You are here

Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana ho an'ny tanindrazana.

Nampidirin'i superadmin ny Thu, 29/01/2009 - 23:35

Ny alahady 1 febroary 2009 amin'ny 11 ora dia hisy fotoam-pivavahana iraisam-pinoana izay hanasan'andriamatoa Lehiben'ny masoivohon'i Madagasikara eto Italia ao amin'ny Chapelle San Macuto, via del Seminario 120.

Ry rahalahy sy anabavy ao amin'ny Tompo,

Faly miarahaba anareo ny tenanay.

Maneho fisaorana anareo rehetra tonga niara-nanolotra ny sorona masina androany 29 janoary 2009, natokana ho an'ny raharaham-pirenentsika izay fantantsika fa tena ratsy dia ratsy ankehitriny.

Araka ny vaovao azonay dia efa miisa 100 mahery izao no namoy ny ainy noho ny herisetra sy ny fianjeran'ny trano ary ao koa ny tsy tafavoaka fa may tao an-trano.

Manao antso avo re izahay, mivavaha ary manaova fifadian-kanina araka izay mba vitanao ho fangataham-pahasoavana amin'Andriamanitra amin'ny fifanantonan'izy Roa lahy fa mijaly sy fadiranovana ny Malagasy namantsika!!!! Ary koa ho fialan-tsasatry ny fanahin'ireo rahalahy sy anabavy namoy ny ainy.

Misaotra antsika manoina ny antso. Koa ho fanohizana izany ary dia antsoina isika rehetra mba ho tonga hivavaka ao amin'ny fiangonana San Macuto, Via del Seminario 120 ny alahady 01 febroary 2009 ho avy izao amin'ny 9 ora sy sasany ny fahatongavana ary amin'ny 10 ora ny Sorona masina (Lamesa). Amin'ny 11 ora kosa, dia hisy ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana izay hanasan'andriamatoa Lehiben'ny masoivohon'i Madagasikara eto Italia, ao amin'io toerana io ihany.

Manantena ny fahatongavantsika maro ary mirary faran'ny herinandro tsara sy feno fanantenana. Samia ho tahian'Andriamanitra.

 

Ny ankohonana Victoire Rasoamanarivo