You are here

FISAORANA SY FANKASITRAHANA

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 27/03/2006 - 10:23

FISAORANA SY FANKASITRAHANA
“Inty aho” (Lk 1,38°)
avy amin'i
[b]Jean Marie Helpa R[/b]. smm

[b]FISAORANA SY FANKASITRAHANA,[/b]
[i]“Inty aho”[/i] (Lk 1,38°)

Ry tapaka sy namana malala rehetra,

Hafaliana lehibe ho ahy ny maneho etoana ny fankasitrahana sy fankatelemana avy amin’ny foko manontolo tamin’ny nanehoanareo am-pahibe-maso ny fiombontsika rehetra mianakavy tamin’ny nanaovako ny voady farany ny 25 marsa 2006. Saro-bidy loatra ho ahy ny nataonareo. Na tsy afa-nanatrika aza ny fianakaviana dia nahatsapa aho fa nanatrika izany izy ireo tamin’ny fitiavana nasehonareo. Tanteraka ny Tenin’i Tompo hoe: “Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano, na rahalahy na anabavy, na ray, na reny na zanaka, na tany noho ny fitiavany ahy sy ny Evanjely, ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin’ity fiainana ity dia trano, rahalahy, anabavy, reny, zanaka, tany,(…) ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy” (Mk 10, 29-30). Tolorako fankasitrahana sy fankatelemana ianareo rehetra tamin’ny fiaraha-mivavaka, tamin’ny fanatontosana ny litorjia, ny fandihizana, ny fivimbinana fahatsiarovana, fikarakarana sakafo niaraha-nihinana sy ny sisa maro. Faly dia faly aho ary afa-po ny Communauté misy ahy sy ny italiana. Izy Ray Tompon’ny soa rehetra no hamaly soa sesehena, arivo tsy manam-pahatapetarana anareo amin’izay nataonareo rehetra. Ankasitrahako feno ihany koa ireo nahatsiaro am-bavaka na tsy afa-nanatrika aza ka naneho izany tamin’ny taratasy, antso an-tariby…. Io vavaka io tokoa no mampiombona antsika rehetra amin’Izy Ray, Zanaka sy Fanahy Masina. I Masina Maria, Renintsika anie hitari-dàlana antsika rehetra, ampian’ny vavak’i Md Luis Marie de Montfort.

Mankasitraka be dia be anareo.
[b]
Jean Marie Helpa R. smm
[/b]