All news

388. Fanasana.

Ny filohan'ny Masoivoha malagasy eto Italie Andriamatoa Jean Pierre RAZAFY-ANDRIAMIHAINGO sy Ramatoa vadiny dia faly manasa ny malagasy hankalaza ny faha 48 taonan'ny Fahaleovantenan'ny Madagasikara ny Alakamisy 26 Jona manomboka amin'ny valo ora hariva. More>>

387. Hihaona amin'ny malagasy eto Italia ny Filoham-pirenena.

Ampandrenesina isika Malagasy tsy ankavanavaka eto Italia fa handalo eto Roma ny Filoha Marc Ravalomanana ny talata 3 ka hatramin'ny zoma 6 jiona 2008. More>>

386. Fitsidihana ny Papa Ray Masina nataon'ny ambasadaoro.

Fitsidihana ny Papa Ray Masina ho fanaovam-beloma no nataon'andriamatoa Razafy-AndriamihaingoJean-Pierre, ambasadaoro malagasy, ny 19 mey lasa teo. More>>

385. COMMUNIQUE DE PRESSE: Madagascar-Italie, Nouveau Partenariat Economique

Répondant positivement à une initiative de Son Excellence Monsieur le Président de la République, Monsieur Marc Ravalomanana, et à une invitation de la Présidence de la République relayées par l'Ambassade de Madagascar en Italie, More>>

384. Fihaonana tamin'ny ambasadaoro.

Araka ny re dia nisy fiantsoana fivoriana niarahana tamin'ny Andriamatoa Ambasadaoro tamin'ny 12 mey lasa teo teny amin'ny masoivohontsika, ka indro ny tatitr'izany fivoriana izany. More>>

383. Fialantsiny : tsy raikitra ny fihaonana amin'ny Filoha.

Izahay mpiandraikitra ny vohikala dia miala tsiny noho ny tsy nahafahanay nampahafantatra ara-potoana fa tsy raikitra ny fihaonana amin'ny Filoha Ravalomanana. More>>

382. Antso avo ho fanampiana an'i Kamba

Efa nisy tamintsika angamba no nahita sy namaky teto amin’ny tontolon’ny aterineto ny tantaran’i Kamba, zaza herintaona mipetraka any Mahajanga izay manana takaitra hatrany an-kibon-dreniny. More>>

381. Taratasy misokatra avy amin'ny Ambasadaoro.

Indro adikanay malalaka eto ny taratasy misokatra nataon'Andriamatoa Razafy-Andriamihaingo Jean-Pierre, lehiben'ny Masoivoho malagasy eto Roma, ho an'ny Malagasy rehetra eto Italia. More>>

380. Fanasana.

Ireo Fikambanana manao asa soa any Madagasikara : Tetezana, MAIS, Amici di Padre Pedro ary Gialuma dia manasa antsika ny talata 20 mey (17h-20h) ao amin'ny Città dell'Altra Economia (Testaccio). More>>

379. Fiaraha-miasa Madagasikara Ascoli Piceno

Ascoli-Piceno no faritra voalohany notsidihan'ny ambasadaoro malagasy vaovao, andriamatoa Razafy-Andriamihaingo Jean Pierre, izay voatendry hitantana ny masoivohontsika eto Italia iray volana mahery kely izay. More>>

378. Fisaorana avy amin'i Frera Nicolas sy Frera Pascal.

Dia an-kafaliana tokoa no isaoranay anareo rehetra tonga nanotrona sy niombom-bavaka tamin'ny fanamasinana anay mirahalahy ho diakra ny 25 Marsa 2008 lasa teo iny. More>>

377. Fankalazana ny 29 Marsa 1947 eto Roma.

Ho fahatsiarovana ny andron'ny 29 martsa 1947, dia hisy fanompoam- pivavahana iraisam-pinoana ny 30 martsa amin'ny 4 ora tolakandro, ao amin'ny Fiangonana protestanta, via IV novembre. More>>

376. Raki-dehiben'ny Paka ao amin'ny paroasy katolika.

Mirary ny rehetra mba hanao ity Herinandro Masina ity ho herinandro handalinana ny fototry ny finoana, ary mampahatsiahy ny Lamesan'ny Paka ao amin'ny paroasy katolika. More>>

375. Fanasana Diaconat Jésuites

Izahay mirahalahy, skolastika ao amin'ny Fikambanan'i Jesoa, dia faly manasa antsika Malagasy rehetra sy ireo tapaka sy namana monina eto Italia mba hiara-hiombom-bavaka aminay amin'izao firosoana… More>>

374. Fiatahana masina ao amin'ny paroasy katolika.

Hatao amin'ny alahady 9 marsa tontolo andro ho avy izao ny Fiatahana masina (recollection) karakarain'ny Paroasy malagasy Victoire Rasoamanarivo. More>>

373. Rivo-doza IVAN

Aina nafoy, tanàna sy fonenana rava, rano miakatra no takaitra navelan'ny rivo-doza Ivan tany an-tanindrazana, raha tafiditra tany amin'ny faritra atsinanan'ny Nosy izy tamin'ny 17 febroary teo. More>>

372. Fanasa avy amin'ny Fraternità Malgascia

Ny Fikambanana FRATERNITA MALGASCIA dia faly manasa antsika rehetra hamonjy ny fety lehibe roa sosona amin'ny alatsinainy 24 martsa 2007, hanomboka amin'ny 2 ora tolakandro eny Selva Nera (Casalotti). More>>

371. Fanasana fanamasinana ho Diakra.

I Frera Sandy Rajaonarison dia faly manasa antsika tapaka sy namana hanatrika ny fanosorana azy ho Diakra ny asabotsy 23 febroary 2008. More>>

370. Zotra Air Madagascar - Fiovan'ny ora

Toa izao indray ny fiovana misy eo amin'ny zotra Air Madagascar amin'ity taona ity. More>>

369. Fihaonana sy fivavahana iraisam-pinoana.

Ny fiaraha-mivavaka iraisam-pinoana sy fifampiarahabana tratry ny Taona Vaovao 2008 fanaon'ny Malagasy eto Roma isan-taona dia hatao ny Alahady 27 janoary ao amin'ny Pontificio Collegio San Pietro Apostolo, via delle Mura Aurelie 4. More>>
First  < 4 5 6 7 8 >  Last