You are here

Antsam-panahy 13 aprily 2014

Nampidirin'i superadmin ny Sun, 13/04/2014 - 21:29

Dia isaorana an'Andriamanitra lehibe fa vita soa aman-tsara ny antsam-panahy, hira am-bavaka, notontosaina ny alahady 13/04/2014 tolakandro. Izy no nanome ny fotoana, ny fahafahana sy ny fahaiza-manaon'ny tsirairay ka isaorana azy izany.

Isaorana ihany koa isika rehetra izay tonga nanotrona. Antenainay fa nanampy antsika handinika sy hibanjina ny Tompo nijaly sy nitsangan-ko velona iny hira ambavaka iny. Misaotra niombom-bavaka.

Isaorana ny fahafoizanareo fotoana sy vola aman-karena. Araka ny nolazaina nandritra iny fotoana iny dia tsy natao ho sandaina vola aman-karena ny antsam-panahy izay natao fa ny fandraisanareo anjara kosa dia nomena manontolo ho fanasoavana ny Fiangonana Katolika Malagasy izay miantehitra tanteraka amin'ny hetsika tahaka ireny.

Isaorana ireo vondrona sy antoko mpihira nandray anjara. Ny avy ao amin'ny Ankohonana Protestanta Malagasy sy ny Tarika Kanto sy Mevan'i Madagasikara (KAMEMA). Fanohananareo manokana ny Ankohonana Katolika sy fandraisanareo anjara mivantana amin'ny asan'Andriamanitra ny nataonareo koa Izy notoloranareo azy anie hamaly zato sy arivo heny anareo.

Isaorana manokana koa ny antoko mpihira katolika Victoire Rasoamanarivo noho ny ezaka nataonareo ho fanohanana ny Fiangonantsika. Fantatrareo tsara fa tsy manana fidiram-bola manokana ankoatra ny rakitra sy ny hetsika toa ireny ny Fiangonana. Koa isaorana ny fikambanana toa anareo izay mahafoy manao fitadiavam-bola manontolo ho an'ny Fiangonana tahaka ireny.

Izay manolotra an-kafaliana no sitrak'Andriamanitra koa inoanay fa sitrany avokoa izay natolotsika rehetra tamin'ny fo.

Misaotra antsika rehetra.