Noelin'ny ankizy malagasy eto Roma.

Submitted by: Rondro
On: 15/12/2009

Ho aminareo sy ho herinareo anie ny fahasoavan’ny Tompo!


Asaina isika Malagasy rehetra tsy an-kanavaka mba ho tonga hiara-mankalaza ny Noelin’ny Ankizy Malagasy 2009, izay hatao ao amin’ny Via Aurelia, 472 (na 476) ny alahady 20/12/2009 amin'ny 3 ora tolakandro na 15h00.

Asaina daholo ianareo hatramin’ireo ray aman-dreny masoivoho sy ireo tompon’andraikitra rehetra amin’ny sehatra maro samihafa, ny tanora sy ny zatovo, ary indrindra ireo ankizy sy ny kilonga izay tena tompon’ny fety.

Ilazao sy asao ireo namana tompon-tany na vahiny hafa te hahafantatra izany fiarahantsika izany, satria isika Malagasy dia miezaka hatrany miaina ny fihavanana miaraka amin'ny olona rehetra, izay soatoavina mampiavaka antsika, sady miezaka mifankatia toy ireo firenena maro hafa koa izay mandala ny fiombonana. Izay kely vitantsika moa no hiaraha-mizara.
Misaotra mialoha anareo handray anjara sy mpikarakara rehetra izay tsy ary ho voatanisa eto

Ny Fivondronamben'ny Malagasy rehetra eto Italia dia faly manolotra anareo sy ny isa-tokonam-baravarana ny Arahaba Feno, tratry ny Noely 2009 sy ny taom-baovao 2010.



Ny Malagasy rehetra eto Italia, tarihin’ny Masoivoho, arahin’ny FFKM sy ireo Fikambanana samihafa (Zanak’i Gasikara, Fraternità, Tetezana, sns…).

Rabenirina Joseph, sj.

Add a comment






[*] Required