You are here

Vaovao

Tontosa tsara ny fankalazana ny faha-50 taona nahazoana ny Fahaleovantena teto Roma.

Na teo aza ny tsy fitovian-kevitra teo am-pikarakarana azy, na nisy aza ireo ahiahy ny mety ho fizotran'ny fety, na teo aza ny oran'andro nijojo tamin'ny fotoana indrindra nanombohana ny fotoana -  indrindra nony nohiraina ny "Zanahary ô, tahio ny tanindrazanay" tamin'ny famaranana ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana - dia nizotra an-tsakany sy an-davany tanatin'ny fifaliana tanteraka iny takariva iny.

Tsy hay ny tsy hisaotra ny ankolafy rehetra eto Roma niara-nisalahy ka nahatomombana izany. Nahafinaritra ny nahita azy ireo niaraka foana hatrany, eny fa na hatramin'ny fampisehoana ny vako-drazana malagasy sy tamin'ny fandidiana ny mofomamy aza : tao ny tompon'andraikitra ao amin'ny masoivohom-pirenena malagasy eto Roma, tao ireo Fikambanana mijoro dia ny Fraternità malgascia, ny Tetezana Onlus ary ny Zanak'i Gasikara, tao ny fiangonana protestanta ary tao koa ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo. 

Ankoatra azy ireo dia maro koa ny nanome tanàna teo amin'ny fikarakarana ny sakafo, ny fampitaovana, sns tsy voatanisa sao misy hadino.

Ary ny tena nahafaly dia ny fahatongavan'ny Malagasy sy vahiny maro nifanotrona tamin'izao andro lehibe izao. Ireo avy tany amin'ny faritany (Parma, Bologna, Ancona, Fiuggi, sns). Ireo Fikambanana vahiny miasa sy manao asa soa any Madagasikara, ireo teratany Malagasy sendra mandalo eto Roma.

Misaotra sy mankasitraka ny rehetra rehetra.

26_giugno_2010_torino

Ny Association Ma.Mi dia manasa ny Malagasy ao Torino sy ny manodidina
amin'ny fankalazana ny faha 50 taonan'ny fahaleovantena ao amin'ny
foiben'ny Associazione Crescere Insieme, Via Anselmetti 67, Torino.
Ny Asabotsy 26 jiona 2010 manomboka amin'ny 5 ora sy sasany hariva.
Ny fandraisana anjara dia 20 Euros. Iangaviana mba hamandri-toerana
mialohan'ny 24 jiona izay ho avy.

Famandrihan-toerana: 3392844692

stemmaMADA

Festeggiamenti
per il 50° anniversario dell'indipendenza

della
Repubblica del Madagascar

 Mostra sul
Madagascar

dal
21 al 25 giugno
2010

(orario
9:00
– 16:00)

 Inaugurazione
lunedì
21 giugno ore 15:00

Grande
festa finale

Sabato
26 giugno
2010

(orario
17:30
– 24:00)

ore
17:30 incontro
ecumenico
ore 19:30 serata culturale, gastronomica e ballo

 E’ gradita la Vostra
partecipazione

 _________________________________________________________________

L’organizzazione
è a cura della comunità malgascia e delle associazioni malgasce in
Italia
in
collaborazione con l'Ambasciata del Madagascar

Ambasciata
del
Madagascar - Via Riccardo Zandonai, 84/A 00135 Roma

Tel
06.36300183
email: info@ambamad.it

Ho anareo
Malagasy rehetra eto Italia,

Ho
aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy an'Izy Tompo hany
fototry ny
firaisantsika rehetra! Manoloana ny fanambaràna nataon'ny ray aman-dreny
hajaina, avy ao amin'ny Masoivohontsika, dia manainga ny rehetra aho mba
ho
tony sy handinika tsara izay voalazany, fa tsy handray an-tendrony
fotsiny
akory sanatria, na hamadika izany ho toy ny zavatra hafa koa.

