You are here

Manentana antsika handray anjara amin'ny 'Fun Run 2017' eto Roma.

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 20/03/2017 - 14:51

 

Efa maromaro ihany angamba no mahalala ny hazakazaka Maratona eto Roma isan-taona ka amin'ity taona ity dia ny 2 aprily no hanaovana azy.  Ankoatra io dia misy koa ny "Fun Run - La Stracittadina", hazakazaka maivana sady fialamboly manivatsiva an'i Roma anaty 4 kilaometatra sy sasany - izany hoe vao vita ny fiaingan'ny tena maratona 42 km dia manainga ny Run fun.

Ka eo indrindra no anentanana antsika eto Roma sy ny tanàna manodidina satria sady mba fialana voly no fitaizana vatana sady fanaovana adidy. Hisy sarany 10 euro ny fandraisana anjara ka ny 4 euro isaky ny tapakila lafon'ny Fikambanana Tetezana Onlus dia harotsaka ho an'ny Fikambanana entiny hiatrehana ny tetikasa any Madagasikara momba ny "Tranomboky mandehandeha". Tafiditra anatin'io sarany io ihany koa ny "Kit "(T-Shirt sns) ho an'ny mpandray anjara.

Ny fisoratana anarana dia mila atao alohan'ny alahady 26 martsa amin'ny 12 ora antoandro ao amin'ny foiben'ny Fiambanana ao amin'ny YWCA, via Cesare Balbo 4, ny alatsinainy ka hatramin'ny zoma : amin'ny 9 ora maraina ka hatramin'ny 8 ora alina, ary ny sabotsy sy alahady : amin'ny 9 sy sasany ora maraina ka hatramin'ny 1 ora sy sasany tolakandro.  Apetrao amin'izay olona eo amin'ny birao fandraisana ny anarana sy fanampiny, ny sarany ary ny haben'ny T-Shirt mety aminao (S - M - L- XL- XXL) fa ny mpiandraikitra ny Fikambanana ihany no haka ny antsika rehetra miaraka eny amin'ny Marathon Village.

Ny fotoanantsika kosa amin'ny andron'ny maratona dia amin'ny 7 ora ka hatramin'ny 8 ora latsaka fahefany maraina mba hanomezana antsika ireo kojakoja rehetra. Avy eo miaraka midina eny amin'ny Via Cavour izay toerana iaingan'ny hazakazaka amin'ny 9 ora. Mitondrà saina malagasy sy zay mety hampiavaka antsika. Tongava daholo ny mpianakavy, taomy ny namana e !

Ny mpiandraikitra : 
Andry,
mail : andry@tetezanaonlus.org / tel : 3471432921