You are here

Fifanakalozana firariantsoa 2018 tao amin'ny masoivoho.

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 12/02/2018 - 08:56

 

Am-pifaliana tokoa no isaorana anareo rehetra namaly ny fanasana nataon'ireo zoky Raiamandreny ka tonga teny amin'ny foiben'ny masoivohontsika omaly alahady 11 febroary nifanakalo firariantsoa etý am-piandohan'ny taona 2018. Tsy latsa-danja koa ny fankasitrahana ireo naniry ny ho avy saingy tsy afaka noho ny fotoam-bita nifanindry, ny sampona tsy azo nialana, ankoatra ny famerana ny fifamoivoizana tao afovoan-tanàna ho fitsinjovana ny rivotra iainana izay somary nampanano sarotra ny fihetsehana.

Nahafinaritra izy tao, ny ankizy nifalihavanja tany an-tokotany toy ny mahazatra rehefa tafahaona - indrindra fa zava-dehibe izany ho an'ireo zaza malagasy natsangana izay ezahan'ireo ray aman-dreniny ampihaonina hatrany amin'ny fotoana hifamotoanan'ny Malagasy toa izao mba tsy hanalavirana azy amin'ny fiaviany. Ny lehibe niala voly tokoa : sady nihinana no nitotorebika. Sitraka sy telina tamin'izay nentinareo nifampizaràna, ny nofon-kena mitam-pihavanana sy ny fialana hetaheta niboiboika natolotry ny mpanasa tsy azo odian-tsy hita, ny hafanampon'ny mpanafana lanonana manginy fotsiny - toy ny mahazatra. Onera be daholo na ny lany na ny hasasarana.

Natomboka tamin'ny kabary nataon' andriamatoa mpiandraiki-draharaha,  Suzelin Ratohiarijaona, ny fotoana. Nitondra ny teny firariantsoa tao koa isika zanaka am-pielezana. Ankoatr'izany dia isan'ny noresahana tamin'ny teny fohifohy ny akon'ny "Forum de la Diaspora" izay natao tany Madagasikara tamin'ny volana oktobra lasa teo iny, fa mbola ho alefa amintsika rehetra ihany ny tatitra an-taratasy hodinihan'ny tsirairay avy. Ary farany dia veloma indrindra hono ho antsika rehetra hoy ramatoa Helinoro Tianamahefa, mpiandraiki-draharaha teo aloha sy andriamatoa Mahitsy Ravoniandro, izay samy handao an'i Roma fa voatendry amin'ny andraikitra hafa.

Faly sy afapo ny rehetra nikarakara fa dia izao ro no mandavà tokoa. Mirary soa ho an'ny rehetra e !

 

Ny sary rehetra dia azo jerena ATO amin'ny TAHIRINTSARY