ny
fananganana orinasa madinika sy fanohanana izany

Lorenzo Tagliavanti  avy ao
amin’ny Confederazione Nazionale Artigianato (CNA) e Piccole e Medie Imprese kosa no niresaka momba ny anjara biriky entin’ny mpifindra monina ho an’ny toe-karena
italianina, indrindra eo amin’ny sehatry ny orinasa madinika sy ny asa-tànana
ka namafisiny tamin’izany ny toromarika napetraky ny CNA momba ny
fampandrosoana sy fanohanana ireo amin’ny  fomba maromaro toa ny  “microcredito” ohatra ireo  orinasa vaovao natsangan’ny mpifindra monina .

Augusto Venanzetti avy amin’ny Rete Scuole Migranti e
l’apprendimento dell’italiano
indray dia nanamafy ny lanjan’ny fiofanana
ara-koltoraly sy arak’asa ho an’ny mpifindra monina ; ho an’izany
indrindra  no hiompanan’ny andraikitra
sahanin’ny la Rete Scuole Migranti eo amin’ny sehatra nasionaly, manomboka amin’ny fianarana sy
fanatsarana ny fitenenana italianina ho an’ireo mpifindra monina tanora, sy
ireo nahazoazo taona ihany koa

Taorian’izany dia nifandimby nandray fitenenana nilazalaza fohifohy momba
azy avy ireo solotenan’ny Fikambanana malagasy sy ny  fivondronan’ny  kristianina :

-        

Pascal Ramananjara avy amin’ny  Fraternità malgascia

-        

Hervé
Ravelomanantsoa avy amin’ny “Zanak’i Gasikara”

-        

Geneviève
Soaritony avy amin’ny “Tetezana Onlus”

-        

Mompera Joseph
Rabenirina avy amin’ny fiangonana katolika

-        

(tsy afaka tonga kosa Danny Rajaobelina avy amin’ny
fiangonana protestanta)

Ary farany dia isan’ny nitondra ny fiarahabana tao amin’ny
Fihaonana ireo fikambanana  misahana asa
soa any Madagasikara  dia :

-        

ny Fikambanana  MAIS  tamin’ny alalan’i Anna Bartoloni,

-        

ny Fikambanana “Per un sorriso Monica De
Carlo”
tamin’ny alalan’i Roberto De Carlo

-        

ary ny Fikambanana  “Amici di Padre Pedro” tamin’ny alalan’i Fabio Meloni.

Nandrindra izany rehetra izany moa, sy namarana ny asa i Franco
Pittau
avy amin’ny Dossier Statistico Immigrazione Caritas/Migrantes, izay
isaorana eram-po eran-tsaina tokoa.

Indreto horonan-tsary vitsy nirakitra izany ary ny sary dia azo jerena ao amin'ny tahirintsary :

Lahateny teny am-panombohana.

Fikambanana "Fraternità malgascia"

Fikambanana "Zanak'i Gasikara"

Fikambanana "Tetezana Onlus"

Fikambanana "Mais Onlus"

Fiangonana katolika malagasy.

Fikambanana "Monica De Carlo - per un sorriso"

Fikambanana "Amici di Padre Pedro"

Teny fisaorana.

(Tatitra nataon’i Bruno Fusciardi, nanao ny fanadihadiana
momba ny Malagasy monina eto Italia sady mpikambana ao amin’ny Tetezana Onlus.
Nandika amin’ny teny malagasy : Rondro)

Ny alakamisy 14 janoary teo dia niombom-bavaka tamin'ny Katolika Malagasy any Madagasikara koa ny Paroasy Victoire Rasoamanarivo teto Roma nandritra ny lamesa fangataham-pitahiana ho an'i Kardinaly Razafindratandra Armand Gaetan. Notsaroana tamin'izany ny hafatrafatry ny Kardinaly amin'ny hivavahana mafy mba hananganana ho olomasina an'i Victoire Rasoamanarivo vavolombelon'ny finoana. Ny Aumonier P. Joseph Rabenirina no nitarika ny lamesa notronin'ireo pretra malagasy sy i Don PierPaolo, mpiandraikitra mivantana ireo "Comunità Cattolica Etnica" ao amin'ny vikarià romana. Isan'ny nanotrona tao koa i Mgr Francisco Blasco Collaço, nonce apostolique efa niasa tany Madagasikara sy i Fr. Meoli ao amin'ny fikambanan'ny Sainte Famille, izay frère postulateur tamin'ny fananganana ho Olontsambatra an'i Frera Rafiringa, izay samy nifandray akaiky tamin'i Kardinaly fony fahavelony.