Hamafisiko
etoana ny ampahan'izay voalazany ho antsika dia ny mikasika ny
fanatanterahantsika
miaraka ny fetim-pirenena (26 jiona) am-pitiavana sy ao anaty fifanajàna
feno
amin'ny lafiny rehetra, ao anaty firahalahian'ny samy Malagasy ary ao
anatin'ny
Fihavanana, fa "ny omby indray mandry, hono, tsy indray mifoha" ka
aoka hifanentana ny amin'izany teny mamy napetrany ho antsika izany.
Ny tena fitiava-Tanindrazana dia
miseho miharihary
amin'ny fahaiza-mifanaja, satria ny fanajako ny mpiray tanindrazana
amiko dia
fanajako ny Tanindrazako mihitsy izay manana ny soatoavina (valeurs)
mampiavaka
azy manokana amin'ny firenen-kafa.
Ny tena fitiava-Tanindrazana
dia
miezaka manaja ny hafa, ary manao izay tratry ny hery hanalavitra ny
fomba
ratsy "mpilelaka sy mpisolelaka", izay fototry ny fifampirafesana sy
ny fialonana ary ny fifankahalana eo amin'ny samy mpiray Tanindrazana sy
mpiara-monina;
matetika aza moa dia mampiady olona no vokatr'izany ka mampitombo ny
lonilony
sy ny tsy fifankahazoana.
Hararaotina àry ho fandravonana ny
"fihavanantsika Malagasy" aty Italia sy ny manodidina ny
fiaraha-mankalaza ny fetim-pirenena na dia tsapa aza fa marefo
"izany" ankehitriny
. Koa miangavy antsika rehetra aho mba samy
hahatsapa ho tompon'antoka sy
tompon'andraikitra, ny amin'ny filaminana sy fifanajàna ary ny
fahaiza-mifandefitra.

Hitondra
am-bavaka ny Firenentsika isika, mba ho tontosa tsy ho ela ny ezaka
fampihavanana
kasaina sy ilozohan'ireo olona tsara sitra-pò rehetra avy amin'ny
vazatany
efatra. Raisiko ho adidy ny milaza izany aminareo rehetra, amin'ny maha
ray aman-dreny
am-panahy ny tena izay nanankinana anareo aty an-tany lavitra aty. Adidy
apetraka amiko, saingy iantsorohako miaraka aminareo sady iarahako
manatontosa
aminareo rehetra koa izany.

Isaorantsika
manokana ny Ambasadaoro izay mampahatsiahy antsika ny fifanajàna antoky
ny tena
fihavanana, ary ny tsy fisakanany antsika hanao ny fety ao amin'ny
toerana misy
ny Ambasady. Tompon'antoka kosa anefa ny tsirairay ny amin'ny fanarahana
sy
fanajana ny toro-marika nomeny: dia ny mba hahaizantsika mifanaja sy
maneho ny
fifankatiavana tsy misy famahony, mba tsy hanalantsika baraka ny
Firenentsika
aty an-tanin'olona aty.

Tsy ho
"malaza tsy ihinanana toa viliant-sahona" intsony anie ny Fihavanana
tenenintsika matetika sy ny hoby fanaontsika hoe: "Mamy ny firaisan-kina
ikambanantsika izao" ary "Homba antsika mianakavy anie ny Fiadanan'i
Kristy".

Dia izay
koa no itsofako rano anareo rehetra ao amin'ny Tompo eto
am-piandrasantsika ny
rariny sahaza antsika rehetra.

P.
Rabenirina Joseph, sj

Roma, 19 jiona 2010

FANAMBARAN’NY AMBASADAORO

Mifanojo amin’ny fahadimampolotaona nitsingerenan’ny fahaleovantena ny 26 jiona fetim-pirenena malagasy amin’ity taona 2010 ity.
Samy mientana ho amin’izany avokoa ny olom-pirenena rehetra amin’zao fotoana izao, hiombom-pò amam-panahy amin’izany koa isika Malagasy monina eto Italia sy Grèce ary Turquie.

