You are here

Hetsika any Brescia : resadresaka momba ny vehivavy.

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 20/03/2017 - 21:33

 

Asaina indrindra isika any avarabaratra any, Brescia sy ny manodidina, hanotrona ity hetsika/famelabelarankevitra mitondra ny lohahevitra hoe "Nessun discorso di odio" ity, izay handraisan'i Lydie Andriamiseza anjara fitenenana. 

Lydie moa dia isan'ireo mitondra avo ny fampahafantarana ny kolontsaina malagasy any amin'ny faritra misy azy any. Ka ny anjara toeran'ny vehivavy eo amin'ny fiaraha-monina no resahany amin'ity hetsika iray ity.

Fa haintsika tokoa ve fa isan'ny firenena afaka mirehareha fa manana kolontsaina manandratra avo ny vehivavy i Madagasikara ? "Andriambavilanitra" tokoa no anaran'angola niantson'ny razambe azy. "Tompokolahy sy tompokovavy" no hanombohany ny kabariny rehefa handray fitenenana izy, satria ho antsika Malagasy dia izay omen-kaja sy voninahitra no tononina farany.

Manentana antsika ary hiara-hamantatatra bebe kokoa, hankamamy sy hanome lanja ny kolotsaintsika. Ento ireo namana vahiny fa hahaliana azy ireo izany : zoma 24 martsa izao, amin'ny 9 ka hatramin'ny 12 ora sy sasany maraina ao amin'ny Liceo E. Fermi, via Martiri delle Foibe, 8 ao Salò (Brescia).