You are here

Veloma da'toa Fidèle.

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 07/12/2016 - 13:47

Amin'ny fo feno alahelo no hilazana amintsika Malagasy eto Italia manontolo fa nandao antsika tampoka teo amin'ny faha-49 taonany i Fidèle Barinjaka, anio alarobia 7 desambra tamin'ny 7 ora hariva teny amin'ny hopitaly San Camillo eto Roma.

Isaorana sahady ireo efa nidodododo nanatri-maso azy farany nanomboka omaly fony izy vao nifamonjena naiditra hopitaly ka hatramin'ny anio hariva. 

Efa misy moa ny fiarahana mivavaka iraisam-pinoana nokasaina ho fangatahana fitahiana ho azy ny alakamisy 8 desambra amin'ny 4 ora hariva, ao amin'ny fiangonana protestanta, via del IV Novembre,  ka dia tanterahintsika ihany izy io ho an'ny fialan-tsasatry ny fanahiny sady hanefantsika ihany koa ny fara adidy aminy, ho solon-dambamena.

Noho ny maha irery azy aty an-tany lavitra manko dia tsy misy afa-tsy isika zanaka am-pielezana ihany no solom-pianakaviany. Tsy ho endrika famangiana ny adidy ataontsika noho izany fa tena fandraisan'anjaran'ny rehetra, tapaka sy namany, na lavitra na akaiky. Ka araka ny fandaminana dia hoe hozaraina valopy eo am-baravarana isika, ka samy mandrotsaka izany toa ny rakitra avy eo. Koa manantena ny fiaraha-mientantsika rehetra satria 3000 euro eo ho eo ny ilaina hanatontosantsika zany adidy farany aminy izany. 

Ireo any amin'ny faritany ka lavitra an'i Roma dia afaka mifandray amin'i Rick : 392 1610506 na i Andry : 347 143 2921.

Dia etoana no hanehoana amin'ny fianakaviany manontolo any Madagasikara ny fiombonana alahelo amin'izy ireo. Mankahery indrindra ary handry am-piadanana anie ny fanahiny.

Vita ny hazakazakao, veloma Fidèle, soava dia amin'ilay tontolo tsisy fahoriana intsony ! Any indray mihaona.