Tsy zoviana amintsika nefa amin’izao fotoana izao ny rivo-piarahamonina mitsoka ny firenena eo am-panomanana izany fankalazana izany fa, tsy ilay rivo-pitoniana mahazatra ahitam-pihavanana (sy firahalahiana) fa, rivo-mahery arahin-disadisa ombam-pihantsiana ka mety hiteraka fifankahalana sy fifandrafesana mihitsy aza raha tsy voatandrina.

Marihina fa ankoatran’izao fankalazana izao, dia aoka ho tsaroan-tsika hatrany fa eo am-pandrindràna ny fampihavanam-pirenena ny Malagasy any an-tanindrazana amin’izao fotoana izao, koa manainga antsika rehetra hiombom-pò amam-panahy ary hitrotro am-bavaka mba hahatontosa izany, na aiza na aiza misy antsika.

Manoloanan’izao finiavan’ny ampahan’olona, tari-tokana, manomana hetsika hatao eto anivon’ny “Ambassade” ho amin’izao 26 juin izao, tsy teny nifampierana tamin’ny be sy ny maro na nifanomezamboninahitra mba hatomombana izany fety sy fankalazana ny faha 50 taona izany, fa kosa fanilihana ankolaka ny Malagasy hafa sy ny Ambasadaoro, dia marihina entoana fa tompon’andraikitra feno tanteraka amin’izany fanavakavahana sy ny mety ho fiatraikany hafa mety hitranga ireo andian’olona ireo.

Koa manentana ny olompirenena tsirairay avy ary, mba ho mendrika izao taon-jaobily izao ka hankalaza izany am-pahendrena sy amin’ny finoany avy, ka samy ho tompon’andraikitra fa tsy sanatria hanapaka ny tady izay tsapa ho mihenjan-droa hatrany ankehitriny.

Tsy maintsy natao izao fampahafantarana izao amin’ny maha ray amandreny, mba tsy isian’ny tokantrano mihono, fananana adidy amin’ny fikajiana ny filaminana sy ny fanajàna ny fitondram-panjakana sy ny lalàna Italiana izay mampiantrano antsika. Tandrovan’ny Ambasadaoro toy ny anakandriamaso sady andraikiny rahateo ny mahatomombana ny fifandraisan’ny firenena roa tonta, koa tsy handeferana ho an’ireo izay mihoa-pefy.
Noho izany dia miankina indrindra amin’ny mahatomombana ary fanajana ireo rehetra ireo no maha mety na tsia ny ho fanatrehan’ny Ambasadaoro ny lanonana rehetra hanasana azy.
Dia mamerina ny fiarabana, firariantsoa, ary fety sambatra feno fanatenana ho antsika rehetra !

Rome faha 18 jiona 2010

Ity izany ny tetiandro ka asaina am-pifaliana isika hanotrona sy hanohana ny ekipantsika araka ireo daty ireo.

mondiallido

Takariva an-kira, antsa, fampirantiana ary fanomezana mari-pankasitrahana ireo hosodoko nataon'ny ankizy ho an'ireo pretra karmelitana ho fankalazana ny faha-40 taona niorenany any Madagasikara.

Izany no hanasana antsika ny zoma 4 jiona 2010 amin'ny 19h30, eny amin'ny Bazilikan'i Mb Thérèse d'Avila, corso d'Italia 37 - Roma

madagascarweb

Tanindrazana

- Fahafahana – Fandrosoana

Ambassade
de Madagascar  à Rome

  Via R. Zandonai 84/A - 00194 Rome Italie 

    FANASANA  
          
    Noho ny
    fitsingerenan’ny
    faha 50 taonan’ny fahaleovantenam-pirenena malagasy, dia voninahitra
    ho an’ny Masoivohon’i Madagasikara miaraka amin’ireo fikambanana
    Malagasy rehetra eto Italia ny manasa antsika rehetra tsy ankanavaka
    ho tonga hanatrika ireo fotoan-dehibe mandritry ny herinandro izay
    entina
    hanamarihina izany vanim-potoana izany : 

    _   Ny
    alatsinainy
    faha 21 jona 2010 hatramin’ny zoma 25 jona 2010 : varavarana misokatra
    mikasika ny tantaran’i Madagasikara sy ireo vakoka misy ao aminy izay
    atao eto amin’ny Masoivoho eto Roma. 

