You are here

Takarivam-pikoranana nisaorana an'andriamatoa Dama Rakotondrasedo mivady

Nampidirin'i Rondro ny Thu, 22/08/2019 - 08:18

 

Manolotra avy hatrany ny fialan-tsiny tanteraka amin'ireo tsy tratr'antso tamin'ity korana kely ity izay natao hisaorana ny Zoky Raiamandrenintsika, andriamatoa Dama Rakotondrasedo mivady, satria amin'ny naha "surprise" azy dia tsy afaka natao resaka imasom-bahoaka ilay izy tao amin'ny facebook izay sehatra iray tena manamora ny fampitam-baovao, na tamina vondrona mailaka satria izy mivady dia samy mandray hafatra amin'ireny.

Voatery nanoratana tsirairay izay tratra, nilazana hoe tongava ao amin'ny ambassade daholo amin'ny sabotsy 10 aogositra fa hiaraka hisaotra sy hanao veloma mandra-pihaona an'i Zoky Dama mivady isika izay hody any an-tanindrazana tsy ho ela intsony rehefa nahatontosa ny adidiny, niahy antsika teto Italia nandritra ny 15 taona. Ny fanafatrafarana mba samy hitazona tsiambaratelo moa dia totoafo mihitsy.

Ny alahady maraina dia efa nanoratra i zoky Dama niangavy hoe : "ampitao amin'ny rehetra ny fisaorana sy fankatelemena." 

Izahay mpiketrika koa dia misaotra anareo rehetra, indrindra izy mirahavavy zanak'izy ireo izay tena tompon-kevitra tamin'ity hetsika ity. Misaotra nahatana tsiambaratelo, nampitampita ny hafatra.
Misaotra anareo rehetra tonga, na ny teto Roma na ny avy any amin'ny faritra, sady tena mari-potoana daholo tokoa, tonga aloha be mihitsy aza satria efa folo hafatra hoe mila tonga alohany isika fa isika no handray azy.

Misaotra tamin'ny anjara birikin'ny tsirairay nahatontosana iny fotoana nahafinaritra loatra iny. Raha tsy namaly ny antso manko ianareo dia ho herim-po very maina ilay ketrika. Ny hafatrareo naniry ho tonga saingy tsy afaka noho  ny antony samihafa dia efa nampitaina tamin'izy mivady ihany koa.

Tam-pitiavana daholo no nanaovanareo ireny. Heni-kafaliana sy ampoka fitiavana izy mivady, ho tantely anondrahany ny ronono hosotroiny rehefa tonga soa any Madagasikara.

Dia mirary soa ry izy mivady. Ny vitanareo taminay tsy ho voavalinay fa rehefa mandalo tanàna ianareo dia vonona foana izahay hamatsy tantely. 
Arrivederci e grazie, ma veramente GRAZIE per tutto heart

 

Ny sary rehetra dia efa milahatra ao amin'ny tahirintsary : Fisaorana an'i zoky Dama mivady.

 

 

Rondro Volantsoa