Tatitry ny Fihaonana momba ny Malagasy monina eto Italia.
Noho ny fanentanan’ny Dossier Statistico Immigrazione
Caritas/Migrantes niaraka tamin’ny Provincia di Roma, Camera di Commercio di Roma, ireo fikambanana “Fraternità malgascia”, “Zanak’i Gasikara”
ary “Tetezana”, ary ny fiombonan’ny
mpivavaka katolika sy protestanta, dia tontosa tamin’ny alakamisy 28
janoary 2010 teo ny Fihaonana natokana hampahafantarana ny vokatry ny
fikarohana natao momba ireo Malagasy monina eto Roma sy any amin’ny faritany .
Nahavelom-bolo ny Fihaonana raha ny habetsahan’ny olona tonga nanatrika, 150 teo no ho eo (Malagasy ny an-tsasany), sy ny hafonjan’ny hevitra nentin’ireo mpandray anjara nandray fitenenana nandritra ny adiny roa mahery kely.
Ny solontenan’ny Caritas diocesana di Roma, Enrico Feroci, talen’ny MSR teny am-piandohana no nanamafy ny lanjan’ny “fifanakalozan-kevitra ara-koltoraly” (dialogo interculturale) eo amin’ireo mpiavy sy ny firenena mampiantrano.
Avy amin’ny Ministeran’ny Atitany, dia D.ssa Mariagrazia Colosimo no naneho ny fahavononan’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny ministera hihaona mivantana amin’ireo vondrom-bahoaka tsy mbola fantatr’izy ireo ; nanome fanazavana sy torolàlana ihany koa izy ny amin’ny fomba hahazoana fanampiana atolotry ny Tetibola Eoropeana natokana ho mba hahatsara tombina ireo mpifindra-monina
Bruno Fusciardi, izay nanatontosa ny fikarohana momba ireo Malagasy kosa no nanazava fohifohy toa izao ny vokatry ny fanadihadiana : maro an’isa ny vehivavy (mihoatra ny 70%), maro ireo tanora (latsaka ny 40 taona), ambony ny faripahaizan’ny ankamaroan’ireo tanora malagasy eto kanefa manao asa sy mandray karama tsy mifanentana amin’izany izy ireo (ny maripahaizana malagasy rahateo tsy eken’ny Fampianarana italianina), Ankoatra izay dia hita taratra tamin’ny fanadihadiana koa fa manan-danja eo amin’ny Malagasy ny “Aina” sy ny “Fihavanana” (Atolotra eto ihany ny vokatra feno tamin’izany fanadihadiana izany)
Massimo Guidotti, nisolo tena ny Assessore alle Politiche Sociali della Provincia di Roma, no nampahafantatra ny tetikasan’ny “Provincia di Roma” momba ny fifindra-monina sy izay hahatafa tombina tsara ireo mpiavy, na eo amin’ny lafiny ara-koltoraly izany na eo amin’ny lafiny ara-toe-karena, ka ohatra noraisiny tamin’izany ny vokatsoa nateraky ny tetikasa “Impresa Senza Frontiere” vao haingana izay , natao hanampiana ny mpifindra-monina amin’ny fananganana orinasa madinika sy fanohanana izany
Lorenzo Tagliavanti avy ao amin’ny Confederazione Nazionale Artigianato (CNA) e Piccole e Medie Imprese kosa no niresaka momba ny anjara biriky entin’ny mpifindra monina ho an’ny toe-karena italianina, indrindra eo amin’ny sehatry ny orinasa madinika sy ny asa-tànana ka namafisiny tamin’izany ny toromarika napetraky ny CNA momba ny fampandrosoana sy fanohanana ireo amin’ny fomba maromaro toa ny “microcredito” ohatra ireo orinasa vaovao natsangan’ny mpifindra monina .
Augusto Venanzetti avy amin’ny Rete Scuole Migranti e
l’apprendimento dell’italiano indray dia nanamafy ny lanjan’ny fiofanana
ara-koltoraly sy arak’asa ho an’ny mpifindra monina ; ho an’izany
indrindra no hiompanan’ny andraikitra
sahanin’ny
Taorian’izany dia nifandimby nandray fitenenana nilazalaza fohifohy momba azy avy ireo solotenan’ny Fikambanana malagasy sy ny fivondronan’ny kristianina :
- Pascal Ramananjara avy amin’ny Fraternità malgascia
- Hervé Ravelomanantsoa avy amin’ny “Zanak’i Gasikara”
- Geneviève Soaritony avy amin’ny “Tetezana Onlus”
- Mompera Joseph Rabenirina avy amin’ny fiangonana katolika
- (tsy afaka tonga kosa Danny Rajaobelina avy amin’ny fiangonana protestanta)
Ary farany dia isan’ny nitondra ny fiarahabana tao amin’ny Fihaonana ireo fikambanana misahana asa soa any Madagasikara dia :
- ny Fikambanana MAIS tamin’ny alalan’i Anna Bartoloni,
- ny Fikambanana “Per un sorriso Monica De
Carlo” tamin’ny alalan’i Roberto De Carlo
- ary ny Fikambanana “Amici di Padre Pedro” tamin’ny alalan’i Fabio Meloni.
Nandrindra izany rehetra izany moa, sy namarana ny asa i Franco Pittau avy amin’ny Dossier Statistico Immigrazione Caritas/Migrantes, izay isaorana eram-po eran-tsaina tokoa.
Fikambanana "Fraternità malgascia"
Fikambanana "Zanak'i Gasikara"
Fikambanana "Monica De Carlo - per un sorriso"
Fikambanana "Amici di Padre Pedro"
(Tatitra nataon’i Bruno Fusciardi, nanao ny fanadihadiana momba ny Malagasy monina eto Italia sady mpikambana ao amin’ny Tetezana Onlus. Nandika amin’ny teny malagasy : Rondro)