Fankalazana ny mariazin'i Rondro sy Jimmy
Nankalaza ny fanambadian'izy ireo niaraka tamin'ireo havana sy namana teto Roma i Rondro sy Jimmy, ary Jenny kely, ny asabotsy 26 septambra, iray volana taorian'ny nahatontosana izany tany an-tanindrazana eto anivon'ny fianakaviana. Mirary soa ho azy telo mianaka noho izany fahasoavana lehibe izany.

















































































































































