Koranam-pianakaviana nanamarihan'i Haingotiana ny faha-50 taonany.

Nahafinaritra tokoa ny takariva nanasan'i Haingotiana malagasy vitsivitsy niara-nankalaza taminy ny faha-50 taonany. Vitsivitsy ihany tokoa satria tsy mora ny mikarakara izany na dia satriny aza ny hanasa ny rehetra. 

Takariva niavaka ilay izy satria nentiny nampisehoana indrindra indrindra tamin'ireo havana sy namana tompon-tany izany hoe kalon'ny fahiny malagasy izany, ankoatra ny totorebika izay efa manomboka ahalalan'izy ireo antsika. Naredona erý ireo hira tsy tontan'ny ela efa zary tsy mba afaka am-bavantsika, nahafinaritra ny nahita ny lamba landy nisalorana sy nisampinan'izy maro mianadahy notarihin'i Ramose Jojo, mpampianatra mozika, nahavolivoly ny feon'i Richard narahan'i Rindra teo amin'ny vata maroafitsoka raha nanao hiran'i Ossy izy ireo. Samy mpianatra ho matihanina amin'ny mozika eny amin'ny Conservatoires izy mirahalahy, i Richard Rasolonjatovo eto Roma ary i Rindra Ramarosandratana any Paris.

Tonga soa taty Roma izahay na nangina aza ny antsasa-dàlana fa niesona daholo ny mpandeha (hehy). Mbola manerinerina daholo tonga soa an-tokantrano avy, reraka kanefa feno fifaliana tokoa.

Tsy hay ny tsy hankasitraka an'i Haingo ary averinay etoana ny firariantsoa ho azy ho amin'ny 50 taona manaraka : fifaliana, fahasalamana ary soa sesehena. Dia afaha havizanana amin'izay fa dia afa-po izahay nasaina e !

Affettuosissimi auguri : i primi 50 anni eranno "Successo", i prossimi 50 saranno "Trionfo" !

 

............DSCN1359.................................................

 

Hampiditra hevitra