You are here

Fizotran'ny fanendrena ny Kardinaly vaovao eto Roma.

Nampidirin'i Rondro ny Wed, 13/06/2018 - 12:15

 

Efa nambara sy noresahana ombieny ombieny moa fa amin'ny faran'ny volana jiona ity no hampiantso ny "Fivorian'ny Kardinaly" i Papa Fransoa, hanendreny kardinaly vaovao miisa 14 ho mpiara-miasa aminy akaiky ka anisan'izany i Mgr Désiré Tsarahazana, arsevekan'i Toamasina sady Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka any Madagasikara. 

Izy izany no kardinaly malagasy fahaefatra, mandimby ny toeran'i Kardinaly Armand Gaëtan Razafindratandra izay nodimandry tamin'ny volana janoary 2010.

Am-pifaliana lehibe noho izany no hanentanana antsika hanotrona io fanendrena azy io izay ho indroa miantoana :

- ny alakamisy 28 jiona amin'ny 4 ora tolakandro dia hatao ao amin'ny bazilikan'i Md Piera ny "Concistoro Ordinario Pubblico" ka amin'io no hanoloran'ny Ray Masina azy ireo ny "peratra", ny "barette", ilay satroka mena ary ny Taratasy fanamarinana ny maha-kardinaly. Aorian'izay dia misy ny fotoana "handraisan-tanana sy hiarahabana" ny kardinaly vaovao ao amin'ny Aula Paolo VI manomboka amin'ny 6 ora  hariva ka hatramin'ny 8 ora alina.
Azon'ny rehetra atrehana ireo arak'izany saingy mila misoratra anarana any amin'ny Aumônier mba hahazoana ny tapakila fidirana.

- ny zoma  29 jiona kosa amin'ny 9 ora sy sasany maraina dia hisy ny Sorona Masina lehibe hametrahana an-tsoroky ny arseveka vaovao ny "pallium". Hotarihin'ny Ray Masina io fotoana io ary hotronin'ireo kardinaly vaovao izy amin'izany. Aorian'izay dia hirohotra hiara-paly amin'ny Kardinaly Désiré Tsarahazana eny Monteverde Vecchio isika (fa tsy ao amin'ny foiben'ny Masoivoho intsony araka ny voalaza teo aloha) : eny amin'ny Parrocchia Regina Pacis - via Maurizio Quadrio, 21 .
Mila misoratra anarana hatrany any amin'ny Aumônier satria samihafa ny tapakila fidirana amin'ireo andro roa ireo. 

Ny fifandraisana  amin'i aumônier momba ny fisoratana anarana :
P. Athanase Rafanoharantsoa, sj :
Mailaka :  jatharaf@gmail.com
Tel : 06679 4560-620 
Cell : 3479651101

Aza hadino ny fitafy mampiavaka antsika Malagasy​ sy ny sainam-pirenena.
Ireo izay manahy tsy hahatratra ny fidirana maraina be eny amin'ny Vatican dia afaka miandry any amin'ny masoivoho avy hatrany, handray tànana sy hiarahaba azy ary hiara-paly aminy.
Raha misy fanampim-baovao azonay dia tsy hadino ny mampita izany eto. Ilazao izay tsy mba afaka mahita ity hafatra ity satria andro lehibe, tsy ho an'ny Eglizy malagasy fotsiny ihany fa ho an'i Madagasikara ihany koa, io andro io.