Asaramanitra 2011 eto Roma,

Submitted by: Rondro
On: 20/06/2011

Indroa miantoana  ny fankalazana ny Fetim-pirenentsika eto Roma amin'ny alahady 26 jiona 2011 ho avy izao :

 

Ny maraina amin'ny 11 ora sy fahefany no hanasana sy hiantsoan'ny KOMITIN'NY FFKM eto Roma antsika Malagasy rehetra hanatrika  ny FANOMPOAM-PIVAVAHANA IRAISAM-PINOANA ho FISAORANA sy FANOMEZAM-BONINAHITRA AN'ANDRIAMANITRA ary ho FANGATAHAM-PITAHIANA ho an'ny Tanindrazana.


Ny toerana dia ao amin'ny Via del Seminario, 120 (Collegio San Roberto Bellarmino) 00186 Roma.
        

Antenaina tokoa ny fahatongavantsika maro tompoko!

           

Ny komitin'ny FFKM eto Roma

 

°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°

 

Ny hariva kosa dia ireo Raiamandreny ao amin'ny Masoivoho no manasa antsika Malagasy  tsy ankanavaka hifampizara ny Nofonkena mitam-pihavanana eny amin'ny foibe, via Riccardo Zandonai 84, hanomboka amin'ny 6 ora hariva.

Samia mba mifampilaza sy mifampita hafatra noho ny fotoana efa teritery ka sao maro ny tratra antso

Dia mirary antsika rehetra hahatratra soa ny Asaramanitra e !

ambassade

Add a comment






[*] Required