You are here

Vaovao

Noi, della Fraternité Malagasy,
siamo lieti di invitarvi il 31.12.2010 alla festa di capodanno che si
terrà in via prato corazza n.60 a Cesano di Roma, dalle ore 19h fino all'alba.

Programma:

19h Inizio
20h-21h30 Cena(in prezzo del biglietto inclusa)
21h30-alba Divertimento e ballo

La cena e inclusa nel prezzo del biglietto.
Brochettes,tsakitsaky e bevande(fuori cena) esclusi

"Mangeremo,balleremo e accogleremo l'anno nuovo 2011, INSIEME...come FRATELLI..perchè LO SIAMO"

Recapiti telefonici:

Kada Ernest: 3393321906
Pascal: 3482791225
Jimmy Rajirison: 3387679064
Didine: 3407797162

"VI aspettiamo numerosi"

Ny Malagasy rehetra aty  Verona, Brescia, Vicenza, Udine, Bergamo, dia
manasa ny be sy ny maro hiaraka hankalaza ny fetin'ny taom-baovao 2011
any Vicenza, ao amin'ny Parrocchia San Marco
(salle ao ambonin'ny fiangonana), Piazza del Comune,
Creazzo
(Vicenza) ny Zoma 31 Desambra 2010, manomboka amin’ny 9 ora alina ka mandra-maraina.

Tsy hisy vidim-pidirana fa samy mandoha 1€ ihany ho fandraisana anjara amin'ny jiro sy ny trano.
Samia mitondra sakafo sy tsakitsaky ary zava-pisotro hifampizarana amin’ny be sy ny maro.

FANDAHARAM-POTOANA:
21h: Fihaviana sy fiaraha-misakafo
22h - mandra-maraina: alim-pandihizana

• Ny Mpampandihy dia efa za-draharaha na ny amin’ny mozika malagasy na ny amin’ny
hafa ihany koa.
• Ny fahafaham-po sy ny fahafinaretana dia azo antoka!

Izay mila fanazavana misimisy kokoa dia afaka miantso an'i :

Carole : 329-3374983 na Françoise sy Nicolas 320-5584419 na 045-568330.

Misaotra betsaka e miandry ny fihavian-drehetra.

Nohon’ny Fahaterahan’ny Association “Gasy Tsy Manavaka – G.T.M. –” eto Torino ny 9 Novambra 2010 lasa teo dia manasa ny be sy ny maro hiaraka hilanona ao Milano, via Tacito – Corsico (Milano) – (dal tangenziale ovest – uscita via Lorempeggio) sady ho Fiarahabana ihany koa ny Taona Vaovao 2011.

Ny lanonana dia ny Zoma 31 Desambra 2010 manomboka amin’ny 6 ora hariva mandra-maraina. Tsy hisy vidim-pidirana fa “offerta” ho an’ny Fikambanana.
Ny fepetra dia samy mitondra sakafo sy tsakitsaky ary zavam-pisotro hiarahana amin’ny be sy ny maro.

FANDAHARAM-POTOANA:
18h – 19h: Famelabelarana momba ny Fikambanana G.T.M.
19h – 20h: Fisoratana anarana ho an’izay hiditra ao amin’ny Fikambanana
20h – 21h: Fiaraha-misakafo
21h - mandra-maraina: alim-pandihizana

N.B.: raha te-hahalala bebe kokoa ny momba ny Fikambanana dia info: 0121/ 91163 na 335
8382871 (Louise) - 339 8195397 (Christian) ary manambara ihany koa izahay fa izay te-hiditra ao amin’ny Fikambanana dia afaka misoratra anarana dieny izao amin’ity adiresy e-mail ity : oasi313@hotmail.it na amin’ny 31 Desambra.

Ireo Mpitarika

Associazione “Gasy Tsy Manavaka”
Via Matteotti 20, 10066 – Torre Pellice (TO)

Ny Fikambanana Tetezana Onlus dia mikarakara fianarana teny malagasy ho an'ireo vahiny, na koa ireo zaza malagasy tsy mbola mahafehy ny tenin-drazana.

Izany dia atao isaky ny alakamisy tolakandro, amin'ny telo ka hatramin'ny dimy, ao amin'ny foiben'ny Fikambanana : Via Cesare Balbo 4 Roma, Cell: 3471432921/ 3485446152, Tel: +39 06 48029963, Fax +39 06 4882950

Azo atao ihany koa ny manoratra mangataka fanazavana amin'ny : info@tetezanaonlus.org

In- http://www.tetezanaonlus.org/news/corso-di-malgascio

Miarahaba ampifaliana

Pagineacolori dia hetsika iray hampiroboroboana ny fampielezana
ny fanoratana boky sy ny kisarisary ary izay rehetra mahasahana ny
fanontàna ho an'ny ankizy sy ny tanora. Amin'ity andiany 2010 ity dia
naompana amin'ny Fivahiniana ny lohahevitry ny hetsika.

Nanintona ny Tanànan' Tarquinia izany lohahevitra manome lanja ny
hetsika ara-kolotsaina any amin'ny tany sahirana izany, any amin'ireo
tany izay mila ezaka lehibe dia lehibe tokoa mba hahafahan'ny mponina 
mamaky boky manomboka any amin'ny fahazazana.

Ny tetikasa "Biblioteca in Madagascar" dia natao indrindra
hisintonana ny sain'ny mponina eto an-toerana mba hampandraisana anjara
mivantana azy ireo amin'ny fanohanana ara-materialy sy ara-bola
enti-miatrika ny fampitaovana ny fampianarana sy famakiam-boky,
indrindra ireo ankizy izay niangaran'ny vintana ka tsy mba manana izay
enti-manana amin'izany.

Antenaina moa fa dia vao santatra am-bavarano izy ity fa mbola ho
maro ny fifanakalozana sy fiaraha-miasa amin'ny "Biblioteca di
Tarquinia".

Ka izany no hanasana antsika rehetra ihany koa
handray anjara amin'io hetsika io ny asabotsy 2 oktobra izao araka ny
fandaharana ampiarahana amin'ity.

Marihina fa hisy ny fanentanana ho an'ny ankizy indrindra indrindra. Jereo ny fandaharampotoana etsy ambany

Misaotra sahady ireo manampy amin'ny fanatanterahana izao fikarakarana izao, ary dia manantena antsika ho tonga maro.

PS: izay te handeha nefa tsy manana fiara dia afaka miantso mba  hanomanana izany, ary   izay mba manana toerana malalaka ka afaka mitondra namana malagasy koa dia mba aoka hifanampy.

___________________________________

Tetezana a présenté son « Projet de Bibliothèque » à Tarquinia  (province de Viterbo). Depuis six ans s’y déroulent les « Pages en couleurs » dédiées à l’exposition, aux écrivains et, en général, à l’édition pour enfants. La manifestation est dirigée par une des membres de Tetezana Onlus, spécialisée dans le domaine des livres pour enfants et la promotion d’évènements culturels. La manifestation adopte chaque année un thème, et l’édition de cette année est dédiée au Voyage.

La commune de Tarquinia a tout de suite manifesté une grande attention au soutien et à la promotion des activités culturelles dans les zones   défavorisées du monde où il y a encore beaucoup à faire pour que la lecture et les livres soient accessibles à tous depuis le tout jeune
âge.

Le Projet de Bibliothèque à Madagascar a donc été accueilli avec enthousiasme dans le but d’opérer un jumelage entre des bibliothèques italiennes et les futurs centres de lecture et bibliothèques scolaires  dans les zones rurales de l'Île Rouge.

Notre objectif est de réussir à sensibiliser la population italienne sur les besoins concrets des personnes qui vivent dans la pauvreté et de collecter ainsi des fonds pour l’acquisition de livres, de matériels didactiques, et de fournitures pour dessin destinés spécialement aux enfants défavorisés.

Un grand merci à la Bibliothèque de Tarquinia d’avoir bien voulu jeter les bases pour un échange profitable et un développement durable.