    _ Ny asabotsy
    faha 26 jona : vavaka iraisam-pinoana ho an’ny Tanindrazana manomboka
    amin’ny 5ora sy sasany hariva.  

    _ Takariva
    miavaka ho an’ny kolontsaina, sakafo tena malagasy arahina totorebika
    hialohavan’ny arendrina ho an’ny ankizy eto amin’ny Masoivohon’i
    Madagasikara eto Roma manomboka amin’ny 7ora sy sasany hariva. 

    INVITATION  
          
    A l’occasion
    de la célébration du 50ème anniversaire de l’Indépendance de la
    République de Madagascar, l’Ambassade de Madagascar près de Quirinal
    et la Diaspora malgache en Italie ont l’honneur de vous inviter
    à honorer
    de votre présence à la « semaine Madagascar » : 

    _ du lundi
    21 juin au vendredi 25 juin 2010 : exposition permanente sur Madagascar
    à l’Ambassade à Rome. 

    _ le samedi
    26 juin 2010 : cultes œcuméniques à 17h30 suivi d’une grande soirée
    gastronomique, culturelle et dansante à l’Ambassade de Madagascar
    à Rome. 

Ny Fikambanana Tetezana Onlus dia faly manasa ny rehetra amin'ilay takariva karakarain'izy ireo ny sabotsy 12 juin 2010 eny amin'ny Casa del Popolo, via Bordoni 50 (Tor Pignatara). Ny vola azo amin'izany dia entin'izy ireo hanatanteraka ireo tetikasa sahanin'izy ireo any Madagascar : fanampiana sy fanatsarana ny fari-piainan'ny ankizy.

Toa izao ny fandaharam-potoana :

- 20h30 ka hatramin'ny 21h30 : tsakitsaky malagasy isan-karazany

- 21.30 ka hatramin'ny sasakalina : alim-pandihizana.

Ny vidim-pidirana dia 15 euro (tsy tafiditra ao ny zava-pisotro), ary tsaratsara kokoa raha manao famandrihan-toerana mialoha :

E-mail : info@tetezanaonlus.org

Andry : 347-1432921

Bruno : 348-5446152

Claudia : 338-2890576

La Fraternità Malagasy è lieto di invitarvi a partecipare alla festa
del 22 Maggio 2010 Selva Nera/Casalotti, in via Grabriella degli Esposti, 93 con lo scopo di raccogliere il
fondo per realizzare un progetto non governativo a Madagascar:

1.comprare un terreno per la scuola e il parco gioco nei zone meno
fortunati

2. Fondare il gruppo "Fraternità Malagasy " a Madagascar
per potere dare agli interessati le informazioni utili e necessari
nella vita sociale interna e all' estero

La festa iniziera alle ore
11.00 - il pranzo sara offerto dalle 1330. Ci sara una preghiera per tutti e
per Madagascar verso  le16.30 e il divertimento inziera verso le 17.00 fino
alle ore 23.00.
Venite numerosi perché siamo tutti
Fratelli!!!! Festeggiamo insieme!!

Partecipazione 10 euro

Mampilaza ny malagasy rehetra izahay fa ny faha-50 taonan'ny Fahaleovantenan'ny MADAGASIKARA dia hankalazaina ao CRAZY DANCE LISSONE via
monza 7
(Milan) izany fetim-pirenena izany, manomboka amin'ny fito ora hariva (19h00)
ary
mitohy mandra-maraina.

Ny fandraisana anjara dia 5 euro isan'olona ary mitondra
tsakitsaky sy zava-pisotro izay tiana ;

Izay latsaky ny 15 taona dia tsy mandoa fidirana.

Ny fanazavana fanampiny dia azo angatahana amin'ny : tel 339 819 53 97.

Takelaka