Fisaorana avy amin'ny ambasady, Tetezana Onlus ary FFKM Italia

Submitted by: Rondro
On: 28/06/2010

 

Ny Masoivohon'i Madagasikara eto Roma dia manolotra etoana ny fisaorana mitafotafo an'ireo fikambanana rehetra mijoro eto Italia sy ireo olon-tsotra maro izay tsy ho voatanisa etoana tamin'ny tamin'ny fifanomezan-tanana mavitrika ka nahatontosan-tsika antsakany sy andavany ny fankalazana ny faha 50 taonan'ny fahaleovantena ny firenena malagasy. Isaorana ihany koa ireo rehetra namaly ny fanasana ka tonga marobe niara nankalaza izany tao anatin'ny fifankatiavana sy firaisankina tanteraka ary indrindra indrindra tao anatin'ny fitiavana ilay Tanindrazana iombonana. Andriamanitry Fiadanana anie homba antsika mandrakariva. 
 
Masoivohon'i Madagasikara eto Roma
 
Faha 27 jona 2010.



________________________________



Ny Fikambanana Tetezana Onlus dia maneho fisaorana sy fankasitrahana ny Malagasy rehetra eto Italia tonga maro niara-nifaly tamin'iny andro lehibe ho an'i Madagasikara iny.
Misaotra  ireo izay tonga nijery ny fampirantiana nokarakarain'ny Fikambanana izay natao nandritra ny herinandro nialoha ny fetim-pirenana, satria ankoatra ny fanaovana asa soa dia isan'ny tanjona kendren'ny Fikambanana ihany koa ny fampahafantarana an'i Madagasikara aty ivelany.
Isan'ny nahafaly ihany koa nandritra iny takariva iny ny nahafahana nampifaly ireo zaza malagasy tamin'ny arendrina, izay inoana fa santatra am-bavarano ihany fa ny manetsa be mbola ho avy.
Dia manantena hatrany fiaraha-miasa amin'ny rehetra ary mirary soa ho an'ny tsirairay sy ho an'ny tanindrazana.

Fikambanana Tetezana Onlus.
Roma, 27 jiona 2010

_________________________________

Ny FFKM eto Roma sy Italia dia maneho fisaorana etoana antsika rehetra
niara-nanatontosa ny Fetimpirenena tao anaty fahatoniana sy fifanajana feno.
Tsy hay tokoa ny hangina ny amin'ny ezaka nataon'ny tsirairay niombona sy
niara-nivavaka ho an'ny Tanindrazantsika! Koa dia misaotra antsika rehetra
niombom-bavaka ho an'ny Firenentsika, sy niara-nankalaza tamin'ny fomba
sy dihy samihafa ny Fetintsika Malagasy rehetra tsy anavahana.
Isaorana manokana ireo rehetra nikarakara sy nanao ny adidy masina
ho an'ny fiombonana ary  ho fampahafantarana an'ireo hafa firenena momba
an'i Madagasikara (ny tsirairay sy ny fikambanana ary ny vondron'olona samihafa
araka ny adidy manandrify azy avy, ka notanterahiny). Mankasitraka e!
Mitondra am-bavaka ny Malagasy rehetra hatrany.

FFKM Roma-Italia
Roma, 29 jiona 2010

Add a comment






[*] Required