Fanaovam-beloma farany an'i Fidèle

Na anatin'ny alahelo tokoa aza isika ankehitriny, dia fenofeno ny fo ka tsy hay ny tsy hitsiky, hisaotra, hankasitraka, hankatelina anareo tamin'ny fidododoanareo omaly alakamisy 8 desambra, naneho fa mbola sarobidy ny fihavanana. Tonga ianareo tsy nitandro hasasarana, nanombina ny fotoananareo, nahafoy harena ihany koa fa mahatsiaro ho manana adidy amin'ny fiarahamonintsika.

Sitraka enti-matory hono tompoko, hoy Tsiory zanany sy ny fianakaviana manontolo any Madagasikara, fa tsy navelanareo ho irery izy ireo ary tsy navelanareo ho very taty an-tanin'olona taty i Fidèle. Navalinareo azy ny fitiavana sesehena nafafiny nandritra ny 25 taona teo ho eo niainany teto Roma sy Italia, ary ireo tsy nahalala azy dia tsy nisalasala tonga  noho ny fahatsapana fa tanan--kavia sy havanana tokoa isika ka izay didi-maharary.

Mino isika fa velon-tsiky sy velom-pisaorana i bebe Jeanine reniny eny amin'ny tontolo tsy hita maso eny, mahita izao ataonareo ny zanany izao. Dia ho ny soa indray no hifanodiavantsika tompoko.

___________________________

7 desambra : teny aminy hopitaly tamin'ny fotoana nikimpian'ny masony. Niara-nidinika ny amin'ny adidy atao aminy farany.

.......

8 desambra : fotoam-pivavahana ho fialan-tsasatry ny fanahiny tao amin'ny fiangonana protestanta. 

.......................

 

10 desambra : fiondrehana farany teo anoloan'ny vata mangatsiakany sy fanaterana azy teny amin'ny fasana ilevanany eny Prima Porta (isaorana an'i Hervè Donatien ny pika sary sy ny ampahan'ny horonana).

 

................DSCN8783.............................................................................

Hampiditra hevitra