Vous êtes donc tous invités à cette manifestation à la commune de
Tarquinia le samedi 2 octobre prochain à partir de 17h 30 (cf programme
ci joint)

pieghevole_tarquinia_2010_def 1

Pghevole_tarquinia_2010_def 1

FISAORANA

Ny vadiny Rajarison, ny zandriny, ny zanany, ny zafiny ary ny fianakaviana manontolo, dia maneho fisaorana ireo rehetra nanontrona, nampahery, tsy nahalavintany, ka nandao ny tokatrano sy ny asa aman-draharaha, tamin'ny namoizana ny malalanay:

RAZANADRAIBE Julienne (Neny Lalao)

Andriamanitry ny fiadanana hanatsotra ny tanam-pahasoavany amintsika tsirairay avy.

Hilana tsiny indrindra amin'ireo izay tsy tratra antso.

"... Ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka handositra ny alahelo sy ny fisentoana" Isaia 35:10c

ANDRIANTOVOHERINDRAINY Jean Britto,

vady navelan’i Agnès RAHELIARINIVO (Nivo)

(Jereo ato)

dia
manolotra fisaorana sy fankatelemana feno anareo rehetra nidodododo niray fo
taminy, nanotrona, nankahery, nampionona tamin’izao fahoriana izao.

Misaotra ireo izay nanome tànana azy hatrany tamin’ny fikarakarana
sy ny fitsaboana an-dratompokovavy fony narary izy,

Misaotra ireo izay niantso, nandefa hafatra, nahatsiaro sy
nitondra am-bavaka tamin’ny fotoana nahalasanany,

Misaotra ireo solontenan’ny  Ankohonona Victoire Rasoamanarivo notarihin’ny Aumônier izay nidina tany Naples sy ireo namana
tao Naples sy ny manodidina  ihany  koa, tonga niondrika  sy niara-niombom-bavaka tamin’ny lamesa fanaovam-beloma
farany azy ny asabotsy 21 aogositra teo,

Misaotra ireo tompon’andraikitra ao amin’ny
masoivohom-pirenena malagasy izay nanafaingana ny taratasy rehetra nilaina
amin’ny fampodiana ny razana any an-tanindrazana, ka hahafahan’izy ireo manainga
amin’ny zoma 27 aogositra ho avy izao.

Mankasitraka hono tompoko, fa tsy irery izy tamin’izao andro
manjombona izao. Ny varavarana nivoahana tokoa no azy fa ny fahoriana dia
niarahanareo nizaka taminy.

Andriamanitry ny Fitiavana sy ny Fiadanana hono anie
homba anareo rehetra ary hamaly ny soa vitanareo.

P1060021

Amin'ny finoana sy fanantenana amin'ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesana anareo fa ny Reny malalanay : Rajarison Julienne Lalao (teraka Razanadraibe) dia nodimandry teo amin'ny faha 64 taonany ny Zoma faha 20 Aogositra 2010

Siete tutti invitati all'ottavo  compleanno della Fraternità Malgascia il 18 luglio 2010 in via Gabriela degli Esposti, 93  (zona Selva Nera, Casalotti)

scansione0002

Ny Masoivohon'i Madagasikara eto Roma dia manolotra etoana ny fisaorana
mitafotafo an'ireo fikambanana rehetra mijoro eto Italia sy ireo
olon-tsotra maro izay tsy ho voatanisa etoana tamin'ny tamin'ny
fifanomezan-tanana mavitrika ka nahatontosan-tsika antsakany sy andavany
ny fankalazana ny faha 50 taonan'ny fahaleovantena ny firenena
malagasy. Isaorana ihany koa ireo rehetra namaly ny fanasana ka tonga
marobe niara nankalaza izany tao anatin'ny fifankatiavana sy
firaisankina tanteraka ary indrindra indrindra tao anatin'ny fitiavana
ilay Tanindrazana iombonana. Andriamanitry Fiadanana anie homba antsika
mandrakariva. 
 
