Zava-kanto
Roa andro natokana ho an'i Madagasikara eto Roma
Ny Associazione Tetezana Onlus dia faly manasa antsika Malagasy rehetra eto Italia amin'ny "Roa andro natokana ho an'i Madagasikara" izay karakarainy miaraka amin'ny Museo Civico di Zoologia (Roma) sy ny Museo Regionale di Scienze Naturali (Torino) nampitondraina ny lohahevitra hoe "Ny olombelona sy ny zavaboarin'i Madagasikara" ny 21 sy 22 jiona ho avy izao.
Ny toerana dia ao amin'ny
Museo Civico di Zoologia
Via Ulisse Aldrovandi, 18
Roma
VCD Vaovao Demi-Soleil
Namoaka raki-kira antsary vaovao mitondra ny lohateny hoe "Demi-Soleil" ny mpanakanto iray avy any Madagasikara antsoina hoe R.J na 13-1 izay andraisan'i Olga del Madagascar anjara. I Olga del Madagascar dia Malagasy avy eto Italia ka mahafaly anay ny mampahafantatra anareo ny fisian'izany VCD izany.
