You are here

Fankalazana ny Fetimpirenena 2015 any Milan

Nampidirin'i superadmin ny Sat, 16/05/2015 - 09:09

Manasa antsika havana sy tapaka tsy vaky volo rehetra ho tonga hiara-hankalaza ny faha-55 taonan'ny Fahaleovantenan'i Madagasikara izay hatao ao Lecco MaggianicoVia CarloGomez n. 3 ny Asabotsy 27 Jiona 2015 amin'ny 6 ora hariva. Mirary ny fitambaran'i Malagasy hatrany nohon'ny fitiavana ny tany niaviana izay mamy foana.
Toy ny fanaontsika, iangaviana ny tsirairay hitondra sakafo sy zava-pisotro hiarahana.


Ny fandaharam-potoana dia toy izao:
- amin'ny 6 ora sy sasany hariva: manomboka ny «Karaoke»;
- amin'ny 7 ora sy sasany: fiaraha-misakafo;
- amin'ny 9 ora: fampisehoana hataon'ireo mpihira sy mpanakanto Malagasy monina aty Italie;
- amin'ny 10 sy sasany mandra-maraina: dihy izay hohafanain'ny Dj manam-pahaizana GIANNI na Dj JHO miaraka amin'i Michael.


Mba ho fandraisana anjara amin'ny hofan'ny trano dia hangatahana ny olon-dehibe rehetra mba hanolotra 10 € ery amin'ny fidirana.


P.S.: mba hahafahan'ny tompon'andraikitra (DJ Gianni) miomana dia iangaviana izay te-handray anjara amin'ny «karaoke» rehetra mba hanome sahady dieny izao amin'ny alalan'ny message facebook amin'ny G.T.M. ny lohatenin'ny hira tiany hokaloina.


Misy laharana finday azo antsoina ihany koa: 3277939148(Georges) sy 335 8382871 na 0121 91163 (Louise).


Tongava maro ary ara-potoana. Misaotra antsika rehetra.
Am-pitiavana be dia be!


Ireo Mpitantana ny Fikambanana «Gasy Tsy Manavaka – G.T.M.»