You are here

Sitraka enti-matory, hoy ny Fikambanana Tetezana Onlus

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 04/10/2016 - 21:43

 

Amin’ny anaran'ny Fikambanana Tetezana Onlus no anolorana fisaorana sy fankatelemana anareo rehetra tonga nanome voninahitra tamin'ny andro nankalazany ny faha-folo taona iny.

Folo taona nanohananareo ny asa sosialy rehetra nosahaninay, na ho an’ireo tetikasana any Madagasikara izany na ho an'ny eto Italia. Raha tsy teo ianareo nanohana ara-pitaovana, ara-bola, nanome sosokevitra, nanotrona tam-pitiavana ny hetsika rehetra nataonay, dia tsy ho tafitanay izay 10 taona izay ka fankasitrahana feno no atolotray.

Fotoana nanaovanay tatitra izay zava-bita tanatin’izay fotoana izay moa no niarahantsika nandritra iny faran’ny herinandro iny. Nisy ireo teo hatrany am-piandohana, nisy ireo vao haingana vao nifanerasera taminay ka rariny raha tsy atao tompon-trano mihono ianareo.

Na ho anareo nahafoy fotoana sy harena nanotrona nandritra izany fety izany, na ho anareo nanana fikasana ny ho avy saingy fotoam-bita moa tsy nahaleo ny sampona, ny toetr’andro rahateo somary nampisalasala dia tolorana ity fisaorana ity. Satria noho ny falalahan-tànanareo nasesim-pitiavana dia nahavory 750 € ny Fikambanana tamin'iny fotoana iny, na dia tsy vahoaka be aza isika tao.

Singanina manokana eto :
- ianareo Zoky Raiamandreny ao amin’ny Masoivoho, Ramatoa Helinoro TIANAMAHEFA sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky, izay nanokatra tsy nisalasala ny Tranobe Iombonana sy nandray anjara tamin’ny fikarakarana,
- Andriamatoa Luc Marcel RAKOTONIRINA, Talen’ny Gabinetran’ny Ministeran’ny Fambolena sy Fiompiana, sy Ramatoa vadiny, izay vahiny sendra mandalo manefa adidy eto Roma nefa dia tsy nisalasala fa tonga nanome voninahitra,
- Andriamatoa Pietro PETRASSI, Mpanolotsaina ao amin’ny Regione Lazio, Commissione Affari Comunitari e Internazionali, Cooperazione tra i Popoli e Tutela dei Consumatori, sy Ramatoa vadiny.

Sitraka sy telina tompoko, onera be avokoa ny nafoinareo ho an’ny Fikambanana, ary manantena anareo ho eo anilanay hatrany izahay amin’ny adidy rehetra mbola sahaninay fa tena hery lehibe ho anay ny manana anareo mifanindran-dàlana aminay hatrany. Tsy ho voavalinay ireny fitiavana lehibe asehonareo ireny, fa izahay dia fitaovana ihany koa, kanefa dia mino izahay fa hiverina zato heny aminareo ireny.

------------

Ny sary dia efa milahatra : ATO