You are here

Hetsika 'Da Malgasci in Madagascar a Malgasci in Italia'

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 08/03/2016 - 12:19

 

 

Ny zoma 4 martsa teo no natao teny amin’ny foiben’ny Fikambanana Mais Onlus ny fihaonana "Da Malgasci in Madagascar a Malgasci in Italia", nampahafantarana antsika Malagasy eto Italia. Azo atao hoe andiany faharoa izy io, raha tamin’ny volana jiona tamin’ny taon-dasa no efa nisy ny voalohany. Ny fikambanana Tetezana Onlus sy ny mpikarakara ny vohikala Malagasy eto Italia hatrany no isan’ny namolavola azy ity, ary natao teo ambany fiahian’ny Consiglio Regionale del Lazio sy ny Masoivohon’i Madagasikara eto Roma.

Andro fiasana no nanaovana azy ity ka somary nanahirana ny maro ny tonga teny an-toerana satria samy sahirana amin’ny asa fivelomana sy ny adidy aman’andraikitra avy ny tsirairay, fa isaorana indrindra ireo nanao ezaka lehibe tamin’ny fanomanana sy fandraisana anjara ary fanotronana fa tsy nitsanga-menatra isika. Fisaorana no atolotra anareo rehetra, kanefa singanina manokana fa vovonana iadian'ny lohany ny Ray am-panahy, mompera Pierre Emile Rakotoarisoa, avy amin’ny Ankohonana katolika Victoire Rasoamanarivo, ary ny solotenam-panjakana avy ao amin’ny Masoivoho eto Roma, izay notarihin’andriamatoa Dama Rakotondrasedo, Mpiandraiki-draharaha, a.i (mpisolo toerana), ankehitriny.  

Ankoatran’ny firesadresahana momba ny fiampiainantsika Malagasy eto Italia dia nandray fitenenana tao koa i Guilio Querini, mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo sady mpanoratra, nampahafantatra ny asa-sorany “Sotto il cielo del Madagascar”.

Ary teo am-pamaranana, mialoha ny fialana hetaheta sy sakafo malagasy natao ody am-bavafo dia nahaliana ireo vahiny ny fanazavana nentin’i Hervé Donatien, mpamorona  ny tarika artistika KA.ME.MA (Kanto sy Mevan’i Madagasikara) : “zava-dehibe amin’ny Malagasy, hoy izy, ny Fireneny na efa mahatsiaro milamina aza ny fiainany aty an-tanin’olona aty hany ka mitodika amin'ny Fireneny hatrany izy, toy ny firaiketam-pon’ny zanaka amin’ny reniny satria ny Firenena amin’ny teny malagasy dia avy amin’ny foto-teny hoe Reny.”

Mamerina fankasitrahana hatrany antsika rehetra, na ny tonga na ny naniry ho avy saingy voatanan’ny adidy isan-tsokajiny. Manantena anareo hatrany eo aoriananay amin’izay ezaka mbola hataonay hampahafantatra an’i Madagasikara.

Ny sary vitsivitsy dia efa nalahatra ATO