Fisaorana tamin'ny Fikambanan'i Jesoa
Ny Fikambanan’i Jesoa, Ireo Zezoita ao amin’ny Kolejy Md Robert Bellarmin sy ireo Trano Iombonampirenena ao Roma (DIR) ary ny Faritr’i Madagasikara, Izy telo mirahalahy iray tampò aminy sy ny anabaviny ary ny fianakavian’i Mompera Rafanomezantsoa Paul Louis, Ny ankohonana kristianina katolika malagasy Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo, eto Roma sy Italia:

Amin'ny fahatokiana sy fanantenana ary finoana ny fitsanganana amin'ny maty no ilazana amintsika fa i Père Paul-Louis Rafanomezantsoa, Aumonier-n'ny Fiangonana Malagasy eto Roma, Raiamandrenintsika, dia nantsoin'ny Ray nody any aminy araka ny vaovao voaray io tolakandro io. Ny razana dia mbola any Reggio Emilia amin'izao fotoana izao ary hampakarina aty Roma.
