Visas

Ho an’ireo izay te hitsangatsangana, na hianatra na koa hiasa aty Italie dia ireto no zavatra tena ilaina @ ankapobeany.

NB: @ izao fotoana izao dia raha ho aty Italie dia any @ Ambassade de France na Allemagne no maka Visa raha tourisme. Raha motif hafa toy ny fianarana, asa,... dia any @ Ambassaded'Italie any Pretoria na Consulat Italie ao Madagasikara raha efa misy.

Mila manontany mialoha any @ Consulat Italien ao Antananarivo ihany anefa amin'ireo zavatra ilaina raha hangataka Visa satria matetika misy zavatra miova foana.

Marihina fa raha mandalo firenena hafa dia tsy maintsy maka visas ao koa.

Ireo taratasy ilaina @ fakana Visa samy hafa:
 

Mety mahasoa : Jereo eto : etudier en Italie

Tourisme

· Formulaire fangatahana Visa alaina ao @ Consulat.
· Sary tapaka
· Billet aller-retour manankery (réservation aloha no ilaina)
· Passport manankery (farafahakeliny mbola misy telo volana ao aorian’ny fiverenana)
· Taratasy manamarina ny fipetrahana eto Italie: Vouchers touristiques, reservation d’hotel, cértificat d’hébergement.
· Taratasy manamarina ny fananana vola hahafahana mijanona eto Italia. (Cértificat Bancaire)
· Taratasy manamarina ny asa atao: fiche de paie, contrat, carte, statistique…
· Assurance maladie. (obligatoire na Havana na Aro mety daholo)


Etudes

· Formulare fangatahana Visa alaina ao @ Consulat.
· Sary tapaka
· Billet aller-retour mankery (réservation aloha no ilaina)
· Passport manankery (farafahakeliny mbola misy telo volana ao aorian’ny fiverenana)
· Inscription
· Taratasy manamarina ny fipetrahana eto Italie: cértificat d’hébergement.
· Taratasy manamarina ny fananana vola any Madagascar. (Cértificat Bancaire ny mpiantoka)
· Taratasy manamarina ny fananana vola hahafahana mijanona eto Italia.
Izany dia azo ataon’ilay olona mandray eto Italie @ alalan’ny “lettre de garantie na presa in carico” na koa azo atao any @ Assurance eto Italie ilay atao hoe “fideiussione bancarie”.
· Fanamarinana ny toerana hipetrahana (azo atao ao anatin’ilay presa in carico na lettre de garantie ihany koa io).
· Assurance maladie (oblogatoire na Havana na Aro mety daholo) Fa rehefa tonga aty Italie dia tsy maintsy manao ilay assurance INA (€106,00 eo izy io)

Ambassade


Ambassade d’Italie à Pretoria
George Avenue, 0083 Arcadia
Tel: + 272 14.23.51.58, +272 14.23.51.57
Fax: + 272 14.30.55.47
Sito Web Jereo eto
E-mail: ambitalia@iafrica.com

Ambassade de Madagascar Rome- Italie:


Via Zandonai 84/A

Tél: 0666620089
Fax: 0666621905
Cell: 3286166575

E-mail: ambamad@hotmail.com


ny zavatra tokony atao rehefa tonga any Italie


Inona no atao mba hahazoana ny “permesso di soggiorno” voalohany?

· Manao fangatahana any @ Questura generale eo @ ilay faritany misy anao, ao anatin’ny 8 andro nahatongavanao teto Italie
· Miaraka @ ireo taratasy rehetra nahazoana Visa
. mameno ny formulaire fanaovana demande
· Photocopie ny passport
· Sary tapaka 4, mitovy sy vao haingana
· Marca da bollo €16,00 (un contrassegno telematico)
· Fanamarinana ny toerana hipetrahana (azo atao ao anatin’ilay presa in carico na lettre de garantie ihany koa io).
. ny taratasy ilaina rehetra araka ny karazana permis de sejour ho alaina (asa, famille, fianarana, sns)
. fandohavana ny vidin'ny fanaovana izany permis de sejour izany izay an'elanelan'ny €80 à €200 araka ny karazany (amin'ny ora hanoratana izao janoary 2016)

Rehefa avy eo dia mahazo tapakila vonjimaika mandrapahavonona ilay permesso di soggiorno, misy koa anefa ireo izay mahazo iny andro iny ihany miankinana @ ilay toerana.


