You are here

Madagasikara mandray anjara amin'ny hetsika Roma verso Expo Milano 2015.

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 27/01/2015 - 11:13

Ho fiomanana sy hiatrehana ny Expo Milano 2015, dia misy ity hetsika ity zay ifarimbonan'ny Ministeran'ny Raharahambahiny italiana miaraka amin'ireo Masoivohompirenena vahiny, ireo Andrim-panjakana isan-tsokajiny ary ny Fikambanana maro voakasik'izany ka ahafahan'ireo firenena 140 mandray anjara amin'ny Esposizione Universale mampahafantatra bebe kokoa ny momba azy ireo. Anisan'izany i Madagasikara.

Maro ny hetsiky ny Tanànan'i Roma amin'ity "Roma verso Expo Milano 2015" ity izay ho tazantsika eny amin'ny toerana lalovantsika eny. Ny hanasana antsika teratany malagasy, sy ireo namana vahiny ihany koa, dia ny fitsidihana ny tranoheva hampirantiana ny momba an'i Madagasikara eny amin'ny Aeroporto di Fiumicino, Terminale 3 (Hall Partenze) manomboka ny talata 3 febroary ka hatramin'ny alarobia 18 febroary. Marihina fa vao santatra am-bavarano fotsiny ity mialoha ny tena goavana izay hatao any Milan amin'ny volana mey.

Izay afaka hanatrika ny fitokanana ny talata 3 febroary amin'ny 12 ora atoandro ihany koa dia isaorana sahady.