Andriamatoa Razafy-Andriamihaingo teny amin'ny Filoha Napoletano.
Tontosa omaly teny amin'ny Quirinale ny fanoloran'Andriamatoa Razafy-Andriamihaingo ny taratasy manendry azy ho Lehiben'ny masoivoho malagasy eto Italia.
Omaly 15 oktobra 2008 no niakatra teny amin'ny Lapan'ny Quirinale Andriamatoa Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo nanolotra tamin'ny Filoha Giorgio Napoletano ny taratasy manendry azy ho Lehiben'ny masoivoho malagasy eto Italia.
Nanatrika izany ny "Sottosegretario" ao amin'ny ministeran'ny Raharaham-bahiny italiana, on. Vincenzo Scotti.
