Filazana manjo.

Ajouté par : Rondro
Le : 29/04/2010

Mamangy anareo ao amin'ny Tompo! Ho aminareo anie ny Fiadanany!
Ampandrenesina isika Malagasy sy namana ary havana rehetra ao amin'ny Tompo eto Italia fa nodimandry halina teto Roma, teo am-pandidiana azy i P. Hajatiana Rolland, ocd
na Karma, 36 taona, pretra tamin'ny taona 2003. Avy any Arivonimamo ny fiaviany.
Mianatra Baiboly ary efa 3 taona eto izy izao, ary mitana andraikitra ao amin'ny Paroasy Santa Teresa, Corso Italia dia izao nindaosin'ny fahafatesana izao ka hody any amin'Ilay Nanao antsika.
Tokony efa hamarana amin'ity taona ity ny Maitrise ataony ny tenany.
Mirary faherezana ho an'ny rehetra, indrindra ireo rahalahy Karma manontolo.

Mbola miandry ny fandaminana rehetra sy ny programa.Hatokantsika ho azy ny Sorona Masina amin'ny alahady 02 may ho avy izao,amin'ny 10 ora tsy diso, eto amin'ny via del Seminario, 120.

(  http://www.victoire-rasoamanarivo.it/forum/message/m4bd93fb4be81a  )

Veloma vetivety ao amin'ny Tompo!

P. Benirina, sj

(fony izy nampisalotra ny akanjo maha-diakra azy an'i Fr Sandy - taona 2008)

Commentaires :

1. Rondro

mirary fiononana tanteraka ho an'ny fianakaviany, ny fikambanan'ny pretra karmelita, ho an'ny Ankohonana eto Roma ary mivavaka ho an'ny fialan-tsasatry ny fanahiny.
Mahereza daholo.

2. Soeurs Petites servantes

Miombon'alahelo ho an'ny fianakaviana sy ny fikambanan'ny Karma. Handry am-piadanana anie ny fanahiny.
mirary fiononana.

3. Rondro

Rahampitso zoma 30 aprily amin'ny 9 ora alina (21h) izany dia hisy fotoam-bavaka ho fialan-tsasatry ny fanahiny ao amin ny Paroasy Sainte Therèse, Corso Italia 37.

4. Hery

Azo jerena ao amin'ny http://fr.justin.tv/massimo_ocd#r=auecS0w~ ny fotoam-pivavahana mandritra ny fanaovam-beloma farany azy

5. ramifanampisoa

tres sinceres condoleances ... maereza daolo mivavaka ..tsy manadino ireo gasy ato Orleans'France

Ajouter un commentaire






[*] Réquis