You are here

Koezy Tompoko Zanahary... misaotra tamin'ny nahazoan'i Madagasikara kardinaly.

Nampidirin'i Rondro ny Sat, 30/06/2018 - 18:51

 

 

Heni-karavoana ny kristianina malagasy tamin'iny faran'ny herinandro nanendren'ny Papa Ray Masina ny kardinaly vaovao ho an'i Madagasikara iny. Tsy latsa-danja ny hafaliana ho an'ireo izay afaka niaina izany mivantana teto Roma, tsy ny katolika irery ihany fa rehefa Malagasy. Tonga avy amin'ny vazan-tany efatra izy ireo hanotrona, hanatrika izany. Tsy mahalavi-tany ny fitiavana ka na ny 10.000 km mahery manasaraka an'i Roma sy ny tanindrazana aza dia nosidinana.

Fenofeno erý ny fo ny alakamisy 28 jiona 2018 raha nandroso teo anoloan'ny Papa Fransoà i Mgr Désiré Tsarahazana, arsevekan'i Toamasina, 63 taona, nandohalika ka nandray ny Peratra, ny Satroka mena ary ny Taratasy fanamarinana izay manambara  ny maha-Kardinaly azy :

  • ny Peratra, misy sarin'ny Hazo Fijaliana dia midika Fiombonan'ny kardinaly amin'ny Papa Ray Masina sy fampatsiahivana azy haka tahaka an'i Kristy izay nanolotra ny ainy ho an'ny Eglizy.
  • ny Satroka Mena, manambara fa manomboka eo dia tafiditra tanteraka anatin'ny "Collège des Cardinaux" izy.
  • ny Taratasy Fanamarinana dia ilay taratasy misy tombo-kasen'ny Papa manambara ny nanendrena azy ho kardinaly sy manondro ny Paroasy iray izay horaisiny eto Roma. Io Paroasy io no antsoina hoe "Titre Cardinalice". Ny fananan'ireo kardinaly vaovao paroasy iray eto Roma manko dia manamafy ny fifamatorany amin'ny Papa, evekan'i Roma. Izany hoe ireo kardinaly mpiara-miasa aminy akaiky dia manana andraikitra ao amin'ny diosezin'i Roma izay iadidiany.

Taorian'io fotoan-dehibe io dia nizotra nankao amin'ny "Efitra Paolo VI" ny rehetra nandray tànana, niarahaba sy nanolotra fahatsiarovana azy ihany koa. Somebika tsisy toa izany tao tamin'ny fakana sary fahatsiarovana, ny firedonana hira firavoravoana. Talentantsika malagasy rahateo io... totorebi-kafaliana !

Ny ampitso zoma 29 jiona, izay andro tsy fiasana eto Roma satria fankalazana ny Martirin'i Md Piera sy Paoly, Olomasina mpiahy an'i Roma, dia niaraka nanolotra Sorona Masina lehibe tamin'ny Papa Fransoa teo amin'ny Kianjan'i Md Piera ireo kardinaly vaovao. Ary dia mbola nahofahofa tao koa ny faneva maromaro fotsy-mena-maitso an'i Madagasikara.

Vita izay dia nananika ny havoanan'ny Gianicolo daholo namonjy ny sakafom-pianakaviana efa nomanin'ny Ankohonana katolika eto Roma teny amin'ny paroasin-drizareo Masera Trinitera avy any Valence. Fety tsotra fa feno fitiavana toa an'i Kardinaly Tsarahazana ihany.

Satria dia tena tsotra sy feno fitiavana tokoa izy ka na ny olana vitsivitsy nosedraina teny am-pikarakarana teny aza dia toa nivaha mora daholo ka nahatonga anay niaiky fa tena moraina i Zoky. Izay rahateo no efa nahalalanay azy  hatramizay satria fony vao nanomboka ny taona voalohany niofanany ho pretra izy no efa zokibenay tao an-trano niaraka tamin'ilay zokiko lahimatoa pretra iray andiany taminy. Niaraka teny foana izy mirahalahy tamin'ny dingana rehetra nolalovana. Ary tsy izy mirahalahy irery ihany fa maro mianadahy izahay no "notezain'i mama" tao an-trano tao tamin'ireny fotoana ireny, tsy nanavaka finoana na firehana hafa fa zanany daholo.

Ary dia izay no naverinay telo mianadahy afaka nanotrona azy tamin'ity fotoana ity - i zoky Pasteur Emmanuel Tehindrazanarivelo tonga avy tany Madagasikara sy i zandry Gisèle avy any Paris ary izaho. Nifanaraka izahay fa hitotorebika toy ny fanaonay fahizany, hahatsiaro ireny fotoana mamy ireny, 35 taona mahery lasa izay - amin'ny anaran' ireo tsy eo intsony sy amin'ny anaran'ireo tsy afaka hiaraka aminay mivantana : Koezy Tompoko Zanahary !

Tsy hay ny tsy hisaotra izay rehetra nahatanteraka iny fotoana iny. Tsy misy ny tomombana zato isan-jato fa nahafaly izay vitanareo izay. Mankasitraka mankatelina,
ary indrindra misaotra zoky Dezy fa  araka ny tenin'i zoky Kiki izay hoe : "nahazo kardinaly ny fiangonana katolika, nahazo kardinaly i Madagasikara fa izahay mbola manana Dezy."

Ireo sary dia azo jerena ato : Consistoire 2018.

Rondro Volantsoa