You are here

Misaotra ny Malagasy rehetra eto Italia

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 02/05/2016 - 14:18

 

Nahafinaritra ny fiarahana niala voly omaly. Nofidina manko ny fetin'ny asa mba hisaorana indrindra sy hirarian-tsoa ny Mpiandraiki-draharaha vaovao, Andriamatoa Dama RAKOTONDRASEDO sy ny mpiara-miasa aminy ao amin'ny masoivohontsika eto Roma. Tamin-kafaliana koa no niarahabana sy nandraisana ny Mpanolotsaina vaovao, Ramatoa Helinoro TIANAMAHEFA, izay vao tonga tamin'ny herinandro teo.

Nampihetsi-po ny nahita anareo rehetra tonga namaly ny antso, nisolo tena ny faritra onenany, nisolo tena ny vondrona iantsorohany, ny pretra sy relijiozy isam-pikambanana, ny Fiangonana mirahavavy - katolika sy protestanta sy ny isan-tokony tsy voatanisa. Mbola afaka mirehareha isika eto Italia fa manandratra avo hatrany ny Fihavanana malagasy, indrindra moa manana Zoky mampatsiahy antsika izany hatrany ka nahatonga izao hetsika kely izao. Na dia nafenina azy aza ny tena anton'iny fiarahana omaly iny dia nosokafany midanadana ny varavarana fa "tranobe iombonana io", hoy izy, raha vao nangataka alalana taminy fotsiny ny mpiketrika hanao izany ao amin'ny masoivoho.

Misaotra anareo namerina taminy ny Fitiavana natolony raha teo foana izy na tamin'ny fifaliantsika na tamin'ny fahoriantsika, tsy nandala vola aman-karena, tsy nitandro hasasarana fa dia nandray fiara nanotrona na tany amin'ny 500 km na teto am-poto-trano. Misaotra Roma, Verona, Venezia, Firenze, Arezzo, Napoli, Fiuggi, L'Aquila, Montorio Romano, sns.

Misaotra ihany koa anareo nanotrona an'eritreritra, niala tsiny tsy mba afaka tonga noho ny halaviran-tany na noho ny adidy aman'andraikitra nitana. Aza manahy ianareo fa voampita tany aminy avokoa ireny hafatrareo ireny.

Fisaorana manokana ho an'ny Terak'i Fianarantsoa, ny Fraternità Malgascia, ny Tetezana onlus ary ny zoky sy zandry rehetra miasa ao amin'ny Masoivoho tamin'ny fiaraha-miketrika.

Nahafinaritra be - toy ny mahazatra antsika - iny tontoloandro iny. Dia izao re no mandavà !

(Sary sy horonana : ATO ooooo laugh)