Takarivan'ny Fikambanana Tetezana Onlus
Manasa antsika rehetra hanao soroka miara-milanja sy tongotra hiara-mamindra amin'ny Fikambanana Tetezana Onlus ny sabotsy 10 septambra ho avy izao eny amin'ny Centro Baobab, via Cupa 5, (Tiburtina, manoloana ny Cimetiero Verano, tsy lavitra ny Tangenziale est) hanomboka amin'ny 8 ora alina.
Ny Tetikasa Famatsiam-boky ireo sekoly any Madagasikara moa no hiantefan'ity hetsika ity : voalazalaza ato ny momba izany.
Tongava maro, ilazao ny namana fa ny adidy tsy an'olon-dratsy

Comments:
1. Jean Ranaivoarisoa
Mipetraka aty Firenze aho. Malagasy avy ao Ambohibary Samabaina Antsirabe. Misaotra an'Andriamanitra sy manohana ny tetezana aorinareo.
Mirary soa
2. Andry
Misaotra betsaka an'i Mr Jean manohina ny Tetezana dia mirary soa ihany koa
Andry