You are here

Takariva ho an'ny Akamasoa

Nampidirin'i superadmin ny Thu, 15/04/2010 - 13:19

 

Korana natao ny takarivan'ny 9 aprily teo, natokan'ny Fikambanana Amici di Padre Pedro ho fanohanana an'i "Akamasoa". Maro noho ny niheverana azy ireo nanohina ny antso hoy ny Filohan'ny fikambanana, Fabio Meloni, raha niarahaba sy nisaotra ny rehetra izy.

Ny mpampiantrano, ny "Centro Baobab" no nikarakara ny sakafo eritreana/etiopiana ary ny tarika "I Rise Up Singing" - tarika miantsa indrindra indrindra ny tolom-panahafahana irlandezy sy afro-amerikana - kosa no nanolotra ny talentany ho an'ny Akamasoa.

Ialana tsiny fa vitsy ny sary azo fa variana niresaka sy nankafy/nanaram-po tamin'ny  sakafo cheeky

Misaotra sy mankasitraka hatrany ireo mahafoy tena, mahafoy andro ary mahafoy harena ho an'i Madagasikara...