You are here

Vaovao mahafaly ho an'ny Eglizy katolika malagasy.

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 19/01/2009 - 23:44

Ao amin'ny Circulaire-n'dry Frères des Ecoles Chrétiennes moa dia milaza ny Frera Jeneraly fa hatao any Madagasikara ny fananganana ho Olontsambatra an'i Frera Raphael Louis Rafiringa

Ho antsika rehetra izay namaky ny kabarin'ny Ray masina raha nandray an'andriamatoa Rajaonarivony Narisoa, lehiben'ny masoivohontsika eo anivon'ny Vatikana izy tamin'ny 18 desambra 2008, dia mahatsiaro ny filazany fa "tsaroany manokana ny olon-tsambatra Victoire Rasoamanarivo izy sy i Frera Louis Raphael Rafiringa izay efa mihamandroso miadana ny fikarakarana ny hananganana azy ireo ho olo-masina sy olon-tsambatra" (Jereo ato).

Koa indro ary ny hafatra nampitain'ny Ray am-panahy miahy ny Paroasy katolika eto Roma:

Indro kosa ny vaovao farany avy any Vatican, tsara ho fantatra, ary mazava ho azy fa mila miomana dieny izao isika, na dia mbola tsy fantatra aza ny daty.

Ao amin'ny Circulaire-n'dry Frères des Ecoles Chrétiennes moa dia milaza ny Frera Jeneraly fa hatao any Madagasikara ny fananganana ho Olon-tsambatra an'i Frera Raphael Louis Rafiringa,
na dia mbola tsy voafaritra mazava aza ny daty, fa mbola ho faritan'ny Vatican.


Manainga antsika Maintimolalin'ny FEC koa ny amin'io fiomanana io mba samy handray anjara mavitrika ny rehetra!

P. Benirina, sj

 

 

Ny loharanom-baovao : zenit.org