You are here

Nodimandry P. Paul-Louis

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 03/09/2007 - 15:11

Amin'ny fahatokiana sy fanantenana ary finoana ny fitsanganana amin'ny maty no ilazana amintsika fa i Père Paul-Louis Rafanomezantsoa, Aumonier-n'ny Fiangonana Malagasy eto Roma, Raiamandrenintsika, dia nantsoin'ny Ray nody any aminy araka ny vaovao voaray io tolakandro io. Ny razana dia mbola any Reggio Emilia amin'izao fotoana izao ary hampakarina aty Roma.

Izahay mpikarakara ny site dia maneho etoana ny fiarahanay miory sy mitondra ny teny fampiononana ho an'ny fianakavian-dratompokolahy sy ny Fianakaviamben'ny pretra Zezoita.

Ny fandaminana fantatra aloha, nefa mety mbola hiova :

Alarobia amin'ny 9 maraina izy no hapetraka ao amin'ny Chapelle San Macuto, Via del Seminario 120, (izay toerana fanaovan'ny Malagasy lamesa isaky ny ny tapabolana) koa dia manasa antsika malagasy rehetra ho tonga amin'io ora io mba hiaraka hivavaka fohy amin'ny teny malagasy.

Avy eo dia hatao veloma farany ao amin'ny Fiangonana Sant' Ignazio (eo akaiky eo ihany) amin'ny 10 ora maraina, alohan'ny hanaterana azy eny amin'ny fasan'ny fianakaviamben'ny Zezoita eny Tiburtina.

Hampitaina amintsika eto ihany ny vaovao fanampiny.

Mivavaha ho an'ny fialan-tsasatry ny fanahiny.

 

Vaovao tohiny

Ny Talata 4 septambra amin'ny 8 ora alina (20h) dia hisy lamesa ao amin'ny Chapelle S. Macuto, Via del Seminario 120.

Momba ny famangiana : Araka ny fandaminana nampitaina taty aminay. Izay rehetra hanao famangiana dia entina amin'io fotoana io fa misy handray azy. Hatambatra izany ka mandritra ny famangiana izay atao ny Alarobia maraina tarihin' Andriamatoa Mpiandraiki-draharaha ao amin'ny Masoivoho, ny Jeneraly Sambiheviny.
_______________________

Toa izao ny taratasy nilazan'ny P. Recteur Bellarmino ny momba ny zavatra nitranga.

AVVISO

È morto il P. Paul Louis Rafanometzansoa.
 
Per me è motivo di profonda tristezza avvisarvi che stamattina alle 6:30 è morto per un infarto il p. Paul Louis Rafanometzansoa.

 

Era arrivato ieri a Reggio Emilia per dare gli esercizi spirituali e ieri sera ha detto alla suora che non poteva respirare. Hanno chiamato subito il pronto soccorso. Il pronto soccorso ha fatto il possibile per salvarlo, però senza successo. Alle 6:30 AM fu dato per morto.
 
Non ho altre informazioni in questo momento, ma comunicherò le notizie il più presto possibile.
Pregate tutti per il p. Paul Louis e per la nostra comunità che lo aveva di saggio direttore e compagno gesuita allegro e generoso. Ricordate anche la sua famiglia.
Il p. Paul Louis aveva 56 anni. È arrivato al Bellarmino il 19 di settembre di 2005. Che il Dio della misericordia l’abbia nella sua gloria.
 
sabato 1 settembre 2007
In Cristo,
 
William Spine SJ
Vice-rettore
 
Funerale: mercoledì 5 settembre 2007
 
Chiesa di S. Ignazio di Roma
9:00 Camera Ardente nel Collegio S. Roberto Bellarmino
Via del Seminario, 120
9:45 Processione alla Chiesa di S. Ignazio
10:00 Messa per il Defunto
e dopo la sepoltura nel Cimitero del Verano