Nandritra ny toriteny tamin'ny teny Italiana no nampatsiahivan'ny Aumonier fohifohy ny baikom-piainan'i Kardinaly hoe "Aoka mba ho iray izy rehetra" sy ny ezaka nataony hampiraisana ny mpino Malagasy teo anivon'ny FFKM. Ny fanetren-tena nananany tamin'izany asa masina izany.

Ny Katolika eto Italia moa dia anisan'ny nifandray matetika tamin'i Kardinaly satria tsy tapaka mihitsy ny fisian'ny lamesa isaky ny fandalovany eto Roma, na dia andro vitsivitsy fotsiny aza izany fandalovana izany. Ary anisan'ny ahatsiarovana azy rehefa ilay mikoràna iny dia ilay hira ampianariny sy iarahany manao amin'ny vahoaka manatrika manao hoe "Ohatran'ny tsy ho faty lahy ny aina". Raiamandreny namela mamy tokoa ny Kardinaly ka tsy ho very fotsiny ny voa nafafiny fa hamokatra zato heny.

Ny sary tamin'ny fandevenana kosa dia azo jerena ato amin'ny tahirintsary

Natokan'ny Provincia di Roma ho an'ny Malagasy sy i Madagasikara ny andron'ny 28 janoary 2010 hihaonany aminy ao anatin'ny sehatry ny "Giornate Interculturali della Provincia di Roma".

Adidy sy fanamby mipetraka ho antsika Malagasy rehetra (ankizy, tanora, lahika, relijiozy, pretra) ny fiatrehana io andro io, toy izay efa natao sy hataon'ireo avy amin'ny firenena samihafa, araka ny fandaminana ataon'ny "Provincia di Roma", izay isaorana azy ireo sy ny ao amin'ny Caritas sy Migrantes.

Koa aza hadino ary ny Alakamisy 28 janoary 2010, amin'ny 5 ora hariva tsy diso ao amin'ny

Sala Banca dei Monti di Paschi di Siena.
Via Marco Minghetti 30/a (Fontana di Trevi) Roma

Hilazao sady hasao hiaraka aminao ireo namanao, na vahiny na teratany. 

Raha azo atao dia mba makà fierana mialoha amin'ny mpampiasa mba hahafahanao miatrika izany ora roa natokana ho antsika Malagasy izany. 
Hararaoty koa ny andro anaovantsoa fa ny valala tsy indroa mandry am-bavahady. 

Agrandir le plan

Ho aminareo sy ho herinareo anie ny fahasoavan’ny Tompo!

Asaina isika Malagasy rehetra tsy an-kanavaka mba ho tonga
hiara-mankalaza ny Noelin’ny Ankizy Malagasy 2009, izay hatao ao
amin’ny Via Aurelia, 472 (na 476) ny alahady 20/12/2009 amin'ny 3 ora
tolakandro
na 15h00.

Asaina daholo ianareo hatramin’ireo ray aman-dreny masoivoho sy ireo
tompon’andraikitra rehetra amin’ny sehatra maro samihafa, ny tanora sy
ny zatovo, ary indrindra ireo ankizy sy ny kilonga izay tena tompon’ny
fety.

Ilazao sy asao ireo namana tompon-tany na vahiny hafa te hahafantatra
izany fiarahantsika izany, satria isika Malagasy dia miezaka hatrany
miaina ny fihavanana miaraka amin'ny olona rehetra, izay soatoavina
mampiavaka antsika, sady miezaka mifankatia toy ireo firenena maro hafa
koa izay mandala ny fiombonana. Izay kely vitantsika moa no
hiaraha-mizara.
Misaotra mialoha anareo handray anjara sy mpikarakara rehetra izay tsy ary ho voatanisa eto

Ny Fivondronamben'ny Malagasy rehetra eto Italia dia faly manolotra
anareo sy ny isa-tokonam-baravarana ny Arahaba Feno, tratry ny Noely
2009 sy ny taom-baovao 2010.

