Tu sei qui

Fanokafana ny fankalazana ny fetim-pirenena.

Inviato da superadmin il Lun, 21/06/2010 - 17:08

 

Manomboka androany ka haharitra hatramin'ny zoma 25 jiona ny fampisehoana mivelatra momba an'i Madagasikara ao amin'ny foiben'ny Masoivohom-pirenena eto Roma.Izany dia misokatra ho an'ny besinimaro isan'andro amin'ny 9 ora maraina ka hatramin'ny 4 ora tolakandro, eny amin'ny via Riccardo Zandonai 84.

Marihina fa ny fampirantiana dia sahanin'ny Fikambanana Tetezana Onlus ary mandray anjara amin'izany koa ny Fikambanana Gialuma Onlus sy Mais Onlus izay samy manao asa soa any Madagasikara avokoa.