You are here

13 aogositra, andro natokana ho an'i Madagasikara eny amin'ny Expo 2015 any Milan

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 23/06/2015 - 08:38

Miarahaba am-pifaliana tompoko,

Araka ny fampilazana efa voaraintsika momba ny fampirantiana oniversaly EXPO Milano 2015, izay andraisan’i Madagasikara anjara feno ary efa nanomboka tamin’ny 01 May 2015 ka hatramin’ny 31 Oktobra 2015 dia voatendry fa ny androm-pirenentsika (jounée nationale) dia ny alakamisy 13 Aogositra 2015, manomboka amin’ny 10 ora maraina hatramin’ny 11 ora alina, koa manasa antsika rehetra am-pitiavana hanotrona io fotoana io izay nomena ny lohahevitra hoe ”MALAGASY MISAOMA”.
Noho izany dia izao isika dia efa manomana sahady izany dia rodobe izany, satria raha maro isika no handeha dia mahazo fihenam-bidy amin’ny fidirana ao amin’ny EXPO (39€ ny vidim-pidirana feno, nefa misy koa ireo izay mitsinjara araky ny taona, ny mpianatra, ny fianakaviana, ny sembana).
Koa manasa antsika Malagasy rehetra eto Italia (avaratra, atsimo, afovoan-tany, atsinanana, andrefana, eny fa ianareo ivelan'i Italia ihany koa ka afaka mandalo eto) mba hisoratra anarana dieny izao izay maniry ny ho tonga any Milan amin’io andro io, mba hahafahana mangataka fihenambidy izay hiriana mba tsy hihoatra ny 20€ raha maro isika. 
Ary tena entanina isika rehetra ho avy hanotrona io andro io indrindra ka hisoratra anarana fara-fahatarany ny 30 Jona amin'ireo ny e-mail na finday voasoratra etsy ambany. Marihina fa izay nanoratra anarana ihany no mahazo fihenambidy fa ny ambiny kosa afaka manotrona fa amin'ny vidiny feno.

Ramatoa Tahiriniaina RAJAONARIVELO : 
mailaka : tahiryniaina@madagascarexpo2015.org
finday : (00393)298751617

Andriamatoa Nomena RASAONA :
mailaka : nomenacvrf@yahoo.fr
finday : (0039)340439902

Manomboka amin’ny 10 maraina ary mifarana amin’ny 11 ora alina ny fotoana ao saingy mbola tsy hay tsara ny antsipirihiny amin’izay mety ho azontsika atao, ka asa raha misy hevitra avy eo mba hiarahana mikorana ivelan’ny Expo satria maro ny mba te hanohy ny fety ka dia ankinina ain’ny namana ao Milan raha afaka manomana izany (ohatra fotoanan'ny tournée an'i Big MJ eto Eoropa io ka sao azo araraotina ho io no angatahana ny hiaviany ao Milan). Ireo izay mila trano hatoriana kosa moa dia misy hotely azon’ireo mpikarakara atoro eo amin’ny € 30-40 eo.

******************************************************

Fandaminana momba ny avy eto Roma sy ny manodidina na izay te-hiainga avy eto :

Raha ny avy eto Roma manokana dia ny mandeha train no tsara indrindra satria vetivety kokoa noho ny mandray pullman sy fiara amin’io andro io, miala maraina dia mody ny ampitso nefa koa raha maro isika no handeha dia mahazo fihenambidy (farafahakeliny olona 19 ). 
Mila manao famandrihan-toerana mialoha anefa izany ka izay liana rehetra dia afaka manoratra mivantana amin'i Hery (hery@malagasy.it) na Andry (andry@tetezanaonlus.org) na miantso ny finday : 3471432921, farafahatarany dia ny faran’ny volana Jona ity satria mihalafo ihany ny frais raha akaiky loatra.

Mirary soa, dia manantena ny fahazotoantsika maro eto Italie sy ny manodidina ary fa mba andro iray mety hihaonantsika rehetra isam-paritra io. Dia mba ilazao ireo izay sady tsy mahita hita hafatra ity no tsy mba nahazo ilay hafatra nalefa mailaka. Misaotra e.