You are here

Fisaorana avy amin'ny Fikambanana Tetezana Onlus

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 15/06/2015 - 22:13

Ny Fikambanana Tetezana Onlus dia manolotra ny fisaorana mitafotafo anareo rehetra tonga nandray anjara tamin'ireo roa andro natokana ho an'ny Malagasy eto Italia, izay tontosa an-tsakany sy an-davany.

Isaorana avokoa ireo Malagasy rehetra nanaiky hiresadresaka momba azy ireo, na ireo nalaina horonantsary na ireo tonga niresaka nivantana ny sabotsy tolakandro, ireo izay tsy nahalavi-tany fa nanao kilaometatra maromaro nitondra ny anjara birikiny.  

Sitraka indrindra ho an'ireo nivimbina izay voatsirambin'ny tànany natao ody am-bavafo ny takarivan'ny asabotsy, ireo nanampy tamin'ny fikarakarana sakafo ny alahady, ny niandraikitra ny lafiny ara-mozika, ny fiangonana Metodista nampiantrano, ho anareo tonga teny an-toerana, eny fa ianareo naniry ny ho avy saingy sampon'ny antony maro samihafa, kanefa tsy nandà ianareo fa nandefa hatrany ny fandraisan'anjaranareo. 

Singanina ihany koa ny fankatelemana  ho an'ny Zoky Raiamandreny, Andriamatoa Dama Rakotondrasedo mivady, fa na tsy eto an-toerana aza ingahirainy fa lasa kely any an-tanindrazana dia tsy nanaiky fa noraisiny ho adidy ny fandaniana tamin'ny "aperitivo sociale", nanampiana izay nentin'ny tsirairay tonga tao. Tsy vitan'ny mahafoy vola aman-karena fa eo lalandava mamporisika sy manohana hatrany ireo asa soa sy hetsika ataontsika tanora ho fampahalalana fa misy isika Malagasy eto Italia.

Afa-po izahay mpikarakara na dia maro aza ny madilana mbola mila tentenana. Hita tamin'iny fa afaka tsara isika miresaka momba antsika Malagasy na dia vitsy aza no mahalala ny fisiantsika noho isika tsy mba maro an'isa toy ireo vahiny sasany. Tsy voatery ho Madagasikara foana no ampahafantarina fa isika tsirairay ihany koa : ny momba antsika, ny fiaimpiainantsika, ny fivelarantsika eo amin'ny asa fivelomana sy ny fiarahamonina, sns. Fotoana iray ihany koa hihaonana sy hifampizarana traikefa ny toa ireny ka dia mbola ho avy ny manetsa be. Ny ezaka manaraka dia rariana tokoa hiarahana manotontosa amin'ireo zanaka am-pielezana isam-paritra, satria noho ny fahataran'ny fanomanana dia toa ny teto Roma ihany no voaresaka betsaka tamin'ity indray mitoraka ity. 

Anisan'ny hafatra navelan'ilay Raiamandrenintsika teto taloha moa - ka zary fenitra tandrovinay hatrany - ny hoe : "ianareo zanaka am-pielezana (diaspora) malagasy rehetra no ambasadaoron' i Madagasikara aty ivelany aty, fa izahay ato amin'ny masoivoho dia "chef de mission" fotsiny ihany". Nankasitrahan'ireo vahiny tokoa io fiteny io ka zary hery mamporisika hanao ny tsara hatrany.

Eto dia tianay ny mampahatsiaro fa ny fanampiana rehetra voaray tamin'iny hetsika iny dia entina hatrany hanampiana ireo ankizy sahirana iandraiketan'ny Fikambanana any Madagasikara. Koa dia mamerina ny fisaorana eram-po eran-tsaina. Onera be daholo ny laninareo ho azy ireo tompoko.

 

Ny mpikambana ao amin'ny Tetezana Onlus, Roma.

 

Ny sary sy ny horonanantsary dia efa milahatra ao amin'ny pejin'ny Tahirintsary : Andro I sy Andro II