Ireo taratasy ilaina hahafahana mipetraka eto Italie ara-dàlana:

· Passport manankery
· Visa d’entrée, nidirana ara-dàlana t@ frontière (ohatra par avion Malpensa na Fiumicino, na par train avy any Frantsa.)
· Permesso di soggiorno na carta di soggiorno italiana na koa avy amin’ny firenena Eropeana (ireo taratasy ireo no manamarina fa ara-dalàna ny fipetrahana eto Italie)

Important: @ ankapobeany, na eo @ fidirana eto Italie na mandritry ny fipetrahana eto dia ilaina ny fahavonona hatrany @ zay mety ho fisavana ataon’ny polisy.
Ireto no fanontaniana mipetraka matetika:
· Inona no antony nahatonga anao taty: turiste, ?
· Inona no fomba hivelomanao: trano, asa, vola?
· Ampy ve ireo fanananao mandritra ny fotoana hijanonanao aty sy hodianao any @ firenenao?

Marihina fa tsy azo atao ny mandainga @ polisy na tsy manana papier aza ianao satria tsy maintsy hanao fanamarinana ry zareo. Tsara kokoa aza ny manoro azy ny trano sy miantso izay olona miantoka anao, na mpampiasa izany. Izany dia mba hilazana fa na tsy manana papier aza ianao dia tsy mangalatra na mirenireny fotsiny, fa misy trano. Araky ny ohabolan-drazantsika hoe ny heloka hibaboana hono mody rariny. Matetika izay hafahafa paozy no manaitra ny vahiny ka aoka re samy hihezaka ho matotra isika mba hampalaza tsara ny firenentsika aty an-tany lavitra aty, isika koa ange samy ambassadaoron’i Madagascar e!
(Matetika tsy expulser raha tsy manao acte grave)

Noho ireo antony ireo dia tsara ny mitondra hatrany ny permesso di soggiorno na carte di soggiorno.

Raha manana permesso di soggiorno ary mipetraka eto Italie mihintsy dia afaka maka résidence sy Carte d’identità italiana, ary koa codice fiscale

Carte d’identità italiana

Ny zavatra ialina @ izany dia:
sary tapaka 4
Permesso di soggiorno
Certificato di residenza

Codice fiscale - obbligatoire 

(code alfanumerque: i.e lettre + numero): izay hahafahan’ny Ministère du Finance mahafantatra ny tsirairay, satria samy manana ny azy avy ny rehetra.
Izany dia atao any @ Ministero delle Finanze- Dipartimento delle entrate (Ufficio delle imposte dirette)

Ny zavatra ilaina @ izany dia Permesso di soggiorno sy passport manankery ary maimaim-poana izy io.

Ny ilana ny Codice fiscale:
· Hisoratana anarana any @ “Servizio sanitarie nazionale” (Santé): hahazoana mifidy médecin de famille.
· Hahafahana manao asa tena
· Hahafahana mitady asa ara-dàlana
· Hahafahana manao contrat maro toy ny trano, varotra…
· Hahafahana manokatra compte any @ Banque
Sy ny maro hafa koa


NB: Raha mila fanazavana fanampiny dia aza misalasala manoratra aminay.

Hevitra

Myurah - 19/05/2016 18:43
Miarahaba tompoko!
Mba saika anontany azafady, izaho dia tovovavy 21 mana-pikasana ANDEHA ho any Italie, ny Antony dia ANAO au pair satria nisy famille nanaiky ahy HO fille aupair-any. Zareo nefa miteny amiko hoe izaho no tokony hijery ny dossiers rehetra ILAINA @Visa d zareo mandefa IZAY ILAINA fotsiny,marihiko fa efa maika tokoa zareo.ny tsy aiko anefa dia hoe aiza sy aiza AVY no aleha anaovana visa , consulat de France v sa aiza? Misy miteny mantsy hoe tsy misy consulat an'I Italie eto fa mandalo France FONA.misaotra sahady @fanampinareo!
Valio Myurah
hery - 19/05/2016 21:34
Salama,

Raha ny fahazoako azy aloha dia any amin'ny ambassade de France no maka visa mandeha aty Italia. Raha ohatra anefa ka efa misy an'izany resaka fampanantenana asa izany dia tokony afaka mifampiresaka amin'ny ambassade italiana any Pretoria ilay mpanome asa manontany ny tokony hatao.
Valio hery
Myurah - 20/05/2016 03:46
Salama ,
Misaotra indrindra !
Valio Myurah
Christiania - 25/06/2016 07:24

Myurah
Salama ,
Misaotra indrindra !

Mandehana am consulat ao Ivandry e
Valio Christiania

Hampiditra hevitra