You are here

Mompera Alain nankalaza ny 15 taona naha-mpisoron'ny Avo azy.

Nampidirin'i Rondro ny Tue, 18/06/2019 - 08:25

 

Feno 15 taona tamin'ny volana mey ny nanosorona ho mpisoron'ny Avo an'i mompera Alain Velomaroson ka ny alahady 16  jiona teo, tao amin'ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo eto Roma, no nisafidianany hankalazana izany niaraka tamin'ireo namana sy tapaka sy ireo relijiozy rahalahiny sy anabaviny ao amin'ny Tompo.

Nifanandrify rahateo tamin'ny Fetin'ny Trinite Masina io andro io - ary tsy tanatin'ny kajy akory izany, hoy izy, fony izy nandinika ny daty hanaovana azy niaraka tamin'ny ray am-panahy mpiadidy ny Ankohonana - kanjo moa dia mainka  nanome lanja sy hevitra mafonja ilay andro lehibe. 

Isaorana tanteraka azy ny nanekeny hizara izany hafaliana sy fahasoavana izany tamintsika, na tamin'ny Sorona Masina nanomezana voninahitra an'Andriamanitra tamin'ny Fitahiany ka nahatratrarana ity fotoan-dehibe ity, na tamin'ny koranam-pianakaviana tsotra nefa feno hafanana sy fitiavana. Fenofeno tokoa ny fo nanotrona azy ary voarakitra anaty horonantsary izany mba ho fahatsiarovana mamy tsy ho hadino. 

Izy koa moa dia manolotra fisaorana ny rehetra niaraka niombom-po sy fanahy taminy, na ny lavitra na ny akaiky, na ny afaka nanotrona na ny nanam-paniriana ho avy saingy tsy afaka noho ny adidy aman-draharaha avy tsy maintsy niantsorohana.

Dia atolotra azy ny firariantsoa mba homen'Andriamanitra tanjaka sy fahasalamana hatrany ho entina manompo ao an-tsahaNy ao mandritra ny 15 taona manaraka sy ireo 15 rehetra mbola ho avy.

Hombam-pahasoavana hatrany !

 

(Ny sary vitsivitsy dia azo jerena ihany koa ato amin'ny : TAHIRINTSARY.)