Masoivohon'i Madagasikara eto Roma
 
Faha 27 jona 2010.
________________________________
Ny Fikambanana Tetezana Onlus dia maneho fisaorana sy fankasitrahana ny Malagasy rehetra eto Italia tonga maro niara-nifaly tamin'iny andro lehibe ho an'i Madagasikara iny.
Misaotra  ireo izay tonga nijery ny fampirantiana nokarakarain'ny Fikambanana izay natao nandritra ny herinandro nialoha ny fetim-pirenana, satria ankoatra ny fanaovana asa soa dia isan'ny tanjona kendren'ny Fikambanana ihany koa ny fampahafantarana an'i Madagasikara aty ivelany.
Isan'ny nahafaly ihany koa nandritra iny takariva iny ny nahafahana nampifaly ireo zaza malagasy tamin'ny arendrina, izay inoana fa santatra am-bavarano ihany fa ny manetsa be mbola ho avy.
Dia manantena hatrany fiaraha-miasa amin'ny rehetra ary mirary soa ho an'ny tsirairay sy ho an'ny tanindrazana.
Fikambanana Tetezana Onlus.
Roma, 27 jiona 2010
_________________________________
Ny FFKM eto Roma sy Italia dia maneho fisaorana etoana antsika rehetra
niara-nanatontosa
ny Fetimpirenena tao anaty fahatoniana sy fifanajana feno.
Tsy hay
tokoa ny hangina ny amin'ny ezaka nataon'ny tsirairay niombona sy
niara-nivavaka
ho an'ny Tanindrazantsika! Koa dia misaotra antsika rehetra
niombom-bavaka
ho an'ny Firenentsika, sy niara-nankalaza tamin'ny fomba
sy dihy
samihafa ny Fetintsika Malagasy rehetra tsy anavahana.
Isaorana manokana ireo rehetra nikarakara sy nanao ny adidy
masina
ho an'ny fiombonana ary  ho fampahafantarana an'ireo hafa
firenena momba
an'i Madagasikara (ny tsirairay sy ny fikambanana ary
ny vondron'olona samihafa
araka ny adidy manandrify azy avy, ka
notanterahiny). Mankasitraka e!
Mitondra am-bavaka ny Malagasy
rehetra hatrany.
FFKM Roma-Italia
Roma, 29 jiona 2010

Tontosa tsara ny fankalazana ny faha-50 taona nahazoana ny Fahaleovantena teto Roma.

Na teo aza ny tsy fitovian-kevitra teo am-pikarakarana azy, na nisy aza ireo ahiahy ny mety ho fizotran'ny fety, na teo aza ny oran'andro nijojo tamin'ny fotoana indrindra nanombohana ny fotoana -  indrindra nony nohiraina ny "Zanahary ô, tahio ny tanindrazanay" tamin'ny famaranana ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana - dia nizotra an-tsakany sy an-davany tanatin'ny fifaliana tanteraka iny takariva iny.

Tsy hay ny tsy hisaotra ny ankolafy rehetra eto Roma niara-nisalahy ka nahatomombana izany. Nahafinaritra ny nahita azy ireo niaraka foana hatrany, eny fa na hatramin'ny fampisehoana ny vako-drazana malagasy sy tamin'ny fandidiana ny mofomamy aza : tao ny tompon'andraikitra ao amin'ny masoivohom-pirenena malagasy eto Roma, tao ireo Fikambanana mijoro dia ny Fraternità malgascia, ny Tetezana Onlus ary ny Zanak'i Gasikara, tao ny fiangonana protestanta ary tao koa ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo. 

Ankoatra azy ireo dia maro koa ny nanome tanàna teo amin'ny fikarakarana ny sakafo, ny fampitaovana, sns tsy voatanisa sao misy hadino.

Ary ny tena nahafaly dia ny fahatongavan'ny Malagasy sy vahiny maro nifanotrona tamin'izao andro lehibe izao. Ireo avy tany amin'ny faritany (Parma, Bologna, Ancona, Fiuggi, sns). Ireo Fikambanana vahiny miasa sy manao asa soa any Madagasikara, ireo teratany Malagasy sendra mandalo eto Roma.

Misaotra sy mankasitraka ny rehetra rehetra.

Takelaka