Ny Malagasy rehetra eto Italia, tarihin’ny Masoivoho, arahin’ny FFKM sy
ireo Fikambanana samihafa (Zanak’i Gasikara, Fraternità, Tetezana,
sns…).

Rabenirina Joseph, sj.

Mankasitraka sy mankatelina an'ireo rehetra nivavaka sy tonga
nanotrona mivantana tamin'ny fanohanana ny fikarohana natao. Isaorana
an'Andriamanitra fa tsy dia nanahirana be araka ny nanahiana azy.
Manao veloma koa fa efa hitodi-doha any an-tanindrazana mandra-pameno indray izay tokony hofenoina amin'ny manaraka.

Samy ho tahin'Andriamanitra.

P. Donatien Rasolomahafaly.

Afaka andro vitsivitsy dia hiherina ny andro nahamay ny Rovan'i Manjakamiadana, ny alin'ny 6 novambra 1995.

Maro ny hetsika efa hita sy re momba ny fanarenana azy io.
Mahavelom-bolo anefa ankehitriny fa efa mandroso miadana, saingy mbola
lavitra ezaka izany.

Ankehitriny moa dia ny "Comité National du Patrimoine", komity manokana
natsangana teo anivon'ny Fitondram-panjakana tamin'ny taona 2006, no
miandraikitra mivantana izany fanarenana izany, miaraka amin'ny
Fikambanana "Fanarenana ny Rova".

Notsinjaraina ho ambaratonga 4 ny asa tamin'izany ka ny tapany
voalohany sy faharoa dia nokendrena ho vita mialoha ny faran'ny taona
2009.

Azo lazaina fa tàna ny fanamby : fanamafisana ny fototra sy ny andry,
famerenana na fanoloana ireo vato ary ny famitana ny tafo solaitra sy
vifotsy toa ny tany am-piandohana.

Tsy nataon'ny komity ho tompon-trano mihono anefa isika Malagasy izay
miandrandra izany fanarenana izany, ka dia indro atolony ny
tarehimarika sy ny fanazavana fohifohy momba ny fizotran'izany adidy
makadiry napetraka amin'izy ireo izany.

Manentana sy manantena ny fandraisan'ny maro anjara hatrany koa izy ireo fa ny tao-trano tsy efan'ny irery tokoa.

Programme de restauration // Programan'asa : Jereo eto

Plan de l'enceinte royale et vue du site aujourd'hui // Ny Rova fahizany sy ankehitriny : Jereo eto.

Contexte hisotrique et technique du projet. Situation des travaux en cours (Mai 2009). Financement des travaux en cours // Tantara fohy sy ny tetikasa. Toe-draharaha ankehitriny (Mey 2009). Famatsiana ara-bola ny asa eo andalam-panantanterahana : jereo eto

Les prochaines étapes (3ème et 4ème phase) // Ny ambaratonga manaraka (tapany fahatelo sy fahaefatra) : jereo eto.

Fisaorana sy fankasitrahana no atolotra antsika rehetra tonga (na
niombom-bavaka fa tsy  afaka) nandray anjara mavitrika tamin'ny
fisaorantsika ny Tompo noho ny amin'i Frera  Rafiringa Olontsambatra,
andrarezin'ny fanabeazana. Isaorantsika manokana ireo eveka rehetra sy
ray amandreny lahika nanamasaka izany haravoantsika izany.
Manolotra vavaka ho anareo hatrany ny tenako.

Benirina, isan'ny pretranareo eto Italia

Filazàna: Aza hadino fa eny Vatican ny Lamesantsika amin'ny alahady 25 oktobre 2009, hamarana ny Sinaodan'i Afrika.

