Andro natokana ho an'ny mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana

Tontosa androany teny amin'ny Vatican ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena natokana ho an'ny Mpifindra-monina sy ny Mpitsoa-ponenana.

Isaorana indrindra ny rehetra tao amin'ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo eto Roma sy ny Ankohonana Louis Raphael Rafiringa any Naples, na relijiozy na lahika, tonga maromaro nisolo tena an'i Madagasikara tamin'ny Angelus-n'ny Ray Masina sy nandritra ny Sorona Masina lehibe natao tao amin'ny bazilikan'i Md Piera, ary tamin'ny fandraisana fitenenana tamin'ny fahitalavitra.

Nampientam-po tokoa ny nahatsapa fa eto an-toerana ka nahatratra soa ny Taon-jobily ary afaka nandingana ny Varavarana Masina izay nosokafana noho izany.

 

(mbola ho avy ny horonana)

.........................................................

Hampiditra hevitra