You are here

Fihaonana nifampiarahabana tratry ny taona.

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 19/01/2009 - 11:41

Vory lanona ny Malagasy omaly alahady 18 janoary 2009 nifampiarahaba nahatratra soa ity taona ity.

Vory lanona teny amin'ny trano nomen'ny Fikambanan-dr'i Masera Mpanompovavin'ny Fo masin'i Jesoa teto Roma ny Malagasy omaly alahady 18 janoary 2009 nifampiarahaba nahatratra soa ity taona ity.

Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana no nanombohana ny fotoana izay notarihin'i mompera Joseph Rabenirina, lehiben'ny aomoneria katolika sy Andriamatoa Henri Rarivoarison avy tao amin'ny Fiangonana protestanta.

Nandritra ny fiaraha-misakafo kosa no nandray fitenenana ny lehiben'ny masoivohontsika eto Italia, andriamatoa Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo ka niarahabany ny Malagasy rehetra tratr'izao tonon'andro izao. Nararaotiny koa izany fotoana izany nampahafantarany ireo mpiara-miasa aminy vaovao sy efa teto hatrizay ary nanoritsoritany ihany koa ny tetikasa miandry azy sy miandry antsika eto Italia.

Noresahana tao ihany koa ny vinavina natolotra azy momba ny resaka sosialy ka ramatoa Josiane Ratsimbazafy, izay misahana manokana ny momba antsika teratany malagasy monina eto no nanazava izany : fiaraha-miasa amin'ireo Fikambanana misy sy kasaina hatsangana, ny momba ny atao hoe "mutuelle" entina hiatrehana na ny voina (fahafatesana) izany na raha  misy tsy fahasalamana. Afaka manatona azy mivantana noho izany izay rehetra manana vinavina na soso-kevitra na tetikasa ara-tsosialy.

Ary toa ny mahazatra, nisy ny mofomamy nifampizarana, ary ny totorebika talentantsika malagasy.

Dia mbola mamerina hatrany ny firariantsoa izahay mba ho soa sy tony anie ity taona 2009 diavintsika ity, ho antsika rehetra na eto an-toerana na any ivelany na any an-tanindrazana.

Misaotra indrindra koa ireo rehetra nikarakara iny fihaonana iny sy ry masera nampandroso ka nahafahana nifaly sy nikorana ety am-panombohana ny taona. Misaotra tamin'ny fandraisan'anjaran'ny rehetra nahandro sy nivimbina ny masaka nifampizarana tao.

 

Ny sary sy horonantsary fohifohy tamin'ny nandraisan'andriamatoa Jean Pierre Razafy-Andriamihaingo sy ramatoa Josiane Ratsimbazafy ny fitenenana dia efa azo jerena ato.