Nampidirin'i superadmin ny Thu, 06/09/2007 - 15:44

Dia maneho fisaorana etoana anareo rehetra tonga nidodododo nitsapa alahelo sy nankahery anay tamin’izao fitsapana nahazo anay izao, sady nanohana anay tamin’ny asa sy fanampiana samihafa mbamin’ny fahafoizanareo fotoana, tamin’ny fandevenana an’Itompokolahy Mompera Rafanomezantsoa Paul Louis (sj) sady rahalahy no ray aman-dreninay.
“Lalin-devenana ny maty koa dia misaotra anareo rehetra!”. Misaotra koa amin’ny vavaka nataonareo rehetra. “Andriamanitra manaň’amby ampy anie hamaly soa anareo sy haňome be dia be anareo ny fahasoavany”, fa malalan-taňana amin’ny olon-drehetra Izy. Dia manolotra vavaka ho anareo ao amin’i Kristy koa izahay.
Ho voninahitr’andriamanitra lehibe indrindra.
P. Rabenirina Joseph sj
Rohy fanampiny: