You are here

Tolo-tanana ho an'i Don Tomasz sy ny misiona saleziana any Toliary

Nampidirin'i superadmin ny Sun, 17/03/2013 - 15:01

 

Ny tarika artistika KAnto sy MEvan'i MAdagasikara, miaraka amin'i Don Tomasz sy ny misiona saleziana any Mahavatsa, Toliara, dia maneho fisaorana sy fankatelemana anareo rehetra tonga nanolo-tanana azy ireo tamin'ny fahatongavanareo nanatrika ny rindran-kira tamin'ny asabotsy 16 aprily teo. Ny rakitra notatazana tamin'izany mantsy dia entina indrindra hiatrehana ny voina nahazo ny misiona saleziana any Mahavatsa taorian'ny nandalovan'ny rivodoza Haruna farany teo. 
Misaotra ihany koa ireo naneho fiombonam-po na tsy afaka tonga nanatrika aza. Onera be izay foinareo tamin'izany ary ny Fiadanan'ny Tompo homba anareo tsirairay avy.