You are here

Fisaorana

Nampidirin'i superadmin ny Sun, 11/12/2016 - 11:30

Teny iray fa mahalaza izay rehetra tian'ny fo ambara aminareo zanak'am-pielezana eto Italia amin'izao ora mbola manjombona be izao : Misaotra !

Misaotra avy amin'i Tsiory, zanaka navelan'i Fidèle ; misaotra avy amin'ny havany rehetra any Madagasikara. Tsara levenana izy ary henim-boninahitra ny fianakaviany sy isika Malagasy eto Italia tsy voatonona anarana tsirairay, tamin'izay vitantsika rehetra ho azy izay. 

Ho tody soa any amin'ilay tontolo tsy manota izy ka handry am-piadanana.

____________

Grazie sentitamente a tutti voi presenti col cuore, fisicamente e materialmente all'ultimo saluto al nostro amico Fidèle, che ci ha lasciato tragicamente il 7 dicembre scorso a Roma. 

 

 

[Ny sary rehetra sy ny horonantsary dia efa ao amin'ny tahirintsary.]