You are here

Vaovaon'ny fikambanan'ny Pretra sy FreraTrinitera any Madagasikara.

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 13/01/2009 - 11:26

Nanomboka omaly 12 Janoary 2009 ny Chapitre Provincial an'ny Fikambanan'ny Pretra sy Frera Trinitera any Madagasikara, ka hifarana ny 17 janoary 2009 ho avy izao.

 

 

 

 

Nanomboka omaly 12 janoary 2009 ny Chapitre Provincial an'ny Fikambanan'ny Pretra sy Frera Trinitera any Madagasikara, ka hifarana ny 17 janoary 2009 ho avy izao.

Zavatra maro no dinihina sy jerena mandritra izany ; toy ny Fifidianana ny ho Provinsialy vaovao hitondra mandritra ny 3 taona sy ireo Mpanolo-tsaina azy ; ao koa ny fametrahana amin'ny toerany ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny : ny Minisitry ny trano sy ny Mpanabe isan-tokony, ary ireo misahana ny asa sosialy.

Koa mila vavaka avy amintsika rehetra izany, mba ho ny herin'ny Fanahy Masina no hiasa ao am-pon'ny Mpivory tsirairay.

Ao Moramanga moa no atao ity fihaonam-be ity. Any an-toerana ny Mompera Jeneralin'ny Fikambanana sy ny Mpanolo-tsina iray avy aty Roma. Ombao vavaka izy ireo.

 

Mpandefa: Frera Trinitera Malagasy