You are here

Fankalazana ny faha-50 taona naha-mpanompon'ny Avo an'i mompera Angelo, OssT.

Nampidirin'i Rondro ny Wed, 09/05/2018 - 14:41

 

Amin'ny alahady 1 jolay 2018 ho avy izao, amin'ny 6 ora sy sasany hariva, dia manasa antsika am-pitiavana i mompera  Angelo Buccarello, OssT, hiaraka hisaotra an'Andriamanitra amin'ny fankalazany ny faha-50 taona naha-mpisoron'ny Avo azy ao amin'ny eglizy San Rocco, Piazza Padre Trinitari - Gagliano del Capo (Lecce).

Isaorana sahady ireo ho avy hanotrona any an-toerana ary ireo tsy ho afaka kosa dia antenaina sy iriana hitrotro am-bavaka ity andro lehibe ho azy ity.

Izahay telo mianadahy mpiandraikitra ny takelaka koa dia miombona aminy am-po sy am-panahy amin'io andro io ary mirary azy hombam-pahasalamana hatrany hanatontosany an-tsakany sy an-davany ny fiasana ny Sahan'ny Tompo ho amin'ny 50 taona manaraka, sy mihoatra aza raha sitraky ny Ray.

Mirary soa Zoky o !