P.S.
Araka
ny dinika nifanaovanay Komity tamin'ireo Eveka Ray aman-dReny, misolo
tena an'i Madagasikara, ka tonga miatrika ny Sinoda dia zava-dehibe ny
fiombonana sy firaisan-kinan'ny ary fifankatiavantsika Malagasy ho azy
ireo.
Noho ny antony tsy azo anoharana koa anefa, dia ny
fahavitsian'ny Pretra any Madagasikara, dia tsy afaka mandefa pretra
hirahana manokana hisahana mivantana izany raharaha izany na ny
Fiangonana eo ambany fiahian'ny CEM (Fivondronamben'ny Evekan'i
Madagasikara) na ireo Fikambanana pretra miparitaka manerana ny Nosy
izay miara-miasa amin'ireo Evekantsika.
Koa anjarantsika Malagsy aty
an-toerana hoy izy ireo ny mijery akaiky izay hampandeha sy hampirindra
tsara ny Aumonerie sy ireo Ankohonana tiana hajoro na efa mijoro. Ny
taon-trano tsy vitan'olon-drery, ary asa vadi-drano izy ity ka tsy vita
raha tsy ifanakonana.
ENTANINA ARAK'IZANY NY TSIRAIRAY MBA SAMY HANDRAY ANJARA AMIN'IREO
VAOMIERA ARAK'IZAY TIANY SY MANAVANANA AZY AVY (jereo eny ambany).

Noho
izany koa, dia iangaviana isika Malagasy rehetra izay mba mahalala ireo
pretra malagasy mianatra na miasa any rehetra any mba hanome ny anarana
sy ny adresin'ireo pretra ireo, na diosezianina na relijiozy, fa maro
amin'izy ireo no miparitaka eran'Italia, nefa tsy mba tratr'antso na
tsy mahazo vaovao mihitsy. Izany no atao dia mba hahafahana mandrindra
miaraka ny fandaminana sy fandrindrana rehetra tokony hatao isan-taona,
araka ny fanirian'ny CEI (Fivondronamben'ny Eveka eto Italia) izay
mifanindran-dàlana amin'ny fiangavian'ny CEM.
Iriko mba ho azo
haingana koa ny adresin'ireo Lahika sy Relijiozy any rehetra any, mba
hahafahana manaparitaka haingana sy tsy tapaka ny vaovao avy aty
amin'ny Aumonerie Foibe. Raha misy antony manokana tsy ahafahanao manao
izany dia iangaviana mba hanoratra amin'izao adresy manaraka izao
ianao: P.
RABENIRINA JOSEPH - Via del Seminario 120 - 00186 - ROMA Italia
.

Ireto ny zavatra goavana tokony hatao sy hatrehina ary miandry antsika amin'ity 2010 taona ity:
1) Fanangonana tahiry ho fitsinjovana sy hoenti-miatrika ny fananganana ho Olomasina an'i Victoire Rasoamanarivo Olontsambatra.
2) Kongresy I manokana hihaoanareo Lahika Malagasy rehetra manerena an'Italia.
3) Fihaonan'i Pretra Malagasy rehetra monina sy miasa na mianatra eto Italia (TAONAN'NY PRETRA).
4) Fihaonan'ny Relijiozy sy ireo olona manokan-tena samirery noho ny Evanjely, monina sy miasa na mianatra eto Italia.

Ireo Vaomiera 4 (araka ny Sata mifehy antsika):

1.    Ny
mpanolon-tsaina voalohany
dia
hitarika ny vaomieran’ny finoana.

Izy
no mikarakara ny fiomanana amin’ny Sakramenta rehetra, ny Litorjia, ny
fiofanana amin’ny Soratra Masina, Fikambanana masina, ary ny fihatahana masina,
sns...

2.    Ny
mpanolon-tsaina faharoa
dia hiandraikitra
ny ara-bola sy ny fitaovan’ny “Aumonerie”.

3.    Ny
mpanolon-tsaina faha-telo
dia
hitarika ny vaomieran’ny kolon-tsaina, ka hikarakara ny antokom-pihira, ny
fety, ny tanora sy ny ankizy mba ho fiarovana ireo vakoka sy haren-tsaina ary
ny fiteny Malagasy na hafa koa.

         Mijery ny fomba tokony hampianarana
an’izany raha ilaina.

4.    Ny
mpanolon-tsaina faha-efatra
dia
hiandraikitra ny mety ho fifandraisana (na serasera) rehetra eo amin’ny:

                     - samy mpikambana

                     - ara-piraisam-pinoana

                     - “Aumonerie” any amin’
faritany (province Italie) na firenen-kafa.

                     - Mpiray tanindrazana any
Madagasikara.

          Noho izany dia miara miasa akaiky
amin’ny Filoha izy.

Takelaka